-
MpisoronaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Azo inoana fa ireo loham-pianakaviana no mpisorona ho an’ny taranak’i Jakoba (Israely), mandra-panendrin’Andriamanitra ny Levita hanao asa fisoronana. Hoy àry Andriamanitra tamin’izy nitarika ny vahoakany ho any an-tendrombohitra Sinay: “Aoka hanamasina ny tenany koa ireo mpisorona mpankeo amin’i Jehovah, sao hitroatra hamely azy i Jehovah.” (Ek 19:22) Mbola tsy nisy Levita voatendry tamin’izay. Navela hiakatra kely teny an-tendrombohitra niaraka tamin’i Mosesy anefa i Arona, na dia mbola tsy voatendry ho mpisorona aza. Hotendrena ho mpisorona mantsy izy sy ny taranany aoriana kelin’izay. (Ek 19:24) Hita avy amin’izany fa efa fikasan’Andriamanitra ny hoe ny taranak’i Arona no hasolo an’ireo loham-pianakaviana nanao ny asan’ny mpisorona.
-
-
SinayFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nisy “kotroka sy tselatra ary rahona matevina teo ambonin’ny tendrombohitra, sady nisy feon’anjombona naneno mafy be”, tamin’ny marainan’ny andro fahatelo. Nangovitra ny vahoaka tao an-toby. Nentin’i Mosesy nivoaka avy tao an-toby izy ireo nankeo am-pototry ny tendrombohitra mba hihaona tamin’ilay tena Andriamanitra. Nihovotrovotra sy nidona-tsetroka ny Tendrombohitra Sinay. (Ek 19:16-19; Sl 68:8) Nasain’Andriamanitra niakatra tany an-tendrombohitra i Mosesy ary nilazany indray mba hampitandrina ny vahoaka tsy hanandrana hiakatra. Tsy nahazo nihoatra an’ilay fetra na dia ireo “mpisorona” aza (tsy Levita ireo lehilahy ireo fa Israelita, izay nanana zo hanao ny asa fisoronana ho an’ny ankohonany toy ny efa fanaon’ireo loham-pianakaviana fahiny).—Ek 19:20-24.
-