-
Ejipta, EjipsianinaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ny nanandevozana ny Israelita. Tsy resahin’ny Baiboly ny anaran’ilay Farao nampahory ny Israelita (Ek 1:8-22), na ilay Farao nohatonin’i Mosesy sy Arona sy nahita ny nialan’ny Israelita tany Ejipta. (Ek 2:23; 5:1) Niniana nesorina tao amin’ny soratra ejipsianina izany tantara izany, na nopotehina ny soratra nisy an’ilay izy. Tsy fantatra àry hoe tarana-mpanjaka iza na Farao iza no nanjaka tamin’izany fotoana izany. Matetika no lazaina fa Ramsès (Ramesesa) II (anisan’ny “Tarana-mpanjaka Faha-19”) ilay Farao nampahory ny Israelita, satria hoe ny Israelita no nanorina ny tanànan’i Pitoma sy Ramesesa. (Ek 1:11) Heverina fa tamin’ny andron’i Ramsès II ireo tanàna ireo no naorina. Hoy i Merrill Unger (Ny Arkeolojia sy ny Testamenta Taloha, p. 149): “Efa fahazaran’i Ramesesa II anefa ny mihambo ho nahavita zavatra, nefa mpanjaka teo alohany no nanao ilay izy raha ny marina. Azo antoka àry fa naoriny indray na nohalehibeaziny fotsiny ireny tanàna ireny.” Toa faritra lehibe efa nisy tamin’ny andron’i Josefa ilay nantsoina hoe “Ramesesa.”—Ge 47:11.
-
-
Fanafahana ny Israelita avy Tany EjiptaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Tsy hay hoe taiza marina ny lalana nalehan’ny Israelita avy eo Ramesesa nankany amin’ny Ranomasina Mena, satria tsy tena fantatra hoe taiza no nisy an’ireo tanàna voaresaka ao amin’ny Eksodosy. Boky maro no milaza fa namakivaky ny Lohasaha Falehan-driaka Tomilat, any amin’ny faritry ny Vinany any Ejipta, izy ireo. Izay tokoa no lalan’izy ireo raha toa ka teo amin’ny zorony avaratratsinanan’ny faritry ny Vinany no nisy an’i Ramesesa. Hoy anefa i John Wilson, manam-pahaizana momba an’i Ejipta: “Mampalahelo fa tsy miray hevitra ireo manam-pahaizana hoe taiza marina no nisy an’i Ramesesa. Fanaon’ireo Farao nantsoina hoe Ramsès mantsy, indrindra fa i Ramsès II, ny nampitovy ny anaran’ny tanàna sasany tamin’ny anarany. Marina fa miresaka momba [an’i Ramesesa] ny zavatra sasany nofongarina tao amin’ireo tanàna teo amin’ny Vinany, nefa tsy midika izany hoe ny iray tamin’ireo tanàna ireo [i Ramesesa].”—Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny, nataon’i G. Buttrick, 1962, Boky Faha-4, p. 9.
Nisy toerana samy hafa nolazaina fa Ramesesa. Anisan’izany, ohatra, i Tanis (San el-Hagar ankehitriny), any amin’ny 56 km atsimoandrefan’i Port-Saïd izay eo amoron’ny Ranomasina Mediterane. Nolazaina indray anefa avy eo fa tsy i Tanis no Ramesesa fa i Kantir, izay any amin’ny 20 km atsimo kokoa. Misy asa soratra ejipsianina milaza fa tanàna roa samy hafa i Tanis sy (Per-)Ramesesa. Nisy avy any an-toeran-kafa koa ireo zavatra nofongarina avy tao Tanis. Nilaza àry i John Wilson fa “ny fahitana ny soratra hoe Ramesesa teo amin’ny toerana iray akory tsy midika hoe io toerana io no Ramesesa.” Nahitana soratra miresaka momba an’i Ramsès II tokoa tany Tanis sy Kantir. Nisy ifandraisany tamin’io Farao io fotsiny anefa ireo tanàna ireo, fa tsy hoe ny iray tamin’izy ireo no ilay Ramesesa resahin’ny Baiboly hoe fitehirizana entana sy vokatra talohan’ny nahaterahan’i Mosesy. (Ek 1:11) Sarotra ny milaza fa i Ramsès II ilay Farao resahin’ny Eksodosy, araka ny hita ao amin’ilay lahatsoratra hoe RAMESESA.
-