-
Sarobidy Aminao ve ny Aina?“Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
-
-
16. Inona no toro lalan’ny Baiboly azo ampiharina amin’ny resaka fanalana zaza? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)
16 Sarobidy amin’Andriamanitra na dia ny ain’ny zaza ao am-bohoka aza. Mpamono olona, ohatra, no fiheverany an’izay Israelita nandona na nandratra vehivavy bevohoka, ka maty ilay vehivavy na ny zaza tao an-kibony. Tsy maintsy nanome ny ainy “ho solon’ny aina” izy.c (Vakio ny Eksodosy 21:22, 23.) Raha izany aza mampalahelo an’i Jehovah, mainka fa ny fanalana zaza! Vehivavy an’aliny anefa no manala zaza isan-taona, satria tsy te hitaiza, na tsy te hanan-janaka intsony, na naloto fitondran-tena, na koa te hanohy ny fitondran-tena ratsiny. Tena malahelo i Jehovah mahita an’izany.
-
-
Sarobidy Aminao ve ny Aina?“Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
-
-
c Milaza ny mpanao rakibolana ara-baiboly fa rehefa jerena ny fomba nanoratana ny teny hebreo eo amin’io andininy io, dia “tsy ny ratra na voina nahazo an’ilay vehivavy irery no tiana holazaina.” Mariho koa fa nomelohin’i Jehovah ilay olona, na firy volana na firy volana ilay zaza tao an-kibo.
-