-
Fanomezana Sarobidy ny AinaAnkafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
5. Hajao ny ain’ny zaza ao an-kibo
Nohazavain’i Davida hoe mahaliana an’i Jehovah ny fitomboan’ny zazakely ao an-kibon’ny mamany. Vakio ny Salamo 139:13-17, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Amin’i Jehovah, rahoviana no manomboka ny fiainan’ny olona iray: Raha vao miforona ao an-kibo izy sa rehefa teraka?
Niaro ny reny sy ny zaza ao an-kibony ny lalàna nomen’i Jehovah ho an’ny Israelita. Vakio ny Eksodosy 21:22, 23, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:
Ahoana no fahitan’i Jehovah ny olona iray nahafaty zaza ao an-kibo na dia tsy fanahy iniany aza?
Inona no mety ho tsapan’i Jehovah raha misy olona manao fanahy iniana mamono zaza ao an-kibo?b
Ahoana no fahitanao an’izany fomba fihevitr’i Jehovah izany?
Na ny vehivavy mihevitra ny aina ho sarobidy aza, mety hisy fotoana hieritreritra hoe ny manala zaza ihany no vahaolana. Vakio ny Isaia 41:10, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Raha ohatra ka teren’ny olona hanala zaza ny vehivavy iray, amin’iza izy no tokony hitady fanampiana? Nahoana?
-
-
Fanomezana Sarobidy ny AinaAnkafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
b Tsy tokony hanamelo-tena be ny olona nanala zaza satria afaka mamela azy i Jehovah. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fanalana Zaza?”, eo amin’ilay fizarana hoe Jereo koa Ireto.
-