ONITRA
Zavatra omena na raisina ho solon’ny zavatra very na simba. Iray tarika amin’ny hoe shalôhm (“fihavanana”) ny matoanteny hebreo nadika hoe “manome onitra” (shalem). (Ek 21:36; 1Mp 5:12) Toy ny te hilaza izany fa mamitram-pihavanana ny fandoavana onitra na ny famerenana an’izay nalaina. Notakin’ny Lalàn’i Mosesy ny hanonerana an’izay rehetra mety ho fananan’olona nosimbana na nariana.
Fandratrana olona. Raha nisy Israelita nifanditra tamin’ny namany ka nandratra azy, dia nasaina nandoa onitra izy, noho ny fotoana very tsy niasan’ilay namany mandra-pahasitrany tanteraka.—Ek 21:18, 19.
Raha nisy olona niady ka nandratra vehivavy bevohoka na “teraka tsy tonga volana” ny zanany nefa tsy nisy maty, dia nampandoavina onitra ilay nandratra, araka izay notakin’ny vadin-dravehivavy. (Ny mpitsara no namaritra hoe ohatrinona no tokony haloa, raha be loatra ny notakin-dralehilahy.)—Ek 21:22.
Raha nanoto mpanompo ny omby iray zatra nanoto ary efa nampitandremana ny tompony nefa tsy niambina azy, ka maty ilay mpanompo, dia nandoa onitra sekely 30 (66 dolara) tamin’ny tompon’ilay mpanompo ny tompon’omby. Ny mpanompo hafa firenena, fa tsy hebreo, no voakasik’izany, hoy ny Jiosy mpivaofy teny. Novonoina kosa ny tompon’omby, raha olona afaka no nototoin’ilay omby. Mety ho nitakiana vidim-panavotana koa anefa izy, raha hitan’ny mpitsara fa azo nohalefahina ilay sazy noho ny toe-javatra na antony hafa. Tsy maintsy nandoa an’izay rehetra notakina taminy àry izy. Notoraham-bato koa ilay omby, ary tsy azo nohanina ny henany. (Ek 21:28-32) Azo inoana fa nihatra koa io lalàna io raha biby hafa no nahafaty olona.
Raha nisy lehilahy nanadala zazavavy virjiny mbola tsy nanana fofombady, dia tsy maintsy naka azy ho vady izy. Tsy maintsy nanome sekely 50 (110 dolara) ho vodiondry fanome rehefa haka virjiny izy, na dia tsy nety nanome an’ilay zazavavy mihitsy aza ny rainy. Hihena mantsy ny vodiondry haloan’izay mety haka azy ho vady, ka nila nonerana izany.—Ek 22:16, 17; De 22:28, 29.
Endrikendrika. Avo roa heny (2 x sekely 50; 220 dolara) noho ny vodiondry fanome rehefa haka virjiny no naloan’ny lehilahy tamin’ny rafozan-dahiny, raha nampangainy ho tsy virjiny intsony ny vadiny tamin’izy nampakatra azy. Nanala baraka virjiny teo amin’ny Israely mantsy izy.—De 22:13-19.
Azo lazaina ho nanome onitra koa izay lehilahy niampanga ny vadiny ho nanitsakitsaka azy, raha diso ny fiampangany. Tokony hataony mantsy izay hahabevohoka ny vadiny mba hananan’izy io zanaka. Raha marina kosa ilay fiampangana, dia ho nifintina ny taovam-pananahan-dravehivavy ka tsy afa-niteraka intsony izy.—No 5:11-15, 22, 28.
Halatra. Voarara ny mangalatra. Hoy ny Lalàna: “Tsy maintsy manome onitra ilay nangalatra. Raha tsy manana na inona na inona anefa izy, dia izy mihitsy no hamidy hanonerana izay nangalariny. Raha tratra eny an-tanany izay nangalariny, na omby izany na ampondra na ondry, ary mbola velona, dia hanome onitra avo roa heny izy.” Mety ho vola, biby, na zavatra hafa no nangalarina. Raha novonoin’ilay mpangalatra na namidiny ny biby nangalariny, dia ho be kokoa ny onitra notakina taminy. Hanome omby dimy ho solon’ny omby iray izy, ohatra, ary ondry efatra ho solon’ny ondry iray. (Ek 22:1, 3, 4, 7) Voaro sy nahazo onitra àry ilay niharam-pahavoazana. Ilay mpangalatra kosa tsy maintsy niasa mba hanonerana ny heloka vitany, fa tsy hoe nipetra-potsiny tao am-ponja ka sady ho enta-mavesatra ho an’ny fiaraha-monina no tsy hanome onitra an’ilay very fananana.
Biby maty sy fananana simba. Nanome onitra izay nahafaty biby fiompin’ny olon-kafa. (Le 24:18, 21) Raha nisy omby nahafaty ombin’olona, dia hamidy ilay omby velona ary hifampisasahan’ireo tompon’omby ny vidiny sy ny an’ilay omby maty. Raha efa zatra nanoto kosa ilay omby, dia hanome onitra omby velona ny tompony, ary ho lasany ilay omby maty, izay tsy misy vidiny firy intsony.—Ek 21:35, 36.
Tokony homen’ny olona ho onitra izay tsara indrindra avy tamin’ny sahany na tanimboalobony, raha niraoka ahitra teny amin’ny sahan’olona ny bibiny. Raha nisy kosa nandrehitra afo ka nitatra nankany amin’ny sahan’olona ilay afo, dia hanonitra an’izay may izy. Mafy kokoa anefa ny sazin’ny tompon’ilay biby niraoka ahitra satria mora ambenana kokoa noho ny afo ny biby, sady toy ny hoe nangala-pihinana ny bibiny. Be kokoa noho izay lanin’ny bibiny àry ny onitra notakina taminy.—Ek 22:5, 6.
Zavatra nankinina tamin’olona. Raha nisy nanome zavatra hotehirizin’ny namany ka nisy nangalatra ilay izy, dia hanome onitra avo roa heny ilay mpangalatra raha tratra. Tsy nila fikarakarana be ny vola na zavatra nankinina tamin’olona, fa nila nampirimina tsara fotsiny. Raha nanankinana biby fiompy kosa ny olona iray, dia tokony hambenany tsara toy ny bibiny ihany ilay izy. Nomena vola ilay olona matetika mba hividianany sakafo ho an’ilay biby, ary indraindray koa noho izy niambina azy io. Tsy nisy arakaraka raha maty ho azy ny biby nambenany, na noviravirain’ny bibidia, na lasan’ny mpandroba. Tsy afa-nanoatra mantsy izy, ary mety hiharan’izany koa na ny bibiny aza. Notanana ho tompon’andraikitra kosa izy ka tsy maintsy nandoa onitra, raha nisy nangalatra ny biby nankinina taminy. Azony nosorohina mantsy ilay halatra, na vokatry ny tsy fitandremany.—Ek 22:7-13; jereo Ge 31:38-42.
Tsy maintsy nanome onitra ny olona nindrana biby, raha niharam-pahavoazana ilay biby. (Ek 22:14) Tsy nanome onitra kosa izy raha teo ny tompon’ilay biby noho izy io afaka nanara-maso ny fananany. Tsy nomena onitra koa ilay tompony raha nohofana ilay biby, satria toy ny hoe efa tafiditra tamin’ny hofany izany.—Ek 22:15.