-
OnitraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Raha nisy lehilahy nanadala zazavavy virjiny mbola tsy nanana fofombady, dia tsy maintsy naka azy ho vady izy. Tsy maintsy nanome sekely 50 (110 dolara) ho vodiondry fanome rehefa haka virjiny izy, na dia tsy nety nanome an’ilay zazavavy mihitsy aza ny rainy. Hihena mantsy ny vodiondry haloan’izay mety haka azy ho vady, ka nila nonerana izany.—Ek 22:16, 17; De 22:28, 29.
-
-
FifamofoanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Tsy afa-nisaraka tamin’ny fifamofoana ny vodiondry na ny môhar. Miseho intelo ao amin’ny Baiboly io teny hebreo io. (Ge 34:12; Ek 22:16, 17; 1Sa 18:25) Ny ray aman-dreny matetika no nomena ny vodiondry. “Zava-tsarobidy” kosa no nomen’ny mpanompon’i Abrahama ho an’ny renin’i Rebeka sy ho an’i Labana anadahiny izay tena niandraikitra an’ilay fifanarahana. (Ge 24:53) Mety ho fanompoana na asa koa no natao vodiondry (môhar). (Ge 29:15-30; Js 15:16) Milaza ny Eksodosy 22:16, 17 fa raha nisy tovolahy nanadala tovovavy ka nanao firaisana taminy dia tsy maintsy nanome môhar ho an’ny rain-drazazavavy izy ho onitra, na dia tsy namela azy hanambady an-janany aza ilay ray. Indraindray dia nahazo “fanomezana fanaovam-beloma” avy tamin-drainy ilay hampakarina, na nomena fanomezana nandritra ny fotoana nanaovana ny fifamofoana, toy izay nitranga tamin’i Rebeka.—1Mp 9:16; Js 15:17-19; Ge 24:53.
-