MAMPISAMBOTRA
Mampindrana zavatra, indrindra fa vola, izay antenaina fa haverina na hosoloana.
Matetika no nitaky zanabola be loatra ny tao amin’ny firenena fahiny, ary nampahorina izay tsy nahaloa trosa. Resahin’ny asa soratra fahiny fa ny antsasaky ny vokatra niakatra no notakin’izay nampindrana saha, ary ara-dalàna raha avo roa heny ny naverin’ny mpivarotra tamin’izay nindramany. (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 168, 170) Natao nitondra faisana koa indraindray izay nitrosa.—Tite-Live, Tantaran’ny Romanina, II, XXIII, 2-7; ampit. Mt 18:28-30.
Hafa kosa ny tany Israely fahiny. Nampisamborina vola na sakafo ny Israelita sahirana ara-bola sy nahantra. Tsy azo nitakiana zanabola anefa izy ireo, satria toy ny hoe nanararaotra ny fahoriany izay nanao izany. (Ek 22:25; Le 25:35-37; De 15:7, 8; 23:19) Ny hafa firenena kosa azo nitakiana zanabola, raha tsy sahirana izy ireo fa nisambo-bola hanaovana varotra. Matetika mantsy izy ireo no mpivarotra nandalo fotsiny ary nampanjana-bola, ka azo nitakiana zanabola.—De 23:20.
Tsy mety raha misambotra nefa mandà tsy hamerina, hoy ny Soratra Hebreo. (Sl 37:21) Tsara kosa ny mampisambotra an’izay sahirana. (De 15:7-11; Sl 37:26; 112:5) Hoy ny Ohabolana 19:17: “Izay miantra ny mahantra dia mampisambotra an’i Jehovah, ary Izy no hanonitra an’izay nafoin’ilay olona.”
Oneran’i Jehovah be dia be ireo mampisambotra, toa an’i Hana izay nanefa ny voadiny. ‘Nampindraminy’ an’i Jehovah, ohatra, i Samoela zanany lahitokana mba hanompo tao amin’ny toerana masina. Tsy zanakalahy iray fa telo ary zanakavavy roa no nomen’i Jehovah azy avy eo.—1Sa 1:11, 20, 26-28; 2:20, 21.
Nalala-tanana toa an’i Jehovah Rainy i Kristy Jesosy teto an-tany, ary nampirisihiny halala-tanana koa ny mpianany ka hampisambotra. Hoy izy: “Raha izay antenainareo hamerina ny volanareo ihany no ampisamborinareo tsy misy zanabola, mendrika ny hahazo fiderana ve ianareo amin’izany? Na ny samy mpanota aza mifampisambo-bola tsy misy zanany, mba hiverenan’ny volany. Mifanohitra amin’izany kosa fa ... mampisambora vola tsy misy zanany, ary aza manantena valiny. Amin’izay dia ho lehibe ny valisoanareo ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo, satria izy tsara fanahy amin’izay tsy mankasitraka sy amin’ny ratsy fanahy.”—Lk 6:34, 35.
Tsy navelan’ny Lalàna hitaky zanabola tamin’ny Jiosy sahirana ny Israelita tamin’ny andron’i Jesosy. Na ny mpanota koa aza nampisambotra tsy misy zanany tamin’ireo ho afaka hamerina ny volany. Mety ho nanantena mihitsy aza izy fa ho tsara fanahy aminy koa ilay olona any aoriana. Mihoatra noho izany anefa no ataon’izay te hanahaka an’Andriamanitra, satria mampisambotra an’izay sahirana izy na dia mety ho tsy afaka hamerina ny volany mihitsy aza ilay olona.
Tsy te hilaza anefa i Jesosy hoe tokony hampisambotra foana ny Kristianina. Zava-dehibe kokoa, ohatra, ny adidy hamelona fianakaviana. Tsy mety àry raha mampisambotra ny olona iray, kanefa manao tsirambina an’izay ilain’ny fianakaviany. (Mr 7:11-13; 1Ti 5:8) Jerena koa ny toe-tsain’ilay te hisambo-bola sy ny toe-javatra misy azy. Sahirana ve izy satria tsy mety mandray andraikitra, kamo, ary tsy mety miasa na dia misy asa azony atao aza? Hoy mantsy ny apostoly Paoly: “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka izy tsy hihinana.”—2Te 3:10; jereo TROSA, MPITROSA; ZANABOLA.