BOKONY
Haingon’ny fitoeran-jiro volamenan’ny tranolay masina, ary avy amin’ny teny hebreo hoe kaftôhr na kaftôr, izay midika hoe boribory mivohitra. (Ek 25:31-36; 37:17-22) Nifanelanelana ireo “bokony” sy felany tamin’ny vatan’ilay fitoeran-jiro sy tamin’ireo sampany enina teo amin’ny andaniny roa. Toa nivohitra kely ny bokony sasany nipetrahan’ireo sampany. Misy bokony ilay sarina fitoeran-jiro eo amin’ny Andohalambon’i Titus (any Roma), izay ahitana miaramila romanina mitondra zavatra azo babo tao amin’ilay tempolin’i Jerosalema noravana tamin’ny taona 70.