-
Saron-tratraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Iray hakiho ny lavan’ny lamba nanaovana an’ilay saron-tratra ary irain-jehy ny sakany, ka efamira ilay izy rehefa avalona roa. Lasa kitapo kely azo nametrahana ny Orima sy Tomima àry ilay izy. Noravahana vatosoa 12 ny teo aloha. Tao anaty tranom-bato volamena ireo vato, izay natao laharany efatra nisy vato telo avy. Natao sokitra teo amin’ny vato tsirairay ny anaran’ny foko tsirairay tany Israely. (Ek 28:15-21, 28; 39:8-14; Le 8:8) Mety ho nalahatra araka izay itanisana azy ao amin’ny Baiboly ireo vatosoa, avy any ankavanana miankavia (toy ny famaky soratra hebreo). Tsy fantatra anefa hoe vatosoa inona no mifanitsy amin’ny foko inona.—Jereo ny lahatsoratra manazava ny vatosoa tsirairay.
-
-
JaspaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
JASPA
Karazana vatokaranana (quartz) tsy tantera-pahazavana ny jaspa maoderina, ary misy zavatra mifangaro oksidana vy ao amin’izy io. Tsy miloko ranoray ny jaspa, fa matetika no misy loko maro mifandimby, anisan’izany ny fotsy, mena, mavo, volontsôkôlà, ary mainty. Mafy noho ny fitaratra ny jaspa. Hita ao amin’ny karazam-bato miova ho karazany hafa izy io, ary tonga dia bolongany na kristaly mitokantokana. Ampiasaina hatao ravaka ny jaspa tsara indrindra, ary azo atao mangirana be. “Vatosoa faran’izay tsara” ary “mamirapiratra toy ny kristaly” ilay jaspa (gr.: iaspis) resahin’ny Apokalypsy 21:11. Mihevitra àry ny manam-pahaizana sasany hoe tsy toy ny jaspa maoderina izy io, fa jaspa tsy fahita firy sy lafo vidy kokoa sady tantera-pahazavana sy mangilatra. Misy koa manam-pahaizana milaza fa midika hoe diamondra, raha ny marina, ilay teny grika nadika hoe jaspa.
Ny jaspa (heb.: yahalôm) no natao vato farany teo amin’ny laharana faharoa tamin’ireo vatosoa teo amin’ny “saron-tratra fitsarana” nanaovan’i Arona. Voasokitra teo amin’izy io ny anaran’ny iray tamin’ireo foko 12 teo amin’ny Israely. (Ek 28:2, 15, 18, 21; 39:11) “Rakotra” vatosoa ilay fitafian’ny mpanjakan’i Tyro ary voaravaka jaspa. (Ezk 28:12, 13) Hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana i Jehovah mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana faran’izay kanto any an-danitra, ary nilaza izy fa “tahaka ny vato jaspa sy vatosoa mena no fahitana” azy. (Ap 4:1-3, 10, 11) Voalaza fa “tahaka ny vato jaspa mamirapiratra toy ny kristaly” “ilay tanàna masina, dia i Jerosalema Vaovao.” Jaspa ny mandan’izy io, ary jaspa koa no vato fototra voalohany.—Ap 21:2, 10, 11, 18, 19.
-