-
FanatitraFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Fanatitra ahetsiketsika. Nitazona an’ilay fanatitra ilay olona, nataon’ny mpisorona tao ambanin’ny tanany ny tanany, ary nahetsiketsiny mandroso sy mihemotra ny tanan’ilay olona. Na ilay mpisorona ihany no nitazona sy nanetsiketsika an’ilay fanatitra. (Le 23:11a) Toa izany no nataon’i Mosesy tamin’izy nanokana an’i Arona sy ny zanany ho mpisorona. I Mosesy mantsy no mpanelanelana tamin’ny fifaneken’ny Lalàna. (Le 8:28, 29) Naseho teo anatrehan’i Jehovah ilay sorona, matoa nahetsiketsika. Nisy fanatitra ahetsiketsika nomena ho anjaran’ny mpisorona.—Ek 29:27.
-
-
FanatitraFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Anjara masina. Nadika hoe “anjara masina” (“fanatitra asandratra”, Prot.) indraindray ny teny hebreo hoe teromah, izay ilazana ny ampahany nalaina tamin’ny sorona ka nakarina na nasandratra ho anjaran’ny mpisorona. (Ek 29:27, 28; Le 7:14, 32; 10:14, 15) Matetika koa no nadika hoe “fanomezana” ilay teny hebreo, ary ilazana zavatra natolotra ho an’ny toerana masina ka nohanin’ny mpisorona, afa-tsy izay nodorana teo ambony alitara.—No 18:8-13, 19, 24, 26-29; 31:29; De 12:6, 11.
-