-
AronaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nahoana i Arona no tsy nosazina rehefa nanao an’ilay zanak’omby volamena?
Marina fa nanana tombontsoa niavaka i Arona, nefa nanana fahalemena koa izy. Tamin’i Mosesy nijanona voalohany nandritra ny 40 andro tany amin’ny Tendrombohitra Sinay, dia ‘nitangorona teo amin’i Arona ny olona, ka nanao hoe: “Manamboara andriamanitra ho antsika hialoha lalana antsika, fa tsy fantatra mihitsy izay nanjo an’ilay Mosesy nitondra antsika niakatra avy tany Ejipta iny.”’ (Ek 32:1) Nanaiky i Arona ka nanao izay notakin’izy ireo ary nanamboatra sarivongana zanak’omby. (Ek 32:2-6) Fialan-tsiny tsy nitombina no narosony, rehefa nanontany azy i Mosesy taorian’izay. (Ek 32:22-24) Tsy i Arona anefa no nolazain’i Jehovah hoe tena nitarika ny vahoaka hanompo sampy. Hoy mantsy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Koa ankehitriny avelao aho, aoka hirehetan’ny fahatezerako izy ireo, ka horinganiko.” (Izahay no manao sora-mandry; Ek 32:10, Kat.) Niangavy an’i Jehovah i Mosesy mba hamela ny heloky ny vahoaka, indrindra fa ny an’i Arona. Nandamina ampahibemaso an’ilay raharaha izy avy eo, ka niteny hoe: “Iza no momba an’i Jehovah? Avia etỳ amiko!” (Ek 32:11, 26; De 9:20) Dia nankeny amin’i Mosesy ny taranak’i Levy rehetra, ary azo antoka fa anisan’izany i Arona. Nasain’i Mosesy namono an’ireo nanompo sampy izy ireo, ka 3000 no maty. Ireo maty ireo angamba no tena nitarika ny vahoaka hanompo sampy. (Ek 32:28) Nisy hafa anefa tsy novonoina, ary nampahatsiahy azy ireny i Mosesy tatỳ aoriana fa meloka koa izy ireny. (Ek 32:30) Hita amin’izany fa namindrana fo izy ireny. Tsy i Arona ihany àry no nahazo ny famindram-pon’Andriamanitra. Hita tamin’ny zavatra nataony tatỳ aoriana koa fa tsy hoe te hanompo sampy izy, fa tsy nahatohitra ny faneren’ny vahoaka fotsiny. (Ek 32:35) Nasehon’i Jehovah fa namela ny helok’i Arona izy satria tsy novany ny fikasany hanendry azy ho mpisoronabe.—Ek 40:12, 13.
-
-
MpanandroFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Moleka sy ny fanandroana tany Israely. Misy ifandraisany akaiky ny fanandroana sy ny fivavahana tamin’i Moleka. Andriamanitra manana lohan’ombilahy no natao sariny indraindray. Sarina ombilahy koa ny sarin’ny andriamani-diso toa an’i Mardoka sy Moleka ary Bala, izay nivavahan’ireo Babylonianina sy Kananita sy Ejipsianina ary firenen-kafa. Anisan’ny misongadina indrindra amin’ireo kintana fijerena tononandro ny ombilahy (Taureau). Sarina ombilahy matetika ny sarin’ny andriamanitra masoandro, ka ny tandrony no nanehoana ny tara-masoandro ary ny taovam-pananahany no herin’ny masoandro “mpanome aina.” Nomem-boninahitra toy izany koa ny ombivavy, ka sarin’ombivavy ny sarin’i Ishtar na Astarta. Fahotana lehibe teo imason’i Jehovah àry ny nivavahan’ny Israely tamin’ny sarivongana zanak’omby nataon’i Arona sy Jeroboama.—Ek 32:4, 8; De 9:16; 1Mp 12:28-30; 2Mp 10:29.
-
-
Zanak’ombyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Mety tsy ho volamena ranofotsiny ilay zanak’omby. Nilaza mantsy i Isaia fa fanaon’ny mpanefy ny nametaka takela-bolamena teo amin’ny sarivongana metaly. (Is 40:19) Mety ho vita tamin’ny hazo àry ilay zanak’omby, fa nopetahana takela-bolamena. Lasa saribao ilay sarivongana rehefa nodoran’i Mosesy, ary niempo tanteraka na tamin’ny ampahany ilay takela-bolamena. Nopotipotehiny sy notorotoroiny ho madinika toy ny vovoka ny saribao sy volamena sisa tavela, ary nafafiny teny amin’ny rano.—Ek 32:20; De 9:21.
Azo inoana fa nisy vokany be tamin’ny Israelita ny finoan’ny Ejipsianina hoe andriamanitra ny omby lahy sy vavy ary biby hafa. Nivavaka tamin’ny zanak’omby àry izy ireo, taoriana kelin’ny nanafahana azy avy tany Ejipta. Manamarina izany ny tenin’i Stefana hoe: “Niverina tany Ejipta izy ireo tao am-pony, ka nanao tamin’i Arona hoe: ‘Manamboara andriamanitra ho antsika hialoha lalana antsika ...’ Dia nanamboatra zanak’omby izy ireo tamin’izany andro izany, ka nanao sorona ho an’ilay sampy, ary niravoravo tamin’ny asan’ny tanany.”—As 7:39-41.
-
-
Ejipta FahinyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nivavaka tamin’andriamanitra maro ny Ejipsianina. Nataony andriamanitra ny biby sasany, ary nisy koa natokany ho an’andriamanitra sasany. Tsy mahagaga àry raha nilaza i Mosesy fa ho nampiasa herisetra ny Ejipsianina, raha nanao sorona biby ho an’i Jehovah tao Ejipta ny Israelita. (Ek 8:26) Tsy mahagaga koa raha nampiasa sarivongana zanak’omby ny Israelita tamin’ilay hoe “fety ho an’i Jehovah”, rehefa nanembona an’i Ejipta izy ireo tany an-tany efitra.—Ek 32:1-5.
-