“Jehovah, Andriamanitra Mamindra Fo sy Miantra”
“Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana”. — EKSODOSY 34:6.
1. a) Fampiononana inona no omen’ny Baiboly an’ireo izay nahita ny havan-tiany niala tamin’ny fanompoam-pivavahana madio? b) Ahoana no iheveran’i Jehovah ireo nania?
“NILAZA tamiko ny zanako vavy fa tsy tiany intsony ny ho anisan’ny kôngregasiôna kristianina”, hoy ny raim-pianakaviana kristianina iray. “Nahatsiaro fanaintainana nanakotsako ny vatako aho taorian’izay, nandritra ny andro maro sy herinandro maro ary volana maro mihitsy aza. Ratsy lavitra noho ny fahafatesana ilay izy.” Tena mampahory tokoa ny mahita havan-tiana iray miala amin’ny lalan’ny fanompoam-pivavahana madio. Efa mba nandia zavatra toy izany ve ianao? Raha izany no izy, dia hampionona anao ny mahafantatra fa takatr’i Jehovah ny mahazo anao. (Eksodosy 3:7; Isaia 63:9). Ahoana anefa no iheverany ireny nania ireny? Asehon’ny Baiboly fa manasa azy ireny amim-pamindram-po i Jehovah mba hiverina ka hahazo sitraka aminy indray. Niangavy toy izao an’ireo Jiosy mpikomy tamin’ny andron’i Malakia izy: “Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho”. — Malakia 3:7.
2. Ahoana no anehoan’ny Baiboly fa tapany tsy misaraka amin’ny toetra mahaizy an’i Jehovah ny famindram-po?
2 Teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, dia nasongadina tamin’i Mosesy ny famindram-pon’Andriamanitra. Nampahafantatra ny tenany ho “Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana” i Jehovah teo. (Eksodosy 34:6). Antitranterin’io fanambarana io fa tapany tsy misaraka amin’ny toetra mahaizy an’i Jehovah ny famindram-po. ‘Tiany ho tonga amin’ny fibebahana ny rehetra’, hoy ny nosoratan’i Petera izay apostoly kristianina. (2 Petera 3:9). Mazava ho azy fa misy fetra ny famindram-pon’Andriamanitra. Nilazana i Mosesy fa “tsy mety manamarina ny meloka [izy]”. (Eksodosy 34:7; 2 Petera 2:9). Na izany aza, “Andriamanitra dia fitiavana”, ary lafiny lehibe amin’izany toetra izany ny famindram-po. (1 Jaona 4:8; Jakoba 3:17). “Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay” i Jehovah, ary “tia famindram-po” izy. — Mika 7:18, 19.
3. Tamin’ny ahoana ny fiheveran’i Jesosy momba ny famindram-po no nifanohitra tamin’ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo?
3 Nampiseho taratry ny Rainy any an-danitra tamin’ny fomba tonga lafatra, i Jesosy. (Jaona 5:19). Tsy nanala tsiny ny fahotan’ireo mpanao ratsy akory i Jesosy raha nitondra azy ireny tamim-pamindram-po, fa nangoraka kosa, toy ny nangorahany ireo narary ara-batana. (Ampitahao amin’ny Marka 1:40, 41.) Eny, napetrak’i Jesosy ho anisan’ireo zavatra “lehibe” amin’ny Lalàn’Andriamanitra ny famindram-po. (Matio 23:23). Mifanohitra amin’izany, fa diniho ange ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo e. Mazàna no nanafoana tanteraka ny famindram-po ilay fiheveran’izy ireo ny rariny niorina tamin’ny fanizingizinana ny lalàna. Nitaraina toy izao izy ireo, rehefa nahita an’i Jesosy nifandray tamin’ny mpanota: “Ilehity mandray ny mpanota ka miara-mihinana aminy.” (Lioka 15:1, 2). Namaly ireo mpiampanga azy tamin’ny fanoharana telo i Jesosy, ka ny tsirairay tamin’ireo dia nanantitrantitra ny famindram-pon’Andriamanitra.
4. Fanoharana roa inona avy no notantarain’i Jesosy, ary inona no hevi-dehibe tao amin’ny tsirairay avy?
4 Voalohany, dia niresaka ny amin’ny lehilahy iray izay namela ondry 99 mba hitadiavana ondry iray very, i Jesosy. Ny hevi-dehibe tiany hisongadina? “Hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin’ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany.” Avy eo i Jesosy dia niresaka ny amin’ny vehivavy iray izay nikaroka farantsakely iray very, ka nifaly rehefa nahita azy io. Ny nampiharany izany? “Misy fifaliana toy izany eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka.” Nilaza ny fanoharana fahatelo i Jesosy ka nomeny endrika tantara fohy ilay izy.a Maro no nanjary nihevitra azy io ho ny tantara fohy tsara indrindra hatramin’izay. Hanampy antsika hankasitraka sy haka tahaka ny famindram-pon’Andriamanitra ny fandinihana io tantara fohy io. — Lioka 15:3-10.
Mandao ny tokantrano ny zanaka mikomy iray
5, 6. Tamin’ny ahoana ilay zandriny tao amin’ny fanoharan’i Jesosy fahatelo, no naneho tsy fahampiam-pankasitrahana nanafintohina?
5 “Nisy lehilahy anankiray nanana zanaka mirahalahy. Ary hoy ilay zandriny tamin-drainy: Raiko, omeo ahy ny anjara-fananana tokony ho ahy. Dia nozarainy tamin’izy mirahalahy ny fananany. Ary nony afaka kelikely, dia nangonin’ilay zandriny ny fananany rehetra, ka lasa nankany an-tany lavitra izy, dia nandany ny fananany tamin’ny fiveloman-dratsy tany.” — Lioka 15:11-13.b
6 Nanafintohina ny tsy fahampiam-pankasitrahana nasehon’ilay zandriny teto. Nitaky ny lovany aloha izy, ary avy eo dia nandanilany izany tamin’ny “fiveloman-dratsy”. Ilay fitenenana hoe “fiveloman-dratsy” dia nadika avy amin’ny teny grika iray izay midika hoe “filibana amin’ny fiainana”. Nilaza ny manam-pahaizana iray fa ilay teny “dia milaza fialana tanteraka amin’ny fitondran-tena tsara”. Marim-pototra ny niantsoana matetika ilay tovolahy tao amin’ny fanoharan’i Jesosy hoe zanaka adala, dia teny izay ilazana olona tsy mitsapa ny ho farany sy mpandanilany foana.
7. Iza amin’izao andro izao no mitovy amin’ilay zanaka adala, ary nahoana no maro amin’izy ireny no mitady fahaleovan-tena any “an-tany lavitra”?
7 Misy ve olona mitovy amin’ilay zanaka adala amin’izao androntsika izao? Eny. Mampalahelo fa misy vitsivitsy ihany ireo nandao ny ‘tranon’i’ Jehovah Raintsika any an-danitra, izay ‘trano’ ahitana fiarovana. (1 Timoty 3:15). Mihevitra ny sasany amin’izy ireny fa be fameperana loatra ny rivo-piainana ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra, sady manakantsakana kokoa ny fanaraha-mason’i Jehovah fa tsy miaro. (Ampitahao amin’ny Salamo 32:8.) Hevero ange ny amin’ity vehivavy kristianina ity, izay nobeazina nifanaraka tamin’ny foto-pitsipika ara-baiboly, saingy nanjary voarohirohy tamin’ny fidorohana zava-pisotro misy alkaola sy zava-mahadomelina tatỳ aoriana. Rehefa nanao jery todika io fe-potoana maizina teo amin’ny fiainany io izy, dia niteny toy izao: “Ta hanaporofo aho fa afaka nanana fiainana tsara kokoa. Ta hanao izay tiako hatao aho, ary tsy tiako hisy na iza na iza hilaza tamiko zavatra hafa.” Sahala amin’ilay zanaka adala, dia nitady fahaleovan-tena io tovovavy io. Nampalahelo fa voatery noroahina tsy ho ao amin’ny kôngregasiôna kristianina izy, noho ireo fanaony tsy araka ny Soratra Masina. — 1 Korintiana 5:11-13.
8. a) Fanampiana inona no azo omena ireo maniry hiaina mifanohitra amin’ny fari-pitsipik’Andriamanitra? b) Nahoana ny olona iray no tokony handinika amim-pieritreretana tsara ny safidiny mahakasika ny fanompoam-pivavahana?
8 Tena mahavaky fo tokoa ny mahita mpiray finoana mampiseho fa maniry hiaina mifanohitra amin’ny fari-pitsipik’Andriamanitra izy. (Filipiana 3:18). Rehefa mitranga izany, dia milofo manarina ilay nania ireo loholona sy ny hafa izay manana ireo toetra ara-panahy ilaina. (Galatiana 6:1). Na izany aza, dia tsy misy terena handray ilay zioga entin’ny olona iray mpianatr’i Kristy. (Matio 11:28-30; 16:24). Tsy maintsy manao safidy manokana eo amin’ny fanompoam-pivavahana na dia ny tanora aza, rehefa ampy taona izy. Noho isika olona afaka manao izay tiantsika hatao, dia samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy ny tsirairay amintsika, amin’ny farany. (Romana 14:12). Mazava ho azy fa ‘hijinja izay hafafintsika’ koa isika. Vetivety dia nianatra izany lesona izany ilay zanaka adala tao amin’ny fanoharan’i Jesosy. — Galatiana 6:7, 8.
Famoizam-po tany an-tany lavitra
9, 10. a) Ahoana no niovan’ny toe-javatra nanjo an’ilay zanaka adala ary nanao ahoana ny fihetsiny? b) Hazavao amin’ny ohatra fa mitovy amin’izay nanjo an’ilay zanaka adala ny mahazo ny sasany izay nandao ny fanompoam-pivavahana marina amin’izao andro izao.
9 “Ary rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary mafy tamin’izany tany izany, ka nahantra izy. Dia nandeha izy ka niankina tamin’ny tompon-tany anankiray tamin’izany tany izany, ary dia nirahiny tany an-tsahany hiandry kisoa. Ary satriny hameno ny kibony tamin’ny voan-kazo fihinan’ny kisoa, fa tsy nisy nanome azy.” — Lioka 15:14-16.
10 Na dia tapi-pananana aza ilay zanaka adala, dia mbola tsy nieritreritra ny hody ihany izy. Lasa kosa izy nankany amin’ny tompon-tany iray izay nanome azy asa fiandrasan-kisoa. Koa satria voalaza tsara ao amin’ny Lalàn’i Mosesy fa biby maloto ny kisoa, dia azo inoana fa tsy azon’ny Jiosy iray nekena ny asa toy izany. (Levitikosy 11:7, 8). Raha nenjehin’ny eritreriny anefa ilay zanaka adala, dia voatery nampangina izany izy. Tsy azony nantenaina tokoa mantsy hoe hihevitra ny fihetseham-pon’ny vahiny iray tapi-pananana, ilay mpampiasa azy, izay tompon-tany. Mitovy amin’izay nanjo ilay zanaka adala no manjo olona maro amin’izao andro izao, dia ireo izay mandao ny lala-mahitsin’ny fanompoam-pivavahana madio. Matetika izy ireny no voarohirohy amin’ny fanaovan-javatra izay noheverin’izy ireo ho nampietry, taloha. Teo amin’ny faha-17 taonany, ohatra, ny tovolahy iray dia nanohitra ilay fitaizana kristianina nomena azy. “Ny fahalotoam-pitondran-tena sy ny fidorohana zava-mahadomelina dia nanafoana ireo taona maro nanomezana ahy fampianarana niorina tamin’ny Baiboly”, hoy ny fiekeny. Tsy ela dia lasa tany am-ponja io tovolahy io noho ny fandrobana nampiasana fiadiana sy noho ny vonoana olona. Na dia tafarina ara-panahy aza izy tatỳ aoriana, dia vidiny nampanaintaina toy inona moa no tsy maintsy naloany noho ny ‘fifaliana vetivety tamin’ny fahotana’! — Ampitahao amin’ny Hebreo 11:24-26.
11. Inona no vao mainka nanampy trotraka ny olana saro-bahana nahazo ilay zanaka adala, ary ahoana no nahitan’ny sasany amin’izao andro izao fa hay “famitahana foana” ireo fanintonan’izao tontolo izao?
11 Vao mainka koa nanampy trotraka ny olana saro-bahana nahazo ilay zanaka adala ny hoe “tsy nisy nanome azy” na inona na inona. Fa nankaiza avy ireo namany vaovao? Tsy nanam-bariraiventy izy izao, ka ‘nankahala’ azy izy ireny. (Ohabolana 14:20). Tsy misy hafa amin’izany koa ny manjo olona maro amin’izao andro izao, dia ireo izay miala amin’ny finoana. Hitan’izy ireo fa hay “famitahana foana” ireo fanintonana sy fomba fihevitr’ity tontolo ity. (Kolosiana 2:8). “Nizaka fahoriana sy alahelo be aho rehefa tsy nanana ny fitarihan’i Jehovah”, hoy ny tovovavy iray izay nandao ny fandaminan’Andriamanitra nandritra ny fotoana kelikely. “Niezaka hampifanaraka ny nataoko tamin’ny an’izao tontolo izao aho, kanefa dia nolavin’izy ireo satria tsy tena nitovy tamin’ny hafa. Toy ny zaza very nila ray hitarika ahy aho. Tamin’izay no nahatakarako fa nila an’i Jehovah aho. Tsy niriko intsony ny hiaina tsy hiankina aminy indray.” Nanjary nahatakatra izany koa ilay zanaka adala tao amin’ny fanoharan’i Jesosy.
Nody ny sain’ilay zanaka adala
12, 13. Anton-javatra inona avy no nampody ny sain’ny sasany amin’izao andro izao? (Jereo ny faritra voafefy.)
12 “Ary raha nody ny sainy, dia hoy izy: Indrisy! maro ny olona karamain’ny raiko manan-kanina be dia be, fa izaho kosa maty mosary eto! Hiainga aho, dia hody any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony; fa ataovy tahaka ny anankiray amin’ny olona karamainao aho. Dia niainga izy ka nankany amin-drainy.” — Lioka 15:17-20.
13 ‘Nody ny sain’ilay’ zanaka adala. Nandritra ny fotoana kelikely, dia toy ny hoe niaina tao amin’ny tontolon’ny nofy izy, fa nanaram-po tamin’ny fikatsahana fahafinaretana. Izao anefa izy dia nanjary nahafantatra tsara ny tena toe-piainany ara-panahy. Eny, na dia potraka aza ilay tovolahy, dia mbola nisy azo nantenaina ihany ny aminy. Nety ho nahitana zavatra tsara tao aminy. (Ohabolana 24:16; ampitahao amin’ny 2 Tantara 19:2, 3.) Ahoana ny amin’ireo izay nandao ny andian’ondrin’Andriamanitra amin’izao andro izao? Hety ve ny hanatsoahana hevitra fa tsy misy antenaina intsony ny amin’izy rehetra ireny, fa ny fikomiana rehetra nataony dia manaporofo fa nanota tamin’ny fanahy masin’Andriamanitra izy ireo? (Matio 12:31, 32). Tsy voatery ho izany. Misy sasany amin’izy ireny mijaly eritreritra noho ny ditrany, ary rehefa mandeha ny fotoana, dia mody ny sain’ny maro amin’izy ireny. “Tsy mba nanadino ny amin’i Jehovah mihitsy aho, na dia indray andro aza”, hoy ny anabavy iray rehefa nieritreritra ny amin’ny fotoana nolaniny lavitra ny fandaminan’Andriamanitra. “Nivavaka foana aho mba hisian’ny fomba iray, sy andro iray hanekeny ahy hiverina indray ao amin’ny fahamarinana.” — Salamo 119:176.
14. Tapa-kevitra ny hanao inona ilay zanaka adala, ary ahoana no nanehoany fanetren-tena tamin’izany?
14 Inona anefa no azon’ireo nania atao mahakasika ny toe-javatra misy azy? Tao amin’ilay fanoharan’i Jesosy, dia nanapa-kevitra ilay zanaka adala fa handeha hody ka hangata-pamelana tamin-drainy. Tapa-kevitra ny hiteny toy izao ilay zanaka adala: “Ataovy tahaka ny anankiray amin’ny olona karamainao aho.” Ny mpanompo iray nokaramaina dia mpanao latasy isan’andro ka azo noroahina iny andro iny ihany. Latsaka ambany noho ny andevo mihitsy aza izany, satria ny andevo dia azo lazaina ihany hoe anisan’ny fianakaviana. Koa tsy nikasa hangataka ny hamerenana azy teo amin’ny toeran’ny zanaka nisy azy taloha, ilay zanaka adala. Vonona tanteraka izy hanaiky ny toerana ambany indrindra, mba hanaporofoana fa hohavaoziny isan’andro ny tsy fivadihany tamin-drainy. Ho tojo zavatra tsy nampoiziny anefa ilay zanaka adala.
Fandraisana nanafana ny fo
15-17. a) Nanao ahoana ny fihetsik’ilay ray teo am-pahitana an-janany? b) Milaza inona ny nanomezan’ilay ray akanjo sy peratra ary kapa an-janany? d) Mampiseho inona ny nanaovan’ilay ray fanasana?
15 “Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy. Ary ilay zanany nanao taminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony. Fa rainy kosa nanao tamin’ny ankizilahiny hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary asio peratra ny tànany sy kapa ny tongony; ary ento atỳ ny zanak’omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly; fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Dia nifaly izy.” — Lioka 15:20-24.
16 Rehefa mety ho ray aman-dreny be fitiavana dia maniry mafy ny hahatafarina ara-panahy ny zanaka iray. Noho izany, dia azontsika alaina sary an-tsaina ny rain’ilay zanaka adala, mitazana isan’andro ilay lalankely eo anoloan’ny tranony, mitebiteby sady manantena ny hiverenan-janany. Indro fa tazany izao ilay zanany tamy nanaraka ilay lalankely! Tsy isalasalana fa niova be ny fisehoan’ilay tovolahy tetỳ ivelany. Na izany aza, dia nahafantatra azy rainy “raha mbola lavitra izy”. Tsy tazany akory ilay fitafiana voro-kitsay sy ilay fahakiviana be; ny zanany no hitany, ka nihazakazaka mba hitsena azy izy!
17 Rehefa tonga teo amin’ny zanany ilay ray, dia namihina ny vozony ary nanoroka azy tamim-pitiavana. Avy eo dia nandidy ny mpanompony izy mba hanome akanjo sy peratra ary kapa ho an-janany. Tsy fitafiana tsotra fotsiny ilay akanjo, fa ny “tsara indrindra” — angamba irony fitafiana ivelany voaravaka petakofehy irony, ilay karazany fanao fanomezana ho an’ireo vahiny nohajaina. Koa satria tsy fahita teny amin’ny mpanompo ny peratra sy ny kapa, dia nasehon-drainy mazava tsara fa noraisina tsara indray ho anisan’ny mpianakaviny tamin’ny fomba feno, ilay zanany. Bebe kokoa noho izany anefa no nataon’ilay ray. Nandidy ny hanaovana fanasana izy mba hankalazana ny fiverenan-janany. Mazava fa tsy namela tsy sazoka ny fahotan-janany akory io lehilahy io, na hoe ny fiverenan-janany fotsiny no nahavoatery azy hanao izany. Naniry hamela heloka izy. Nampifaly azy izany.
18, 19. a) Mampianatra inona anao momba an’i Jehovah ny fanoharana ny amin’ilay zanaka adala? b) Araka ny asehon’ny fifampiraharahany tamin’ny Joda sy i Jerosalema, amin’ny ahoana i Jehovah no ‘mbola miandry’ ny hiverenan’ny mpanota iray?
18 Mampianatra antsika inona momba ilay Andriamanitra tolorantsika fanompoam-pivavahana aloha hatreto, ny fanoharana ny amin’ilay zanaka adala? Voalohany dia hoe “mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana” i Jehovah. (Eksodosy 34:6). Eny, toetran’Andriamanitra miavaka tokoa ny famindram-po. Izany no fihetsiny ara-dalàna manoloana ireo izay mila fanampiana. Avy eo ilay fanoharan’i Jesosy dia mampianatra antsika fa “vonona hamela heloka” i Jehovah. (Salamo 86:5, NW ). Azo lazaina hoe manao andry maso izy, mandinika izay mety ho fiovam-po eo amin’ny olombelona mpanota mba hananany antony hanehoana famindram-po. — 2 Tantara 12:12; 16:9.
19 Eritrereto, ohatra, ny fifampiraharahan’Andriamanitra tamin’ny Isiraely. Nahazo tsindrimandry tamin’i Jehovah ny mpaminany Isaia mba hilazalaza ny Joda sy i Jerosalema ho voan’ny ‘aretina hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia’. Nilaza toy izao koa anefa izy: “Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, ary mbola hitoetra any amin’ny avo Izy mandra-piantrany anareo”. (Isaia 1:5, 6; 30:18, izahay no manao sora-mandry; 55:7; Ezekiela 33:11). Sahala amin’ilay ray tao amin’ny fanoharan’i Jesosy, dia azo lazaina hoe ‘mitazana ilay lalankely’ i Jehovah. Miandrandra fatratra ny hiverenan’izay rehetra nandao ny tranony izy. Tsy izany ve no antenaintsika avy amin’ny ray be fitiavana iray? — Salamo 103:13.
20, 21. a) Amin’ny fomba ahoana no itaoman’ny famindram-pon’Andriamanitra olona maro amin’izao andro izao? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
20 Isan-taona ny famindram-pon’i Jehovah dia mitaona olona maro, ka mampody ny sainy sy mampiverina azy amin’ny fanompoam-pivavahana marina. Hafaliana toy inona moa no entin’izany ho an’ireo havan-tiany! Raiso ange, ohatra, ilay raim-pianakaviana kristianina izay voatonona tetsy am-piandohana e. Soa ihany fa tafarina ara-panahy ny zanany vavy, ary ankehitriny izy io dia mpanompo manontolo andro. “Tsy afaka ny ho sambatra kokoa noho izao aho eto amin’ity fandehan-javatra tranainy ity”, hoy izy. “Niova ho ranomasom-pifaliana ny ranomason’alaheloko.” Azo antoka fa mifaly torak’izany koa i Jehovah! — Ohabolana 27:11.
21 Mbola misy zavatra bebe kokoa anefa momba ilay fanoharana ny amin’ny zanaka adala. Nanohy ilay tantarany i Jesosy mba hahafahany hampifanohitra ny famindram-pon’i Jehovah sy ilay toe-tsaina henjana sy tia mitsara ny hafa, izay fahita teo amin’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo. Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny fomba nanaovany izany sy izay dikan’izany ho antsika.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy voatery ho tena nitranga tokoa akory ireo tantara fohy sy ireo fanoharana hafa voatantara ao amin’ny Baiboly. Ankoatra izany dia tsy ilaina ny mitady heviny ara-panoharana ho an’ny tsipiriany tsirairay, satria ny zava-kendrena amin’ireny tantara ireny dia ny hampianatra lesona ara-pitondran-tena.
b Ny hevitr’io fanoharana io ara-paminaniana dia voadinika ao amin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 May 1989, pejy faha-16, 17.
Ho Famerenana
◻ Tamin’ny ahoana ny fihetsik’i Jesosy nanoloana ny famindram-po no nifanohitra tamin’ny an’ny Fariseo?
◻ Iza amin’izao andro izao no mitovy amin’ilay zanaka adala, ary amin’ny fomba ahoana?
◻ Tarehin-javatra inona avy no nampody ny sain’ilay zanaka adala?
◻ Ahoana no nanehoan’ilay ray famindram-po tamin-janany izay nibebaka?
[Efajoro, pejy 11]
Nody ny Sain’izy Ireo
Inona no nampody ny sain’ireo olona sasany izay voaroaka tao amin’ny kôngregasiôna kristianina taloha? Manazava ny amin’izany ireto fanamarihana manaraka ireto.
“Tao am-poko tao, dia mbola fantatro ihany hoe aiza no nisy ny fahamarinana. Nisy heriny lehibe tamiko ireo taona maro nianarana ny Baiboly sy nandehanana tany amin’ireo fivoriana kristianina. Ahoana moa no mbola ahafahako ihany hinia tsy hiraharaha an’i Jehovah? Tsy nandao ahy izy; izaho no nandao azy. Niaiky aho, tamin’ny farany, fa diso sy mafy loha, ary marina foana ny Tenin’i Jehovah hoe: ‘Hijinja izay afafinao ianao.’ ” — C.W.
“Nanomboka niteny ny zanako vavikely, ary nanohina ny foko izany, satria niriko ny hampianatra azy zavatra toy ny hoe iza moa i Jehovah sy ny hoe ahoana no fivavaka aminy. Tsy nahita tory aho, ary indray alina be, dia nandeha fiara aho nankany amin’ny zaridainam-panjakana iray ka tsy nanao afa-tsy ny nitomany fotsiny. Nitomany aho, ary sambany vao nivavaka tamin’i Jehovah indray, taorian’ny fotoana ela be. Izao ihany no fantatro: Nilaiko ny hiverenan’i Jehovah teo amin’ny fiainako, ary nantenaiko ny hahafahany hamela ahy.” — G.H.
“Rehefa nisy resaka momba ny fivavahana nipoitra, dia nilazako ny olona fa raha nasaina nifidy izay fivavahana nampianatra ny fahamarinana aho, dia tsy maintsy tonga Vavolombelon’i Jehovah. Nolazaiko avy eo fa efa mba toy izany aho taloha, saingy tsy vitako ny niaina nifanaraka tamin’izany, ka nijanona aho. Matetika aho no nahatsiaro tena ho meloka sy tsy sambatra, noho ny fahatakarako izany. Niaiky toy izao aho, tamin’ny farany: ‘Ory loatra aho. Mila manao fiovana hentitra aho.’ ” — C.N.
“Dimy amby telopolo taona lasa izay no nahavoaroaka anay mivady. Avy eo, tamin’ny 1991, dia tsy nampoizinay, nefa nahafinaritra anay, ny fitsidihan’ny loholona roa izay nampahafantatra anay fa misy fahafahana hiverina amin’i Jehovah. Safononoky ny hafaliana izahay fa voaray indray, enim-bolana tatỳ aoriana. Sivy amby fitopolo taona ny vadiko, ary izaho dia 63 taona.” — C.A.