-
“Homba Anao Aho Rehefa Miteny Ianao”Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana—2020 | Jona
-
-
“Homba Anao Aho Rehefa Miteny Ianao”
Tsy natahotra intsony i Mosesy rehefa nampian’i Jehovah. Inona no azontsika ianarana avy amin’izay nolazain’i Jehovah tamin’i Mosesy?
Tsy tokony hifantoka be amin’izay zavatra tsy haintsika isika
Afaka matoky isika hoe hanome an’izay rehetra ilaintsika i Jehovah, mba hahavitantsika ny asa nanendrena antsika
Tsy hatahotra olona isika raha matoky hoe hanampy antsika Andriamanitra
-
-
Ho Vitanao ny Hitory sy Hampianatra!Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana—2020 | Jona
-
-
Ho Vitanao ny Hitory sy Hampianatra!
Nieritreritra i Mosesy tamin’ny voalohany hoe tsy ho vitany ilay zavatra nasain’i Jehovah nataony. (Ek 4:10, 13) Efa nahatsapa hoatr’izany koa ve ianao? Mianatra Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ve ianao, ary mieritreritra hoe tsy ho vitanao mihitsy izany hitory isan-trano izany? Sa ianao mpianatra, ary tsy sahy mitory any am-pianarana? Sa ianao mpitory, ary matahotra ny hitory an-telefaonina na hitory eny amin’ny toerana be olona? Mivavaha amin’i Jehovah, raha izany, ary iangavio izy mba hanampy anao hanana herim-po. (1Pe 4:11) Matokia fa afaka manampy anao izy, mba hahavitanao an’izay asa anendreny anao.—Ek 4:11, 12.
-