“Raha ny Fanasina no Tonga Matsatso”
NISY ady natao noho izy io. Nampiasaina ho takalon-javatra izy io. Tany Chine fahiny, dia nanarakaraka avy hatrany ny hasarobidin’ny volamena ny hasarobidin’izy io. Eny, efa hatramin’ny ela ny olombelona no nihevitra ny fanasina na sira ho entam-barotra tena sarobidy. Mandraka ankehitriny, dia voalaza ho manasitrana sy mamono otrikaretina izy io, ary ampiasaina eran-tany mba hanomezana tsiro ny sakafo sy hitahirizana zavatra tsy ho simba.
Manana toetra tsara maro ny sira ary maro no azo ampiasana azy. Tsy mahagaga àry raha ampiasain’ny Baiboly amin’ny heviny ara-panoharana izy io. Notakin’ny Lalàn’i Mosesy, ohatra, fa izay rehetra natolotra teo amin’ny alitaran’i Jehovah dia tsy maintsy nasiana sira. (Levitikosy 2:13). Tsy natao hanatsarana ny tsiron’ny fanatitra akory izany. Azo inoana anefa fa ny antony nanaovana izany, dia satria sary nampiseho ny tsy fisian’ny fahasimbana na ny fahalovana, ny sira.
Nilaza toy izao tamin’ireo mpanara-dia azy i Jesosy Kristy, tao amin’ilay Toriteniny malaza teo an-tendrombohitra: “Hianareo no fanasin’ny tany”. (Matio 5:13). Ny tian’i Jesosy holazaina tamin’io teny io dia hoe ny fitorian’izy ireo tamin’ny hafa momba ny Fanjakan’Andriamanitra, dia nanana hery nety hiaro ny mpihaino azy ireo, na nanana hery nety hahavonjy ny ain’izy ireny. Eny tokoa, ireo nampihatra ny tenin’i Jesosy dia voaro tamin’ny fahasimbana ara-pitondran-tena sy ara-panahy teo anivon’ilay fitambaran’olona nisy azy ireo sy nanompoany. — 1 Petera 4:1-3.
Nanohy ny teniny anefa i Jesosy ka nanome izao fampitandremana izao: “Fa raha ny fanasina no tonga matsatso, (...) [dia] tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin’ny olona.” Nivaofy izany teny izany i Albert Barnes, manam-pahaizana momba ny Baiboly, ka nilaza fa ilay sira fantatr’i Jesosy sy ny apostoliny dia “naloto, nifangaro tamin-javatra avy tamin’ny zavamaniry sy ny tany”. Raha tonga natsatso àry ilay sira, dia zavatra be dia be avy tamin’ny tany sisa tavela. “Izany”, hoy ny nomarihin’i Barnes, “dia tsy nisy nilana azy afa-tsy (...) ny hoe napetraka teny amin’ny lalana, toy izay ampiasantsika ny vatokely.”
Ho fanarahana izany fampitandremana izany, dia tokony hitandrina ny Kristianina mba tsy hampitsahatra ny fitoriany ampahibemaso na hiverina indray ho amin’ny fitondran-tena ratsy. Raha tsy izany, dia ho simba ara-panahy izy ireo ka hanjary tsy hisy hilana azy, tahaka ny ‘fanasina tonga natsatso’.