-
Andro Fandrakofam-pahotanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ny nataon’ny mpisoronabe. Niditra tao amin’ny toerana masina i Arona, ary nitondra vantotr’ombilahy iray ho fanatitra noho ny ota sy ondrilahy iray ho fanatitra dorana. (Le 16:3) Nesoriny ny akanjo fanaony mahazatra, nandro izy, ary avy eo nanao fitafiana masina vita tamin’ny lamba rongony. (Le 16:4) Nomen’ny zanak’Israely osy roa (osilahy kely) izay samy tsy nisy kilema ny mpisoronabe. (Le 16:5, 7) Nataony antsapaka avy eo hoe iza amin’ireo no hatao sorona ho an’i Jehovah ho fanatitra noho ny ota, ary iza no ‘osilahy ho an’i Azazela’ halefa any an-tany efitra mba hitondra ny fahotan’ny Israely. (Le 16:8, 9; ampit. 14:1-7; jereo AZAZELA.) Nataony sorona avy eo ilay vantotr’ombilahy ho fanatitra noho ny otan’ny tenany sy ny an’ny fokony, izany hoe ny fokon’i Levy manontolo. (Le 16:6, 11) Naka emboka manitra sy fitondrana afo feno vainafo avy teo amin’ny alitara izy, ary niditra tao amin’ny Masina Indrindra tao ambadiky ny ridao. Tao amin’io efitra anatiny indrindra io ny Vata misy ny tenin’ny vavolombelona. Nodorana tao ilay emboka manitra, ka rakotry ny setrok’ilay emboka ny saron’ilay Vata (nisy kerobima volamena roa teo ambonin’ilay sarony volamena). (Le 16:12, 13; Ek 25:17-22) Midika izany fa nahazo niditra indray tao amin’ny Masina Indrindra i Arona tamin’iny andro iny.
-
-
Andro Fandrakofam-pahotanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nataon’i Arona sorona ilay omby ho fanatitra noho ny otan’ny mpisorona sy ny an’ny fokon’i Levy manontolo. Nafafiny tao amin’ny Masina Indrindra avy eo ny ran’ilay omby. (Le 16:11, 14) Rehefa avy nanolotra ny ainy ho sorona sy niseho teo anatrehan’Andriamanitra tany an-danitra koa i Kristy, dia afaka mandray soa amin’ilay vidim-panavotana ireo ho mpisorona sy mpanjaka hiaraka aminy. (Ap 14:1-4; 20:6) Natao sorona ilay osy ho an’i Jehovah ary nafafy teo anoloan’ny Vata tao amin’ny Masina Indrindra ny rany, mba handrakofana ny fahotan’ireo foko tsy mpisorona. (Le 16:15) Mandray soa amin’ny soron’i Jesosy Kristy koa na dia ireo tsy ho mpisorona hiaraka aminy aza. Osy roa no nilaina fahiny, satria ny iray natao sorona ary ny iray nalefa hitondra ny fahotan’ny Israely. Ireo osy roa ireo miaraka anefa no nantsoina hoe fanatitra noho ny ota (Le 16:5), mandra-pahita tamin’ny antsapaka izay hanaovana azy. Natao sorona koa i Jesosy Kristy sady nitondra ny fahotan’ny olombelona.
-
-
AzazelaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ireo osy roa ireo miaraka no nantsoina hoe fanatitra noho ny ota. (Le 16:5) Biby roa no nampiasaina mba hanasongadinana angamba fa tena nandrakotra ny fahotan’ilay vahoaka Andriamanitra. Natao sorona ilay osy voalohany. Ilay faharoa kosa nalefa hitondra ny fahotan’ny vahoaka tany an-tany efitra, mba hanamafisana fa tena mamela ny helok’izay mibebaka i Jehovah. Hoy tokoa ny Salamo 103:12: “Fa toy ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana, no anesorany ny fahotantsika ho lavitra antsika.”
-