Toko 15
“Iza no Mendrika Hanokatra ny Horonam-boky?”
1. Inona izao no mitranga ao amin’ny fahitan’i Jaona?
LEHIBE SY MAHATALANJONA tokoa ilay fahitana mahagaga momba ny seza fiandrianan’i Jehovah! Manodidina azy io ireo jiro, kerobima sy anti-panahy 24, ary ilay ranomasina tahaka ny fitaratra. Inona anefa izao, ry Jaona, no hitanao? Mibanjina ny eo afovoan’izany rehetra izany i Jaona, ary miteny hoe: “Ary hitako fa nisy horonam-boky voasoratra ambadika sy ambadika sady voahidy mafy tamin’ny tombo-kase fito, teo an-tanana havanan’Ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana. Ary hitako fa nisy anjely mahery niantsoantso mafy hoe: ‘Iza no mendrika hanokatra ny horonam-boky ka hamaha ny tombo-kaseny?’ Fa tsy nisy na iray aza tany an-danitra na teto an-tany na tany ambanin’ny tany afaka nanokatra ilay horonam-boky na nijery ny tao anatiny. Koa nitomany mafy aho satria tsy hita izay mendrika hanokatra ilay horonam-boky na hijery ny ao anatiny.”—Apokalypsy 5:1-4.
2, 3. a) Nahoana i Jaona no niandry mafy izay olona hanokatra ilay horonam-boky, nefa inona no toa zava-nisy tamin’izay? b) Inona koa no nandrasan’ireo voahosotr’Andriamanitra ankehitriny?
2 I Jehovah, Tompo Fara Tampon’ny zavaboary rehetra mihitsy no mihazona ilay horonam-boky. Tsy maintsy misy fanazavana betsaka ao anatin’izy io, satria misy soratra ao ambadika sy ambadika. Mahaliana antsika izany. Inona tokoa no ao anatin’ilay horonam-boky? Tsaroantsika ny fanasan’i Jehovah an’i Jaona hoe: “Miakara atỳ, dia hasehoko anao izay zavatra tsy maintsy hitranga.” (Apokalypsy 4:1) Liana erỳ isika hianatra momba izany zavatra izany. Mihidy mafy anefa ilay horonam-boky sady misy tombo-kase fito!
3 Hahita olona mendrika hanokatra ilay horonam-boky ve ilay anjely matanjaka? Milaza ilay andininy fa ‘eo an-tanana havanan’i’ Jehovah ilay horonam-boky. Toa midika izany fa manokatra ny tanany i Jehovah sady manolotra ilay horonana. Toa tsy nisy olona mendrika ny handray sy hanokatra azy io anefa tany an-danitra na tetỳ an-tany. Na dia tany ambanin’ny tany, teo amin’ireo mpanompon’Andriamanitra maty nahatoky aza, dia tsy nisy mendrika handray izany voninahitra lehibe izany. Tsy mahagaga raha nalahelo i Jaona! Mety tsy hahalala ireo “zavatra tsy maintsy hitranga” mantsy izy. Niandry mafy ny handefasan’i Jehovah ny fahazavany sy ny fahamarinany momba ny Apokalypsy koa ireo voahosotr’Andriamanitra ankehitriny. Hataon’i Jehovah tsikelikely izany, amin’ny fotoana voatondro hahatanterahan’ireo faminaniana, mba hitarihana ny vahoakany amin’ny lalan’ny “famonjena” lehibe.—Salamo 43:3, 5.
Ilay mendrika
4. a) Iza no hita ho mendrika hanokatra ilay horonam-boky sy ny tombo-kaseny? b) Inona no valisoa sy tombontsoa azon’ireo voahosotra toa an’i Jaona sy ny namany ankehitriny?
4 Misy olona afaka hanokatra ilay horonam-boky tokoa! Hoy i Jaona: “Fa hoy ny iray tamin’ny anti-panahy tamiko: ‘Aza mitomany intsony. Indro, ny Liona avy amin’ny fokon’i Joda, ny fakan’i Davida, dia efa nandresy ka ho afaka hanokatra ilay horonam-boky sy ny tombo-kaseny fito.’ ” (Apokalypsy 5:5) Fafao àry ny ranomasonao, ry Jaona! Niaritra fanenjehana mafy nandritra ny am-polony taona koa ireo voahosotra toa an’i Jaona sy ny namany ankehitriny, teo am-piandrasana fahazavana. Mampahery ny valisoa azontsika, satria takatsika ny dikan’ilay fahitana. Tombontsoa koa ny miresaka ny fahatanterahan’izy io amin’ny olona!
5. a) Inona no faminaniana nolazaina momba an’i Joda, ary taiza no nanjaka ny taranany? b) Iza ilay Silo?
5 “Liona avy amin’ny fokon’i Joda” hoe? Fantatr’i Jaona tsara ilay faminaniana notononin’i Jakoba razamben’ny Jiosy, momba an’i Joda zanany fahefatra hoe: “Zana-diona, Joda, avy niremby hianao, anaka; mamitsaka, mandry toy ny liona izy, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy! Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan’ny tongony, Mandra-pahatongan’i Silo, ka hanoa Azy ny firenena.” (Genesisy 49:9, 10) Avy amin’i Joda ny tarana-mpanjakan’ny vahoakan’Andriamanitra. Taranak’i Joda daholo ireo mpanjaka rehetra tany Jerosalema, nanomboka tamin’ny andron’i Davida ka hatramin’ny nandravan’ny Babylonianina an’ilay tanàna. Tsy tamin’izy ireo anefa ilay Silo nolazain’i Jakoba. Ny hoe Silo dia midika hoe “Ilay Manana [ny Zo].” Manondro an’i Jesosy io anarana ara-paminaniana io, satria izy no tena tompon’ny Fanjakan’i Davida.—Ezekiela 21:30-32; Lioka 1:32, 33; Apokalypsy 19:16.
6. Nahoana i Jesosy no antsoina hoe ‘tsimoka’ avy amin’i Jese, sady “fakan’i Davida”?
6 Fantatr’i Jaona avy hatrany ny tiana holazaina tamin’ny hoe “fakan’i Davida.” Sady miantso an’ilay Mesia hoe “mitsimoka eo amin’ny fototr’i Jese”, rain’i Davida ny faminaniana, no miantso azy hoe “Solofon’i [na fakan’i] Jese, izay hitsangana ho fanevan’ny firenena.” (Isaia 11:1, 10) Tsimoka avy amin’ny fototr’i Jese i Jesosy, satria teraka tao amin’ny tarana-mpanjaka nisy an’i Davida, zanak’i Jese. Fakan’i Jese koa anefa izy, satria izy no nahatonga ny taranak’i Davida hitsimoka indray, ka nanome aina sy hery azy io mandrakizay.—2 Samoela 7:16.
7. Nahoana i Jesosy no mendrika handray ilay horonam-boky avy eny an-tanan’Ilay mipetraka eo ambony seza fiandrianana?
7 I Jesosy, olombelona lavorary, no tena tsy nivadika mihitsy tamin’i Jehovah tao anatin’ny fitsapana mahamay. Nanome porofo tsy azo lavina izy fa diso ny fiampangan’i Satana. (Ohabolana 27:11) Afaka niteny àry izy, ny alina talohan’ny nahafatesany, hoe: “Izaho efa naharesy an’izao tontolo izao.” (Jaona 16:33) Izany no antony nanomezan’i Jehovah “ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany” an’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty. Izy ihany no mpanompon’Andriamanitra mahafeno fepetra handray ilay horonam-boky, mba hampahafantarana ny hafatra lehibe ao anatiny.—Matio 28:18.
8. a) Nahoana i Jesosy no mendrika hanokatra ilay horonam-boky, rehefa jerena izay nataony mifandray amin’ilay Fanjakana? b) Nahoana no mety raha ny iray amin’ireo anti-panahy 24 no mampahafantatra an’i Jaona hoe iza no mendrika hanokatra ilay horonam-boky?
8 Mety àry, raha i Jesosy no manokatra ilay horonam-boky. Lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’ny Mesian’Andriamanitra izy nanomboka tamin’ny 1914, ary miresaka betsaka momba ilay Fanjakana sy ny zavatra hataon’izy io ilay horonam-boky. Nanambara tamim-pahatokiana ny marina momba ilay Fanjakana i Jesosy tetỳ an-tany. (Jaona 18:36, 37) Nampianariny hivavaka mba hahatongavan’io Fanjakana io ny mpianany. (Matio 6:9, 10) Nanomboka ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana izy, tamin’ny fiandohan’ny andro kristianina, ary naminany fa handroso be izany amin’ny andro farany. (Matio 4:23; Marka 13:10) Mety koa àry raha mampahafantatra amin’i Jaona ny iray amin’ireo anti-panahy 24 fa i Jesosy no hamaha ireo tombo-kase. Nahoana? Satria mipetraka eo ambony seza fiandrianana ireo anti-panahy, ary manao satroboninahitra, izany hoe mpiara-mandova ilay Fanjakana amin’i Kristy.—Romanina 8:17; Apokalypsy 4:4.
‘Ilay zanak’ondry novonoina ho faty’
9. Tsy liona no hitan’i Jaona nitsangana teo “akaikin’ny seza fiandrianana”, fa inona kosa, ary inona no nolazainy momba azy io?
9 Niezaka nijery an’ilay “Liona avy amin’ny fokon’i Joda” i Jaona. Gaga anefa izy, satria endrika hafa tanteraka no hitany! Hoy izy: “Ary hitako fa nisy zanak’ondry nijoro teo akaikin’ny seza fiandrianana sy teo afovoan’ny zavamananaina efatra sy ny anti-panahy. Toy ny efa novonoina ho faty ilay zanak’ondry, izay manana tandroka fito sy maso fito. Tsy inona ireo maso ireo fa ny fanahy fiton’Andriamanitra irahina maneran-tany.”—Apokalypsy 5:6.
10. Iza ilay “zanak’ondry” hitan’i Jaona, ary nahoana no mety izany anarana izany?
10 Eo afovoany mihitsy no misy an’ilay zanak’ondry, izany hoe eo akaikin’ilay seza fiandrianana, eo afovoan’ireo zavamananaina efatra sy ireo anti-panahy 24! Tonga dia fantatr’i Jaona fa io zanak’ondry io ilay “Liona avy amin’ny fokon’i Joda”, sy “fakan’i Davida.” Fantany fa nolazain’i Jaona Mpanao Batisa hoe “Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” i Jesosy, 60 taona talohan’io. (Jaona 1:29) Toy ny zanak’ondry tsy misy tsiny tokoa i Jesosy, satria tsy voapentimpentin’izao tontolo izao mihitsy nandritra ny fiainany teto an-tany, ka afaka nanolotra ny ainy lavorary ho sorona ho an’ny olombelona.—1 Korintianina 5:7; Hebreo 7:26.
11. Nahoana no tsy manambany ny firesahana an’i Jesosy nomem-boninahitra hoe “zanak’ondry”, izay “toy ny efa novonoina ho faty”?
11 Manambany na tsy mendrika ve ny miresaka an’i Jesosy nomem-boninahitra hoe “zanak’ondry”, izay “toy ny efa novonoina ho faty”? Tsy izany mihitsy! Tena resy i Satana, satria tsy nivadika hatramin’ny fahafatesana i Jesosy, ary tena nandresy i Jehovah Andriamanitra! Ny firesahana an’i Jesosy hoe “toy ny efa novonoina ho faty” àry dia manasongadina fa resiny ny tontolon’i Satana. Mampahatsiahy antsika koa izany fa tena tia antsika olombelona i Jehovah sy Jesosy. (Jaona 3:16; 15:13; ampitahao amin’ny Kolosianina 2:15.) I Jesosy tokoa no Taranaka nampanantenaina, ka tena mahafeno fepetra hanokatra ilay horonam-boky.—Genesisy 3:15.
12. Manondro inona ireo tandroka fiton’ilay zanak’ondry?
12 Inona koa no mampiavaka ilay “zanak’ondry”, ka manampy antsika hankasitraka azy? Manana tandroka fito izy. Manondro hery na fahefana matetika ny tandroka ao amin’ny Baiboly, ary midika ho fahafenoana ny isa fito. (Ampitahao amin’ny 1 Samoela 2:1, 10; Salamo 112:9; 148:14.) Ny tandroka fiton’ilay zanak’ondry àry dia manondro fahafenoan’ny hery nomen’i Jehovah an’i Jesosy. Izy dia “ambony lavitra noho izay rehetra mety ho fanjakana sy fahefana sy hery sy fitondrana ary ny anarana rehetra nomena, tsy eto amin’ity tontolo ity ihany, fa amin’ilay ho avy koa.” (Efesianina 1:20-23; 1 Petera 3:22) Nanomboka tamin’ny 1914 no tena nampiasa ny heriny, na ny fahefany, i Jesosy, rehefa notendren’i Jehovah ho Mpanjaka tany an-danitra.—Salamo 2:6.
13. a) Manondro inona ireo maso fiton’ilay Zanak’ondry? b) Inona no nataon’ilay Zanak’ondry?
13 Feno ny fanahy masina koa i Jesosy, araka ny tondroin’ny maso fiton’ilay Zanak’ondry, izay tsy inona fa ny “fanahy fiton’Andriamanitra.” Amin’ny alalan’i Jesosy no anomezan’i Jehovah ny fanahiny ho an’ny mpanompony eto an-tany. (Titosy 3:6) Amin’ny alalan’io hery ampiasain’Andriamanitra io koa no ahitan’i Jesosy ny zava-mitranga eto an-tany, na dia any an-danitra aza izy. Tonga lafatra toy ny an’ny Rainy ny fahaiza-manavaka ananany, ary tsy misy zavatra tsy voamariny. (Ampitahao amin’ny Salamo 11:4; Zakaria 4:10.) Tena mendrika ny handray ilay horonam-boky avy eny an-tanan’i Jehovah ilay Zanaka, izany hoe ilay tsy nivadika fa nandresy an’izao tontolo izao, ilay Liona avy amin’ny fokon’i Joda, ilay fakan’i Davida, ilay nanome ny ainy ho an’ny olombelona, ilay manana ny fahefana rehetra, sady feno ny fanahy masina, ary manana fahaiza-manavaka tonga lafatra avy amin’i Jehovah Andriamanitra. Nisalasala ve izy hanaiky io tombontsoam-panompoana eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah io? Tsia! “Avy hatrany dia naka ilay horonam-boky teny an-tanana havanan’Ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana” izy. (Apokalypsy 5:7) Ohatra tsara momba ny fanekena an-tsitrapo izany!
Hira fiderana
14. a) Ahoana no fihetsik’ireo zavamananaina efatra sy ireo anti-panahy 24, rehefa noraisin’i Jesosy ilay horonam-boky? b) Nahoana ny fanazavana voarain’i Jaona momba ireo anti-panahy 24 no manamarina hoe iza izy ireo ary inona no asany?
14 Ahoana no fihetsik’ireo mpanatrika hafa teo anatrehan’ny seza fiandrianan’i Jehovah? “Ary rehefa noraisin’ny Zanak’ondry ilay horonam-boky, dia niankohoka teo anatrehany ny zavamananaina efatra sy ny anti-panahy efatra amby roapolo, izay samy nanana harpa sy vilia volamena feno emboka manitra. Ary tsy inona ilay emboka manitra fa ny vavaka ataon’ny olona masina.” (Apokalypsy 5:8) Niondrika teo amin’i Jesosy koa ireo anti-panahy 24, toy ireo kerobima efatra teo anatrehan’ny seza fiandrianana, mba hampisehoana fa ekeny ny fahefan’i Jesosy. Ireo anti-panahy ireo ihany anefa no manana harpa sy vilia fasiana emboka manitra.a Izy ireo ihany koa no manao hira vaovao. (Apokalypsy 5:9) Tsy iza àry izy ireo fa ny 144 000 anisan’ny “Israelin’Andriamanitra” masina, izay mitondra harpa sy manao hira vaovao koa. (Galatianina 6:16; Kolosianina 1:12; Apokalypsy 7:3-8; 14:1-4) Resahina koa fa manao ny asan’ny mpisorona any an-danitra ireo anti-panahy 24. Mifanitsy amin’ireo mpisorona tany Israely fahiny, izay nandoro emboka manitra ho an’i Jehovah tao amin’ny tranolay, izy ireo. Tsy natao teto an-tany intsony izany asa izany, rehefa nesorin’Andriamanitra ny Lalàn’i Mosesy, ka nofantsihany teo amin’ny hazo fijalian’i Jesosy. (Kolosianina 2:14) Inona no fanatsoahan-kevitsika momba izany? Midika izany fa ny asan’ireo voahosotra mpandresy amin’ny farany dia ho ‘mpisoron’Andriamanitra sy Kristy, ka hiara-manjaka aminy arivo taona.’—Apokalypsy 20:6.
15. a) Iza ihany teo amin’ny Israely no afaka niditra tao amin’ny Masina Indrindra tao amin’ny tranolay? b) Nahoana ny mpisoronabe no tsy maintsy nandoro emboka manitra vao niditra tao amin’ny Masina Indrindra?
15 Ny mpisoronabe ihany teo amin’ny Israely fahiny no nahazo niditra tao amin’ny Masina Indrindra, teo anatrehan’i Jehovah. Tsy maintsy nitondra emboka manitra izy, raha tsy te ho faty. Hoy ny lalàn’i Jehovah: “Haka vain’afo eran’ny fitondran-afo avy amin’ny alitara eo anatrehan’i Jehovah [i Arona], ary ditin-kazo mani-pofona voatorotoro madinika eran-tanan-droa, ka ho entiny miditra ao anatin’ny efitra lamba. Ary hataony eo amin’ny afo eo anatrehan’i Jehovah ny ditin-kazo, ka hosaronan’ny setroky ny ditin-kazo ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo ambonin’ny Vavolombelona, mba tsy hahafaty azy.” (Levitikosy 16:12, 13) Tsy afaka niditra tao amin’ny Masina Indrindra ny mpisoronabe, raha tsy nandoro emboka manitra.
16. a) Iza no miditra ao amin’ilay Masina Indrindra, ao amin’ilay tempoly ara-panahy? b) Nahoana no tsy maintsy ‘mandoro emboka manitra’ ny Kristianina voahosotra?
16 Ao amin’ilay tempoly ara-panahy kosa, dia tsy i Jesosy Kristy Mpisoronabe ihany no miditra ao amin’ilay Masina Indrindra, na ny toerana misy an’i Jehovah any an-danitra, fa ireo mpisorona lefitra 144 000 koa. (Hebreo 10:19-23) Tsy tafiditra ao amin’io Masina Indrindra io ireo mpisorona, na anti-panahy 24 ireo, raha tsy ‘mandoro emboka manitra’, izany hoe manolotra vavaka sy fitalahoana amin’i Jehovah mandrakariva.—Hebreo 5:7; Joda 20, 21; ampitahao amin’ny Salamo 141:2.
Hira vaovao
17. a) Inona ilay hira vaovao hirain’ireo anti-panahy 24? b) Ahoana matetika no ampiasan’ny Baiboly ilay teny hoe “hira vaovao”?
17 Misy hira mahafinaritra manakoako izao. Hira ho an’ilay zanak’ondry izy io, ary ataon’ireo mpisorona namany, izany hoe ireo anti-panahy 24. “Ary nihira hira vaovao izy ireo, nanao hoe: ‘Mendrika handray ny horonam-boky sy hamaha ny tombo-kaseny ianao, satria efa novonoina ho faty, ary ny ranao no nividiananao ho an’Andriamanitra, olona avy tamin’ny foko sy fiteny sy vahoaka ary firenena rehetra.’ ” (Apokalypsy 5:9) Miseho imbetsaka ao amin’ny Baiboly ilay teny hoe “hira vaovao.” Matetika izany no manondro fiderana an’i Jehovah noho ny asa famonjena lehibe nataony. (Salamo 96:1; 98:1; 144:9) Nahoana no lazaina fa vaovao ilay hira? Satria ny asa lehibe vao nataon’i Jehovah no ambaran’ireo mpihira, ary havaozin’izy ireo sy averiny indray ny fankasitrahany ny Anarany be voninahitra.
18. Inona no antony ideran’ireo anti-panahy 24 an’i Jesosy amin’ny hira vaovao?
18 Ho an’i Jesosy ilay hira vaovao ataon’ireo anti-panahy 24 eto, fa tsy ho an’i Jehovah. Hira fiderana koa anefa ilay izy. Midera an’i Jesosy izy ireo, noho ireo zava-baovao nataon’ilay Zanak’Andriamanitra ho azy ireo. Izy no mpanelanelana tamin’ilay fifanekena vaovao niorina tamin’ny rany, ka nanjary nisy firenena iray vaovao lasa fananan’i Jehovah manokana. (Romanina 2:28, 29; 1 Korintianina 11:25; Hebreo 7:18-25) Avy amin’ny firenena maro ireo anisan’io firenena ara-panahy io, nefa natambatr’i Jesosy ho fiangonana iray sy firenena iray.—Isaia 26:2; 1 Petera 2:9, 10.
19. a) Inona no fitahiana tsy azon’ny Israely fahiny, noho ny tsy fahatokiany? b) Inona no fitahiana azon’ilay firenena vaovaon’i Jehovah?
19 Nanao fifanekena tamin’ny Israelita i Jehovah, rehefa nanao azy ireo ho firenena, tamin’ny andron’i Mosesy. Nampanantena azy ireo izy fa ho lasa fanjakana sy mpisorona eo anatrehany izy ireo, raha manaraka io fifanekena io foana. (Eksodosy 19:5, 6) Tsy nahatoky ny Israelita, ka tsy nahita ny fahatanterahan’io fampanantenana io mihitsy. Nahatoky foana kosa ilay firenena ara-panahy nanaovana fifanekena vaovao tamin’ny alalan’i Jesosy. Hanjaka amin’ny tany ireo anisan’izy io, sady ho mpisorona hanampy ny olona tso-po hihavana amin’i Jehovah indray. (Kolosianina 1:20) Izany indrindra no lazain’ilay hira vaovao hoe: “Ary nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika ireo, ka ho mpanjaka hitondra ny tany.” (Apokalypsy 5:10) Faly tokoa ireo anti-panahy 24 mihira ilay hira vaovao ho fiderana an’i Jesosy nomem-boninahitra!
Mpihira any an-danitra
20. Inona ilay hira iderana ny Zanak’ondry?
20 Ahoana no fihetsik’ireo anjely maro be anisan’ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra, rehefa nandre ilay hira vaovao? Gaga i Jaona, rehefa nahita fa nitovy hevitra tamin’ireo anti-panahy 24 izy ireo: “Ary nahita aho, ary reko ny feon’ny anjely maro manodidina an’ilay seza fiandrianana sy ny zavamananaina ary ny anti-panahy. Ary niisa alinalina sy arivoarivo izy ireo, nanao tamin’ny feo mafy hoe: ‘Mendrika handray fahefana sy harena sy fahendrena sy hery sy haja sy voninahitra ary fisaorana ny Zanak’ondry, izay efa novonoina ho faty.’ ” (Apokalypsy 5:11, 12) Hira fiderana mampihetsi-po tokoa izany!
21. Mampihen-danja ny zon’i Jehovah hitondra na ny toerany ve ny fiderana ny Zanak’ondry? Hazavao.
21 Midika ve izany fa nisolo an’i Jehovah Andriamanitra i Jesosy, ka nanjary nidera azy ny zavaboary rehetra, fa tsy nidera ny Rainy? Tsy izany mihitsy! Mifanaraka amin’izao tenin’ny apostoly Paoly izao, ilay hira fiderana: “Izany indrindra koa no antony nanandratan’Andriamanitra azy [Jesosy] ho amin’ny toerana ambony kokoa sy ny nanomezany azy tamin-katsaram-panahy anarana ambony noho ny hafa rehetra, mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalik’izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany ary any ambanin’ny tany, sy haneken’ny lela rehetra an-karihary fa i Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray.” (Filipianina 2:9-11) Deraina i Jesosy eto, noho ny anjarany tamin’ny fandaminana ilay raharaha lehibe teo anatrehan’ny zavaboary rehetra, dia ny fanamarinana ny zon’i Jehovah hitondra. Tena nanome voninahitra an’ilay Rainy izany!
Fiderana manetriketrika
22. Inona ilay hira ataon’ny zavaboary etỳ an-tany koa?
22 Voalazan’i Jaona fa mihira fiderana an’i Jesosy ireo zavaboary maro be any an-danitra, ka milaza ny fahatokiany sy manaiky ny fahefany any an-danitra. Miara-manandra-peo amin’izy ireo koa ny zavaboary etỳ an-tany, ka sady midera ilay Ray no midera ilay Zanaka. Manome voninahitra ny ray aman-dreny ny zava-bitan’ny zanaka. Fantatry ny zavaboary rehetra koa àry ny tsy fivadihan’i Jesosy Zanaka, ka manome ‘voninahitra an’Andriamanitra Ray’ izany. Izany no nahatonga an’i Jaona hiteny hoe: “Ary ny zavaboary rehetra tany an-danitra sy teto an-tany sy tany ambanin’ny tany ary tany an-dranomasina, sy ny zava-drehetra tao aminy, dia reko nilaza hoe: ‘Ho an’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana sy ho an’ny Zanak’ondry anie ny fisaorana sy ny haja sy ny voninahitra ary ny hery mandrakizay mandrakizay!’ ”—Apokalypsy 5:13.
23, 24. a) Oviana no nanomboka ilay hira tany an-danitra, ary oviana ny teto an-tany? b) Ahoana no itomboan’ny hamafin’ilay hira, arakaraka ny fandehan’ny fotoana?
23 Oviana no nanomboka io fiderana mahafinaritra io? Tamin’ny fiandohan’ny andron’ny Tompo. Afaka niaraka nanao io hira fiderana io ny “zavaboary rehetra tany an-danitra”, rehefa voaroaka tany i Satana sy ny demoniany. Asehon’ny tantara koa fa nihamaro hatrany ny olona teto an-tany nanandratra ny feony hiderana an’i Jehovah, nanomboka tamin’ny 1919. An’arivony vitsivitsy izy ireo tamin’ny voalohany, nefa nihoatra ny enina tapitrisa tamin’ny 2005.b Hihira fiderana an’i Jehovah sy ny Zanany daholo ny ‘zavaboary rehetra eto an-tany’, rehefa rava ny tontolon’i Satana. Hatsangana ireo maty an-tapitrisany, amin’ny fotoana voatondron’i Jehovah, ka ho afaka hiaraka hanao ilay hira koa ny ‘zavaboary rehetra any ambanin’ny tany.’
24 Efa an-tapitrisany izao ny olona manao hira vaovao miaraka amin’ny fandaminan’i Jehovah eran-tany, “any amin’ny ranomasina sy ny ... nosy ... hatramin’ny faran’ny tany.” (Isaia 42:10; Salamo 150:1-6) Hihamafy hatrany io fiderana falifaly io, amin’ny faran’ny Arivo Taona, rehefa ho lavorary ny olombelona. Horinganina amin’izay ilay menarana tany am-boalohany, dia i Satana mpamitaka raindahiny. Ho tanteraka amin’ny fomba feno àry ny Genesisy 3:15, sady hisy fiafarana mahatalanjona, satria hiara-mihira toy izao ny zavaboary velona rehetra, na anjely na olona: “Ho an’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana sy ho an’ny Zanak’ondry anie ny fisaorana sy ny haja sy ny voninahitra ary ny hery mandrakizay mandrakizay!” Tsy hisy feo tsy hanaraka izany, eran’izao rehetra izao.
25. a) Manosika antsika hanao inona ny fitantaran’i Jaona momba ilay hira eran’izao rehetra izao? b) Inona no ohatra miavaka omen’ireo zavamananaina efatra sy ireo anti-panahy 24 antsika, eo am-pifaranan’ilay fahitana?
25 Hahafaly tokoa izany fotoana izany! Tena mahafaly ny fontsika ny zavatra lazain’i Jaona eo, sady manosika antsika hiaraka amin’ireo zavaboary any an-danitra, mba hanao hira fiderana avy amin’ny fo, ho an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy. Tapa-kevitra kokoa ve isika izao ny hiaritra sy hanao asa tsara? Raha manao izany isika tsirairay, dia afaka manantena fa hahita ilay fiafarana miavaka, noho ny fanampian’i Jehovah. Hanandra-peo isika amin’izay, ka hiaraka amin’ireo mpihira fiderana eran’izao rehetra izao. Miray saina tokoa ireo zavamananaina efatra sy ny Kristianina voahosotra. Izao mantsy no teny farany tao amin’ilay fahitana: “Ary hoy ihany ireo zavamananaina efatra: ‘Amena!’ Dia niankohoka sy nivavaka ny anti-panahy.”—Apokalypsy 5:14.
26. Inona no tokony hanehoantsika finoana, ary miomana hanao inona izao ilay Zanak’ondry?
26 Enga anie ianao, ry mpamaky malala, ka haneho finoana ny soron’ilay Zanak’ondry, dia ‘ilay mendrika.’ Enga anie hotahina ny ezaka ataonao amim-panetren-tena mba hanompoana sy hivavahana amin’i Jehovah, “Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana.” Ekeo ny fanampian’ireo voahosotra toa an’i Jaona, izay manome ‘sakafo [ara-panahy] amin’ny fotoana mety.’ (Lioka 12:42) Fa jereo ange! Miomana hamaha ireo tombo-kase ilay Zanak’ondry. Inona izao no zava-baovao miandry antsika?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha ny fitsipi-pitenenana fotsiny no jerena, dia mety hanondro an’ireo anti-panahy sady hanondro an’ireo zavamananaina efatra ilay hoe “samy nanana harpa sy vilia volamena feno emboka manitra.” Mazava avy amin’ny teny manodidina anefa fa ireo anti-panahy 24 ihany no resahina eo.
b Jereo ny tabilao eo amin’ny pejy 64.
[Sary, pejy 86]