Famonjena ny aina amin’ny alalan’ny ra — Amin’ny fomba ahoana?
“Fidio ny fiainana (...) amin’ny fihainoana ny feo [ny an’Andriamanitra] (...) satria izy no ainao sy fahamaroan’ny andronao.” — DEOTERONOMIA 30:19, 20, NW.
1. Amin’ny ahoana ny kristiana marina no miavaka eo amin’ny fanajany ny aina?
MILAZA ny olona maro fa manaja ny aina izy ireo, amin’ny fanomezana ho porofo ny fiheverany ny amin’ny fanamelohana ho faty, ny fanalana zaza, na ny fihazana. Kanefa, misy fomba manokana iray anehoan’ny kristiana marina fanajana ny aina. Hoy ny Salamo 36:9: “Fa ao aminao [Andriamanitra] no misy loharanon’aina”. Noho ny aina fanomezana avy amin’Andriamanitra, Dia arahin’ny kristiana ny fomba fijeriny ny ra izay toeran’ny aina.
2, 3. Nahoana isika no tokony hanisy fiheverana an’Andriamanitra raha ny amin’ny ra? (Asan’ny apostoly 17:25, 28)
2 Ny fiainantsika dia miankina amin’ny ra izay mitondra ôksizenina manerana ny vatantsika, manaisotra ny roanôksida-na karbônina, mamela antsika hahazaka ireo fiovaovana eo amin’ny maripana, ary manampy antsika hiady amin’ny aretina. Ilay nanome antsika ny fiainana dia nanao sy nanome koa ilay ranon-javatra mirakitra fitambaran-tsela mahatalanjona sy mitana ny aina antsoina hoe ra. Izany dia manome taratry ny fiahiany hatrany ny hitsimbina ny ain’olombelona. — Genesisy 45:5; Deoteronomia 28:66; 30:15, 16.
3 Ny kristiana sy ny olona amin’ny ankapobeny dia tokony hanontany tena hoe: ‘Afaka mamonjy ny aiko ve ny ra amin’ny fiasany voajanahary fotsiny, sa ny ra afaka mamonjy ny aina amin’ny fomba lalina kokoa?’ Raha manaiky ny fisian’ny fifandraisana eo amin’ny aina sy ny fiasan’ny ra ara-dalàna ny ankamaroan’ny olona, raha ny marina, dia misy zavatra betsaka lavitra tafiditra. Ireo lalàna ara-pitondrantena mifehy ny kristiana, ny miozilimanina, ary ny Jiosy dia mifantoka avokoa amin’ny Mpanome fiainana iray izay nilaza ny heviny ny amin’ny aina sy ny ra. Eny, manan-javatra hambara betsaka ny amin’ny ra ny Mpamorona antsika.
Ny hevitra tsy miova tanan’Andriamanitra mikasika ny ra
4. Vao tany am-piandohan’ny tantaran’olombelona, dia inona no nolazain’Andriamanitra ny amin’ny ra?
4 Voatonona maherin’ny in-400 ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, ny ra. Anisan’ireo voalohany indrindra ilay didin’i Jehovah hoe: “Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo (...) kanefa ny nofo izay mbola misy aina (dia ny rany) no aza haninareo.” Dia nanampy teny toy izao izy: “Fa ny ranareo kosa dia hadiniko”. (Genesisy 9:3-5) Nilaza izany i Jehovah tamin’i Noa, ilay razamben’ny fianakavian’olombelona. Noho izany, ny taranak’olombelona iray manontolo dia nampahafantarina fa mihevitra ny ra ho fitoeran’ny aina ny Mpamorona. Izay rehetra milaza fa manaiky an’Andriamanitra ho Mpanome ny aina dia tokony hanaiky fa mitana toerana hentitra Izy ny amin’ny fampiasana ny ra itoeran’ny aina.
5. Inona no antony lehibe indrindra nahatonga ny Isitaelita tsy hihinan-dra?
5 Nanonona indray ny ra Andriamanitra rehefa nanome ny Lalàny ny Isiraely. Araka ny fandikanteny jiosy Tanakh, dia toy izao no amakiana ny Levitikosy 17:10, 11: “Raha misy eo amin’ny ankohonan’ny Isiraely na vahiny mipetraka eo aminy mihinana izay rehetra mety ho ra, dia hanandrina ny tavako amin’izay olona mihinana ra Aho, ary hamongotra azy tsy ho eo amin’ny havany. Fa ny ain’ny nofo dia so amin’ny ra.” Nety ho nitondra soa ara-pahasalamana io lalàna io, kanefa dia zavatra be lavitra no tafiditra tamin’izany. Tamin’ny fiheverana ny ra ho toy ny zavatra manokana, ireo Isiraelita dia voatery nampiseho ny fiankinany tamin’Andriamanitra raha ny amin’ny aina. (Deoteronomia 30:19, 20) Eny, ny antony lehibe indrindra nahavoatery azy ireo hifady ny fihinanana ra dia, tsy hoe satria mety tsy hahasalama izany, fa satria nanana heviny manokana ho an’Andriamanitra ny ra.
6. Nahoana isika no afaka mahazo antoka fa notohanan’i Jesosy ny toerana tanan’Andriamanitra mikasika ny ra?
6 Aiza ho aiza ny toeran’ny kristianisma raha ny amin’ny famonjena ain’olona amin’ny ra? Fantatr’i Jesosy izay nolazain’ny Rainy ny amin’ny fampiasana ny ra. I Jesosy dia “tsy nanota akory sady tsy nisy fitaka teo am-bavany”. Midika izany fa nitandrina ny Lalàna tamin’ny fomba tanteraka izy, anisan’izany ny lalàna momba ny ra. (1 Petera 2:22) Tamin’izany izy dia namela modely ho an’ireo mpanara-dia azy, anisan’izany ny modelim-panajana ny aina sy ny ra.
7, 8. Tamin’ny ahoana no nanjary nazava fa ny lalàn’Andriamanitra momba ny ra dia mihatra amin ny kristiana?
7 Asehon’ny Tantara amintsika izay nitranga tatỳ aoriana rehefa nanapa-kevitra ny kaonsilin’ny Kolejy foibe kristiana raha tsy maintsy mitandrina ireo lalan’ny Isiraely rehetra ny kristiana na tsia. Teo ambanin’ny fitarihan’Andriamanitra, dia nilaza izy ireo fa tsy voatery hitandrina ny Lalàn’i Mosesy ny kristiana, kanefa “tsy maintsy hotandremana” ny ‘hifadiana ny hena aterina amin’ny sampy sy ny ra sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana”. (Asan’ny apostoly 15:22-29) Nataon’izy ireo nazava tamin’izay fa ny fifadiana ny ra dia zavadehibe ara-pitondrantena toy ny fifadiana ny fanompoan-tsampy sy ny fahalotoam-pitondrantena lehibe.a
8 Nanohana izany fandraran’Andriamanitra izany ireo kristiana voalohany. Rehefa nanazava ny amin’izany ny manam-pahaizana manokana britanika atao hoe Joseph Benson dia nilaza hoe: “Io fandrarana ny fihinanana ny ra io izay nomena an’i Noa sy ny taranany ary naverina tamin’ireo Isiraelita (...) dia mbola tsy nofoanana mihitsy, fa, mifanohitra amin’izany, nohamafisina kosa so amin’ny Testamenta Vaovao, Asa xv.; ka noho izany dia natao ho adidy mandrakizay”. Kanefa moa ve izay lazain’ny Baiboly momba ny ra mandrara ny fampiasana ara-pitsaboana moderina, toy ny fampidirandra izay mazava fa tsy nampiasaina tamin’ny andron’i Noa na tamin’ny andron’ny apostoly?
Ny ra ao anatin’ny fanafody na atao fanafody
9. Ahoana no nampiasana ny ra ho fanafody tamin’ny andro taloha, nifanohitra tamin’ny toerana inona notanan’ny kristiana?
9 Ny fampiasana ny ra ho fanafody dia tsy môderina velively. Ilay boky hoe Nofo sy Ra (anglisy), nataon’i Reay Tannahill, dia manazava fa saiky nandritra ny 2 000 taona, tany Egypta sy tany an-toeran-kafa, “ny ra dia noheverina ho ny fanafody tsara dia tsara ho an’ny habokana”. Nino ny Romana fa ny androbe dia azo nositranina tamin’ny fihinanana ran’olombelona. Nanoratra toy izao mikasika io fampiasana “ara-pitsaboana” ny ra io i Tertullien: “Hevero ireo izay migoka amin’ny hetaheta mihoa-pampana, mandritra ny fampisehoana eo amin’ny kianja filalaovana, ny ra velona avy amin’ireo mpanao heloka bevava tena ratsy (...) ary mahavita izany mba hanasitranana ny androben’izy ireo.” Izany dia nifanohitra tanteraka tamin’izay nataon’ny kristiana: “Tsy ataonay ao amin’ny sakafonay akory na dia ny ram-biby aza (...) Amin’ny fitsapana ireo kristiana dia toloranareo saosisy mizihitry ny ra izy ireo. Miaiky mafy ianareo, mazava ho azy, fa [izany] dia fandikan-dalàna ho azy ireo.” Hevero izay tafiditra amin’izany: Tsy nihinana ra izay mampiseho ny aina ireo kristiana voalohany, fa vonona kosa ny hisetra fahafatesana. — Ampitahao amin’ny 2 Samoela 23:15-17.
10, 11. Nahoana no azo inoana fa ny fari-pitondrantenan’Andriamanitra mikasika ny ra dia mandrara ny fanekena fampidiran-dra?
10 Ekena aloha fa, tamin’izay, ny ra dia tsy nampidirina tamin’ny lalan-dra, satria ny fanandramana ny amin’ny fampidiran-dra dia tsy nanomboka raha I tsy tany akaikin’ny taonjato faha-16 tany ho any. Tamin’ny taonjato faha-17 anefa, dia nanohitra toy izao ny profesora iray amin’ny anatômia tao amin’ny oniversiten’i Copenhague: ‘Ireo izay mikiry amin’ny fampiasana ny ran’olombelona ho fanafody anaty ho an’ny aretina, dia hita ho mampiasa izany amin’ny fomba ratsy ary manao ota lehibe. Melohina ny mpihinana olona. Nahoana no tsy haharikoriko antsika ireo izay mandoto ny lalan-kaniny amin’ny ran’olombelona? Mitovy ny fandraisana ran’olon-kafa avy amin’ny mpamerindra notapahina na amin’ny alalan’ny vava izany, na amin’ny fitaovana fampidiran-dra. Ireo namorona io fandidiana io dia tanan’ny lalàn’Andriamanitra ao anatin’ny horohoro.’
11 Eny, na dia tamin’ireo taonjato lasa aza, dia nisy olona nahita fa ny lalàn’Andriamanitra dia nandrara ny fandraisana ra ao amin’ny mpamerindra ary ny fandraisana izany amin’ny alalan’ny vava. Ny fahafantarana izany dia mety hanampy ny olona amin’izao andro izao hahatakatra ny toerana tanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia toerana izay mifanaraka amin’ny an’Andriamanitra. Na dia manome vidiny ambony ny aina sy mankasitraka ny fikarakarana ara-pitsaboana aza ny kristiana marina, dia manaja ny aina izay fanomezana avy amin’ny Mpamorona. Koa tsy manandrana mitana ny aina amin’ny fihinanana ra izy ireo. — 1 Samoela 25:29.
Mamonjy aina amin’ny fitsaboana ve?
12. Mety hihevitra inona ara-dalàna ny amin’ny fampidiran-dra moa ny olona misaina?
12 Nandritra ny taona maro, dia nisy manam-pahaizana manokana maro nilaza fa mamonjy aina ny ra. Misy mpitsabo mety hitantara ny amin’ny olona very ra betsaka, nampidiran-dra ka nihatsara. Koa mety hanontany tena ny olona hoe: ‘Amin’ny ahoana ny toerana tanan’ny kristiana no maneho no toy maneho fahendrena eo amin’ny lafiny ara-pitsaboana?’ Alohan’ny handinihana fomba fitsaboana lehibe iray na inona na inona, ny olona misaina iray dia hamaritra ireo soa mety ho azo sy ireo loza mety hitranga. Ahoana ny amin’ny fampidiran-dra? Ny zava-misy dia izao: feno loza maro be mety hitranga amin’ny fampidiran-dra. Mety hahafaty mihitsy aza izy ireny.
13, 14. a) Amin’ny toe-javatra inona avy ny fampidiran-dra no hita fa mety hitondra loza? b) Amin’ny ahoana izay nitranga tamin’ny papa no manazava ny loza ara-pahasalamana avy amin ny ra?
13 Tsy ela izay, dia izao no nomarihin’ny Drs. L. T. Goodnough sy J. M. Shuck: “Ny fitambaran’ireo mpitsabo dia nahafantatra hatramin’ny ela fa na dia azo itokiana araka izay fahaizantsika manao azy aza ny tahirin-dra, ny fampidiran-dra kosa dia mety hitondra loza foana. Ny aretina fanampiny azo avy amin’ny fampidiran-dra mateti-pitranga indrindra dia mbola ny “hépatite non A-non B” (HNANB) ihany; anisan’ny aretina fanampiny azo ny “hépatite B”, ny “iso-immunisation”, ny fanoheran’ny vatana ny fampidiran-dra, ny fahafoanan’ny hery fanefitra, ary ny fatran’ny vy be loatra.” Tamin’ny fanaovana tombantombana ‘antonontonony’ ny amin’ ny iray monja amin’ireo loza lehibe ireo, dia nanampy teny toy izao ilay tatitra: “Ampoizina fa olona eo amin’ny 40000 eo ho eo [any Etazonia fotsiny] no ho voan’ny HNANB isan-taona ary hatramin’ny 10% amin’ireo no ho voan’ny ‘cirrhose’ na ny ‘hepatome’ [homamiadana amin’ny aty] na izy roa miaraka.” — Gazety Amerikana momba ny Fandidiana (anglisy), Jona 1990.
14 Arakaraka ny fielezan’ny fahafantarana fa mety hitondra aretina ny fampidiran-dra, dia mandinika indray ny fomba fiheverany ny fampidiran-dra ny olona. Ohatra, taorian’ny nitifirana ny papa tamin’ny 1981, dia notsaboina tany amin’ny hôpitaly izy ary navoaka. Tatỳ aoriana dia voatery niverina niditra tany nandritra ny roa volana indray izy, ary ratsy aoka izany ny toe-pahasalamany ka toa nety ho voatery haka fisotroan-dronono noho ny tsy fahasalamana izy. Nahoana? Voan’ny aretina “cytomégalovirus” izy avy tamiii’ny ra nomena azy. Mety hanontany tena ny sasany hoe: ‘Raha ny ra nomena ny papa mihitsy aza no tsy azo antoka, ahoana ny amin’ny fampidiran-dra omena antsika sarambabem-bahoaka?’
15, 16. Nahoana ny fampidiran-dra no tsy azo antoka na dia efa nanaovana fandinihana aretina aza ilay ra?
15 ‘Fa angaha tsy afaka mandinika amim-pitandremana ny ra mba hahitana ny aretina izy ireo?’ hoy no mety ho fanontanian’ny sasany. Raiso ho ohatra ny amin’ny fandinihana natao mba hahitana ny “hépatite” izay nohazavain’ny gazety B. Patient Care (28 Febroary 1990): “Nihena ny fisehon’ny ’hépatite’ manaraka ny fampidiran-dra taorian’ny fanaovana fandinihana tamim-pitandremana tanteraka ny ra ho [an’io aretina io], kanefa ny 5 ka hatramin’ny 10%-n’ny ‘hépatite’ manaraka ny fampidiran-dra dia mbola avy amin’ny ‘hépatite B’ ihany.”
16 Ny maha-mety diso ny fandinihana toy izany dia hita amin’ny loza mety hitranga hafa iray entin’ ny ra: ny SIDA. Ny fihanahan’ny SIDA dia nanaitra ny olona, tamin’ny fomba tsy nampoizina, ny amin’ ny loza avy amin’ny ra misy otrikaretina. Ekena fa misy fanaovana fitsapana ankehitriny mba handinihana ny ra hahitana ilay viriosy. Na dia izany aza, dia tsy anaovana fandinihana any amin’ny toerana rehetra ny ra, ary lazaina fa mety hitondra ny viriosin’ny SIDA ao amin’ny rany an-taonany maro ny olona kanefa tsy ho hita amin’ny fanaovana fitsapana mahazatra. Koa ny marary àry dia mety ho voan’ny SIDA — na tena voan’ny SIDA — avy amin’ny ra izay nanaovana fandinihana ary hita fa tsy nisy na inona na inona!
17. Ahoana no mety hitondran’ny fampidiran-dra fanimbana izay mety tsy hiharihary avy hatrany?
17 Nanonona ny “fahafoanan’ny hery fanefitra” koa ny Drs. Goodnough sy Shuck. Eny, mitombo ny porofo fa na dia ny ra mitovy nampiarahina tamin’ ny fomba mety aza dia mety hanimba ny hery fanefitra amin’ny aretina ao amin’ilay marary, ka hamoha varavarana ho an’ny homamiadana sy ny fahafatesana. Araka izany, ny fandinihana iray natao tany Kanada momba “ireo marary nisy homamiadana tamin’ny loha sy ny hatoka dia nampiseho fa ireo izay nahazo fampidiran-dra nandritra ny fanesorana fivontosana dia nahita fihenana lehibe teo amin’ ny toetry ny hery fanefitra taorian’izay.” (The Medical Post, 10 Jolay 1990) Nanao tatitra toy izao ireo mpitsabo ao amin’ny oniversiten’i Californie atsimo: “Ny tahan’ny fiverimberenan’ny homamiadan’ny faratenda rehetra dia 14% ho an’izay tsy nandray ra ary 65% ho an’izay nanao izany. Ho an’ny homamiadan’ny aty vava, ny faratenda ary ny orona na ny “sinus” [eo amin’ny tampon’ny tetezan’orona], ny tahan’ny fiverimberenana dia 31% raha tsy misy fampidiran-dra ary 71% raha misy fampidiran-dra.” (Annals of Otology, Rhinology & Laryngology, Martsa 1989) Ny fahafoanan’ny hery fanefitra koa dia toa fototra mahatonga ireo nomena ra nandritra ny fandidiana ho mora voan’ny aretina kokoa. — Jereo ny faritra voafefy ao amin’ny pejy faha-10.
Tsy misy mahasolo ny ra mihitsy ve?
18. a) Nahatonga ny mpitsabo hitodika any amin’inona ny loza tafiditra amin’ny fampidiran-dra? b) Fanazavana momba ny zavatra mahasolo hafa inona no azonao lazaina amin’ny mpitsabo anao?
18 Mety hanontany ny sasany hoe: ‘Mampidi-doza ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny fampidiran-dra, fa angaha tsy misy mahasolo azy?’ Azo antoka fa isika dia mitady fikarakarana ara-pitsaboana mandaitra ambony karazana, koa moa ve misy fomba ara-dalàna sy mandaitra hitsaboana zava-manahirana ara-pitsaboana lehibe tsy misy fampiasana ra? Soa ihany fa misy. Nanao tatitra toy izao ny TheNew England Journal of Medecine (7 Jona 1990): “Ireo mpitsabo, izay mihamahafantatra hatrany ny loza mety hitranga amin’ny [SIDA] sy ny aretina hafa mifindra amin’ny alalan’ny fampidiran-dra, dia mandinika indray ireo loza mety hitranga sy ireo soa avy amin’ny fampidiran-dra ary mitodika any amin’ny zavatra mahasolo azy, anisan’izany ny tsy fampiasana ny fampidiran-dra mihitsy.”b
19. Nahoana ianao no mahazo matoky fa afaka mandà ny ra nefa mbola hotsaboina amim-pahombiazana ihany?
19 Nanda ny fampidiran-dra hatramin’ny ela ny Vavolombelon’i Jehovah, tsy hoe noho ny loza ara-pahasalamana voalohany indrindra, fa noho ny fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra ny amin’ny ra. (Asan’ny apostoly 15:28, 29) Nisy anefa mpitsabo za-draharaha nahomby tamin’ny fikarakarana marary Vavolombelona tsy nisy fampiasana ra, miaraka amin’ireo loza mety ho vokatr’izany. Ho ohatra iray monja eo amin’ireo maro be voatantara ao amin’ny boky ara-pitsaboana, ny Archives of Surgery (Novambra 1990) dia niresaka ny amin’ny famindrana fo natao tamina marary Vavolombelona izay nanana fieritreretana nanaiky izany fomba fitsaboana izany tsy nisy fampidirana ra. Milaza ilay tatitra hoe: “Ny fanandraman-javatra maherin’ny 25 taona nahavitana fandidiana fo tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia niafara tamin’ny famindrana fo tamim-pahombiazana tsy nisy fampidirana zavatra avy amin’ny ra (...) Tsy nisy fahafatesana nitranga teo am-pandidiana, ary nasehon’ny fandinihana natao tsy ela nanaraka izany fa ireo marary ireo dia tsy nanana tahan’ny fandavan’ny vatana grefy ambony kokoa.”
Ny ra sarobidy indrindra
20, 21. Nahoana ny kristiana no tokony hitandrina mba tsy hanitatra loatra ilay fomba fihevitra hoe “Fanafody ratsy ny ra”?
20 Misy anefa fanontaniana lalina izay ilain’ny tsirairay amintsika hatao amin’ny tenany. ‘Raha manapa-kevitra ny handa fampidiran-dra aho, inona no antony? Amim-pahatsorana, inona no antony voalohany sy lehibe indrindra amiko?’
21 Nambaranay fa misy zavatra mahasolo hafa mandaitra noho ny ra izay tsy mahatonga ny olona ho voan’ireo loza maro mifandray amin’ny fampidiran-dra. Ireo loza toy ny “hépatite” na SIDA dia nanosika olona maro mihitsy aza handa ny ra noho ny antony tsy ara-pivavahana. Ny sasany dia nilaza ny heviny tamin’ny feo mazava sy henjana ny amin’izany, toy ny hoe teo am-pilaharana eo ambany faneva misy soratra hoe “Fanafody ratsy ny ra” izy ireo. Mety ho voatarika ho amin’izany filaharana izany ny kristiana. Kanefa izany dia filaharana amin’ny lalana tsy misy tohiny. Nahoana?
22. Fomba fijery ny zava-misy inona momba ny fiainana sy ny fahafatesana no tokony hananantsika? (Mpitoriteny 7:2)
22 Ny kristiana marina dia mahafantatra fa, na dia mahazo ny fitsaboana tsara indrindra ao amin’ny hôpitaly ary fomba indrindra aza ny olombelona, dia maty ihany izy na ho ela na ho haingana. Mety maty ny olona na ampidiran-dra na tsia. Ny filazana izany akory tsy finoana ny amin’ny anjara tsy azo idifiana. Izany kosa dia fijerena ny zava-misy. Zavamisy eo amin’ny fiainana ny fahafatesana amin’izao andro izao. Ny olona izay tsy miraharaha ny lalàn’Andriamanitra momba ny ra dia mazàna iharan’ny fahavoazana avy amin’ny ra na ho ela na ho haingana. Ny sasany aza dia maty mihitsy avy amin’ny fampidiran-dra. Kanefa, araka ny tsy maintsy takatsika rehetra, ireo izay tsy maty tamin’ny fampidiran-dra dia tsy nahazo ny fiainana mandrakizay akory, koa hita fa tsy nahavonjy ny ainy tamin’ny fomba maharitra ny ra. Etsy an-danin’izany, ny ankamaroan’ireo izay mandà ny ra noho ny antony ara-pivavahana na ara-pitsaboana na noho ireo antony roa miaraka, kanefa manaiky fitsaboana hafa ho solony dia mahita fahombiazana amin’ny fitsaboana. Azony atao amin’izay ny manalava ny fiainany mandritra ny taona maro — kanefa tsy hoe tsy misy farany.
23. Ahoana no ifandraisan’ny lalàn’Andriamanitra momba ny ra amin’ny maha-mpanota antsika sy ny ilàna avotra iray?
23 Ny maha-tsy tanteraka ny olona rehetra velona ankehitriny sy ny fahafatesan’izy ireo tsikelikely, dia mitarika antsika ho amin’ny hevitra lehibe indrindra amin’izay lazain’ny Baiboly mikasika ny ra. Nilaza tamin’ny taranak’olombelona iray manontolo Andriamanitra mba tsy hihinan-dra. Nahoana? Satria izy io dia mampiseho ny aina. (Genesisy 9:3-6) Tao amin’ny Lalàna, dia nanome fitsipika mihevitra ny maha-mpanota ny olombelona rehetra izy. Nilaza tamin’ny Isiraelita Andriamanitra fa tamin’ny fanolorany fanatitra biby, dia afaka nampiseho izy ireo fa nilaina hosaronana ny fahotany. (Levitikosy 4:4-7, 13-18, 22-30) Na dia tsy izany aza no angatahiny amintsika amin’izao andro izao, dia zava-dehibe izy io. Andriamanitra dia nikasa ny hanome sorona izay afaka hanarona tanteraka ny otan’ireo mpino rehetra — ny avotra. (Matio 20:28) Izany no ilantsika hananana ny fomba fijerin’ Andriamanitra ny amin’ny ra.
24. a) Nahoana no ho fahadisoana ny fiheverana ny loza ara-pahasalamana mety hitranga ho hevi-dehibe indrindra mikasika ny ra? b) Inona no tena tokony ho fototry ny fomba fijerintsika ny fampiasana ny ra?
24 Ho fahadisoana ny hifantohana manokana indrindra amin’ny loza ara-pahasalamana mety hoentin’ny ra, satria tsy izany no ifantohan’Andriamanitra. Mety ho nandray soa sasany ny Isiraelita tamin’ny tsy fihinanana ra, toy ny nety ho nandraisany soa tamin’ny tsy fihinanana henan-kisoa na ny an’ireo biby mivelona amin’ny fatim-biby. (Deoteronomia 12:15, 16; 14:7, 8, 11, 12) Tsarovy anefa, fa rehefa nanome an’i Noa zo hihinan-kena Andriamanitra, dia tsy norarany ny fihinanana ny henan’ny biby toy izany. Kanefa dia nandidy izy fa tsy mahazo mihinana ra ny olombelona. Tsy nifantoka indrindra tamin’izay nety ho loza ara-pahasalamana Andriamanitra. Tsy izany no hevi-dehibe tamin’ny lalàny ny amin’ny ra. Tsy maintsy nanda ny hitana ny ainy tamin’ny ra ireo mpivavaka taminy, tsy hoe satria indrindra ny fanaovana izany dia tsy nahasalama, fa noho izany nanimbazimba ny fahamasinana. Nanda ny ra izy ireo, tsy noho izy io voaloto, fa noho izy io sarobidy. Tamin’ny alalan’ny ra natao sorona ihany no nahafahany nahazo famelan-keloka.
25. Ahoana no ahafahan’ny ra hamonjy aina amin’ny fomba maharitra?
25 Marina koa izany raha ny amintsika. Manazava toy izao ny apostoly Paoly ao amin’ny Efesiana 1:7: “Izy [Kristy] no ananantsika fanavotana amin’ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ny fahasoavany”. Raha mamela ny fahotan’ny olona iray Andriamanitra ary mihevitra izany olona izany ho marina, dia manana fahatsinjovana fiainana tsy hanam-pahataperana ilay olona. Koa ny ram-panavotan’i Jesosy àry dia afaka mamonjy aina — amin’ny fomba maharitra, eny, mandrakizay mihitsy aza.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nifarana toy izao ilay didy: “Raha mahatandrin-tena hifady ireo zavatra ireo ianareo, dia hambinina. Soava tsarà.” (Asan’ny apostoly 15:29, MN). Ny filazana hoe “Soava tsarà” dia tsy fampanantenana ho vokatry ny hoe: ‘Raha mifady ny ra na ny fijangajangana ianareo, dia ho salama kokoa’. Famaranana ilay taratasy fotsiny izy io, toy ny hoe ‘Veloma’.
b Misy zavatra mahasolo hafa maro mandaitra noho ny fampidiran-dra dinihina ao amin’ilay bokikely hoe Comment le sang peut-il vous sauver la vie?, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., tamin’ny 1990.
Hainao hazavaina ve?
◻ Inona no antony voalohany indrindra andavan’ny Vavolombelon’i Jehovah fampidiran-dra?
◻ Porofo inona no manamafy fa ny toerana ara-baiboly momba ny ra dia tsy hoe mampiseho hadalana ara-pitsaboana akory?
◻ Ahoana no ifamatoran’ny avotra amin’ny lalàn’ny Baiboly momba ny ra?
◻ Inona no hany fomba ahafahan’ny ra mamonjy aina amin’ny fomba maharitra?
[Efajoro, pejy 10]
FAMPIDIRAN-DRA SY ARETINA
Taorian’ny fandinihana lalina natao hahitana raha toa ny fampidiran-dra mety hahatonga marary iray ha mora voan’ny aretina kokoa, dia namaran-teny toy izao ny Dr. Neil Blumberg: “Tamin’ireo fandinihana ara-pitsaboana 12 natao [momba ilay raharaha], dia nasehon’ny 10 fa ny fampidiran-dra dia nifandray, tamin’ny fomba niitatra sy tsy niankina, tamin’ny fitomboan’ny mety hahavoan’ny aretina avy amin’ny bakteria (...) Fanampin’ izany, ny fampidiran-dra natao elaela ihany talohan’ny fandidiana dia mety hisy akony eo amin’ny tohitr’aretin’ilay marary raha toa ireo vokatry ny hery fanefitr’ilay fampidiran-dra ka maharitra araka ny toa lazain’ny fandinihana sasany (...) Raha azo itarina sy hamarinina ireo filazana ireo, dia hita fa ireo aretina mafy dia mafy aorian’ny fandidiana dia mety ho ilay hany aretina fanampiny lehibe mateti-pitranga indrindra mifandray amin’ny fampidirana ra mitovy.” — Transfusion Medicine Reviews, Oktobra 1990.
[Sary, pejy 8]
Liomena nohalehibeazina. “Ahitana liomena eo amin’ny 4 ka hatramin’ny 6 tapitrisa isaky ny ra 1 mikrolitatra (0,000001 litatra).” — “The World Book Encyclopedia”
[Sary nahazoan-dalana]
Kunkel-CNRI/PHOTOTAKE NYC