FADIMBOLANA
Ra mifangaro ranoka sy potipotika tambatsela, izay mivoaka avy ao amin’ny tranonjazan’ny vehivavy, isaky ny efatra herinandro eo ho eo. Manomboka tonga fotoana ny ankizivavy rehefa lehibebe, ary tsy mifarana izany raha tsy efa mandroso taona izy ka mitsaha-potoana. Matetika no maharitra telo ka hatramin’ny dimy andro ny fadimbolana.
Ampifandraisin’ny Soratra Masina amin’ny fahalotoana ny hoe fadimbolana. (Le 12:2; Ezk 22:10; 36:17) Mifandray amin’ilay teny hebreo nadika hoe fadimbolana ny hoe niddah, izay nadika indraindray hoe ‘fahalotoana mandritra ny fadimbolana.’ (Le 15:25, 26) Azo ilazana olona marary (Ft 5:17) ny teny hebreo hafa (daveh), izay nadika hoe “vehivavy tonga fotoana.” (Le 15:33; Is 30:22) Fadimbolana koa no tiana holazaina amin’ny hoe “zavatra mpahazo ny vehivavy.”—Ge 31:35.
Nambaran’ny Lalàna hoe “naloto.” Naloto fito andro ny vehivavy tonga fotoana ara-dalàna, araka ny Lalàn’i Mosesy. Lasa naloto koa ny fandriana natoriany na ny fanaka hafa nipetrahany. Tokony hanasa akanjo sy handro izay olona nikasika an-dravehivavy na nikasika zavatra nipetrahany. Naloto mandra-paharivan’ny andro ilay olona. Raha mbola naloton’ny fadimbolany ny vehivavy iray nefa ny vadiny nanao firaisana taminy, angamba satria tsy fantany hoe vao tonga fotoana ravehivavy, dia lasa naloto koa ilay lehilahy. Naloto fito andro izy noho izany, ary naloto koa ny fandriana natoriany.
Raha nisy ra nandeha tamin-dravehivavy nefa tsy tonga fotoana izy, na ‘naharitra ela noho ny mahazatra ny fadimbolany’, dia naloto izy nandritra izany fotoana izany, ka lasa naloto koa izay zavatra natoriany na nipetrahany ary izay olona nikasika an’izany zavatra izany. Nanisa fito andro ravehivavy aorian’ny nijanonan’ilay ra, ary hadio izy aorian’izay. Nitondra domohina roa na zana-boromailala roa tany amin’ny mpisorona izy, tamin’ny andro fahavalo. Nanolotra an’ireo ho an’i Jehovah ny mpisorona mba handrakofana ny fahotan-dravehivavy: Ny iray ho fanatitra noho ny ota, ary ny iray ho fanatitra dorana.—Le 15:19-30; jereo MADIO, FAHADIOVANA.
Naringana ny lehilahy sy ny vehivavy ninia nanao firaisana, raha mbola naloton’ny fadimbolany ravehivavy. (Le 18:19; 20:18) Tsy azo natao ny nanao firaisana nandritra ny fadimbolana, ary azo antoka fa nisoroka aretina izany, satria nety ho niaro ny fantson-tatavia tsy hivonto. Mety ho tian’i Jehovah hampahatsiahivina an’ireo Israelita koa fa masina ny ra, matoa izy nanome an’ireo lalàna momba ny fadimbolana sy ny ra mandeha. Tsy natao hanavakavahana ny vehivavy ireny lalàna ireny, satria na ny lehilahy aza naloto koa raha nisy tsiranoka nivoaka avy aminy. (Le 15:1-17) Hita amin’ireny lalàna ireny fa tena miahy ny vehivavy i Jehovah. Tsy voatery hanaraka ny Lalàn’i Mosesy ny lehilahy kristianina (Ro 6:14; Ef 2:11-16), nefa tsara raha miahy ny vadiny izy rehefa tonga fotoana ny vadiny ka miovaova ny fihetseham-pony. Hiara-mitoetra amin’ny vadiny “araka ny fahalalana” ny lehilahy raha manao izany, ary “hanome voninahitra azy, toy ny atao amin’ny fanaka malemy kokoa, dia ny vehivavy.”—1Pe 3:7.