MANDIDIDIDY VATANA
Fanaon’ny firenena fahiny ny nandidididy vatana, na nandrangotra ny sandry, tanana, ary tarehy rehefa nisaona (Je 47:5; 48:37), angamba mba hampitonena an’ireo andriamanitra mifehy ny maty, hono, na hihavanana aminy. Nanao izany ny Skytianina rehefa maty ny mpanjakany. Hoy i Hérodote (IV, 71), grika mpahay tantara: “Andrombinany ny sofiny, solainy ny lohany, didididiany ny sandriny, tatahany ny handriny sy orony, ary tsindroniny amin’ny zana-tsipìka ny tanany havia.”
Tsy izay nisaona ihany anefa no nandidididy vatana. Nanao izany “tamin’ny sabatra kely sy ny lefona” koa ny mpaminanin’i Bala “araka ny fanaony, mandra-pikorianan’ny ra tamin’ny tenany”, rehefa nitalaho tamin’ilay andriamaniny izy ireo. (1Mp 18:28) Nanao toy izany koa ny firenena hafa fahiny. Nandidididy ny handriny tamin’ny antsy, ohatra, ny Karianina, nandritra ny fetin’i Isis, hoy i Hérodote (II, 61).
Noraran’ny Lalàna ny nandidididy vatana rehefa nisy maty. (Le 19:28; 21:5; De 14:1) Vahoaka masina sy fananan’i Jehovah manokana mantsy ny Israely (De 14:2), ka tsy tokony hanao ny fombafomban’ny mpanompo sampy. Fantany tsara koa hoe manao ahoana ny maty, izay nantenainy fa mbola hitsangana, ka tsy mety ny malahelo tafahoatra sy mandidididy vatana. (Da 12:13; He 11:19) Lasa takany koa fa tokony hohajaina ny vatan’olombelona izay noforonin’Andriamanitra.
Toa nandika an’ilay didin’Andriamanitra anefa ny Israelita indraindray.—Je 41:5; ampit. Mi 5:1.