PENTEKOSTA
Anarana iantsoan’ny Soratra Grika Kristianina ny Fetin’ny Fijinjana (Ek 23:16) na Fetin’ireo Herinandro (Ek 34:22), ary antsoina koa hoe “andron’ny voaloham-bokatra.” (No 28:26) Misy toromarika momba an’io fety io ao amin’ny Levitikosy 23:15-21; Nomery 28:26-31; ary Deoteronomia 16:9-12. Nankalazaina ny 6 Sivana izy io, dia ny andro faha-50 (midika hoe “[Andro] Fahadimampolo” ny hoe Pentekosta) nisaina nanomboka tamin’ny 16 Nisana, izay nanolorana amboarana vary orza. (Le 23:15, 16) Efa voajinja ny vary orza tamin’izay, ary natomboka ny fijinjana ny varimbazaha, izay masaka taorian’ny orza.—Ek 9:31, 32.
Tsy azo natomboka ny fijinjana raha tsy efa natolotra ho an’i Jehovah ny voaloham-bokatry ny vary orza ny 16 Nisana. Izao àry ny toromarika azon’ny Israelita: “Manomboka amin’ny fotoana voalohany ampiasana ny antsy fijinjana mba hijinjana ny vokatra eny an-tsaha no hanisanao [fito herinandro]. Dia ankalazao ho an’i Jehovah Andriamanitrao ny fetin’ireo herinandro.” (De 16:9, 10) Tsy maintsy nankalaza azy io ny lehilahy rehetra. Hoy koa ny Deoteronomia 16:11: “Hifaly eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao, any amin’izay toerana hofidin’i Jehovah Andriamanitrao hampitoerana ny anarany, ianao sy ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy sy ny mpanompolahinao sy ny mpanompovavinao sy ny Levita ao an-tanànanao mbamin’ny mpivahiny sy ny kamboty ray ary ny mpitondratena eo aminao.” Nankalazaina isam-pianakaviana ny Paska. Azo nanasana olon-kafa kosa ny Fetin’ny Fijinjana, na Pentekosta, hoatran’ny Fetin’ny Trano Rantsankazo ihany.
Tsy natao hoatran’ny voaloham-bokatry ny vary orza ny an’ny varimbazaha, fa lafarinina tsara toto roa ampahafolon’ny efaha (4,4 L) nasiana lalivay no nanaovana mofo roa, izay natao tao anaty lafaoro. ‘Avy tany amin’ny toeram-ponenan’ny’ Israelita ireo mofo, izany hoe toy ny mofo nohanina andavanandro, fa tsy mofo masina. (Le 23:17) Nisy fanatitra dorana sy fanatitra noho ny ota ary fanatitra iombonana (ondrilahy kely roa) nampiarahina tamin’ireo. Nataon’ny mpisorona tao ambanin’ireo mofo sy ondrilahy ny tanany ka nahetsiketsiny teo anatrehan’i Jehovah ireo, izany hoe natolony teo anatrehan’i Jehovah. Hohanin’ilay mpisorona ireo avy eo, satria fanatitra iombonana.—Le 23:18-20.
Misy tsy mitovy kely ny fitantarana momba an’ireo fanatitra hafa (ankoatra ny fanatitra iombonana): Ondrilahy kely fito, vantotr’ombilahy iray, ondrilahy roa, ary zanak’osy iray, hoy ny Levitikosy 23:18, 19, fa ondrilahy kely fito, vantotr’ombilahy roa, ondrilahy iray, ary zanak’osy iray, hoy ny Nomery 28:27-30. Sorona natolotra niaraka tamin’ireo mofo no resahin’ny Levitikosy, fa sorona tokony hatao amin’ilay fety kosa no resahin’ny Nomery, hoy ny Jiosy mpivaofy teny, ka samy natolotra daholo ireo. Nanamafy izany i Josèphe. Ondrilahy kely roa no fanatitra iombonana tamin’ny andro Pentekosta, hoy izy, ary vantotr’omby telo, ondrilahy roa (diso ilay nandika fa tokony ho telo), ondrilahy kely 14, ary zanak’osy roa ny fitambaran’ireo fanatitra ambiny. (Rakitry ny Ela Jiosy, III, 253 [x, 6]) Fivoriambe masina sy andro sabata io andro io.—Le 23:21; No 28:26.
Nankalazaina ny Pentekosta rehefa nifarana ny fijinjana vary orza. Falifaly ny fiangonan’Israely satria nanolotra fanatitra iombonana izay nomena ny mpisorona. Nihavana tamin’i Jehovah koa izy ireo matoa nanolotra an’ilay fanatitra. Ny fanatitra noho ny ota kosa nampahatsiahy fa mpanota izy ireo, ka nila niangavy an’Andriamanitra hamela ny helony sy hanadio azy. Nampitomboina ny fanatitra dorana ho fisaorana an’i Jehovah noho izy tena malala-tanana, sy ho mariky ny fanajana amin’ny fo manontolo an’ilay fifanekena nifanaovana taminy.
Fotoana tokony hisaorana an’i Jehovah tamin’io andro io, nefa tsy tokony hohadinoina koa ireo mahantra. Hoy i Jehovah, rehefa avy nanome toromarika momba ilay fety: “Rehefa mijinja ny vokatry ny taninareo ianareo, dia aza jinjaina tanteraka ny sisin’ny sahanareo. Ary aza alaina ny vokatra navelan’ny mpijinja, fa avelao ho an’ny ory sy ny vahiny monina eo aminareo. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.” (Le 23:22) Faly koa àry ny mahantra nisaotra ny Tompo sy nankalaza an’ilay fety niaraka tamin’ny rehetra. Nanolotra voaloham-bokatra koa ny Israelita maro, nandritra ilay fety.
Nankany Jerosalema iray andro mialoha ireo nankalaza an’ilay fety taorian’ny sesitany, hoy ireo raby, mba hanomana ny zava-drehetra. Notsofina ny trompetra ny takariva, mba hampahafantarana hoe efa hanomboka ilay fety. (No 10:10) Nodiovina ny alitaran’ny sorona dorana, ary nosokafana taorian’ny misasakalina avy hatrany ny vavahadin’ny tempoly mba hidiran’ny mpisorona. Niditra teo an-tokotany ny olona, mba hojeren’ny mpisorona aloha ireo biby hatao fanatitra dorana sy fanati-pisaorana. Hoy i Alfred Edersheim: “Tsy maintsy nojeren’ny mpisorona talohan’ny fanatitra maraina daholo ireo fanatitra dorana sy fanati-pihavanana hatolotry ny olona tamin’ilay fety. Maro be ireo fanatitra ka be atao ny mpisorona, mandra-pilaza hoe nipaka tany Hebrona ny tara-pahazavana maraina. Najanona àry ny fanomanana rehetra, fa hatomboka ny fanolorana ny fanatitra isa-maraina.”—Ny Tempoly, 1874, p. 228.
Taorian’ny fanatitra isa-maraina, dia natolotra ireo fanatitra fanao isaky ny fety resahin’ny Nomery 28:26-30, avy eo ireo mofo sy fanatitra nampiarahina taminy fanao isaky ny Pentekosta. (Le 23:18-20) Nahetsiketsika ireo mofo, avy eo nalain’ny mpisoronabe ny iray fa ny iray kosa nifampizaran’ny mpisorona rehetra niasa tamin’izay.
Heviny an’ohatra. Tamin’ny Pentekosta taona 33 i Jesosy Kristy no nandatsaka ny fanahy masina tamin’ny mpianatra 120 teo ho eo, izay tao amin’ny efitrano ambony rihana tany Jerosalema. (As 1:13-15) Natsangana tamin’ny maty i Jesosy ny 16 Nisana, izay andro fanoloran’ny mpisoronabe amboarana vary orza. Toy ny hoe tsy nisy lalivay i Jesosy satria tsy nisy ota. (He 7:26) Izy no lasa Mpisoronabe, ka afaka nanolotra teo anatrehan’i Jehovah Rainy zanaka hafa mpanara-dia azy, tamin’ny Pentekosta. Nofidina teo amin’ny olombelona mpanota izy ireo ary mino ny soron’i Kristy. Nankasitrahan’Andriamanitra ny soron’i Jesosy sy ny nanolorany ny mpianany (na dia mpanota aza) ho zanak’Andriamanitra, matoa nilatsahan’ny fanahin’Andriamanitra izy ireo. Roa ireo mofo natao tamin’ny voaloham-bokatry ny varimbazaha natolotra ho an’i Jehovah tamin’ny Pentekosta. Tsy olona iray monja àry no mifanitsy amin’ireo mofo. Karazan’olona roa koa no nakana an’ireo Kristianina nateraky ny fanahy: Jiosy voafora, ary hafa firenena tatỳ aoriana.—Ampit. Ef 2:13-18.
Mihevitra ny Jiosy fa ny Pentekosta dia nifanitsy tamin’ny andro nanomezana ny Lalàna tany Sinay sy naha lasa vahoakan’Andriamanitra ny Israely. Teo am-piandohan’ny volana fahatelo (Sivana) izany no nitranga. (Ek 19:1) I Mosesy no mpanelanelana tamin’ilay fifaneken’ny Lalàna natao tamin’ny Israely. I Jesosy Kristy kosa no Mpanelanelana amin’ny fifanekena vaovao natao tamin’ny Israely ara-panahy. Nampitahain’ny apostoly Paoly ireo fifanekena roa, ka nohazavainy fa hanatrika fivoriana lehibe kokoa eo amin’ny “Tendrombohitra Ziona, sy tanànan’ilay Andriamanitra velona, izany hoe i Jerosalema any an-danitra” ireo Kristianina tafiditra ao amin’ny fifanekena vaovao.—He 12:18-24; ampit. Ap 14:1-5.
Noresahin’i Jesosy tamin’ny mpianany ilay fifanekena vaovao, ny takariva nanaovany ny Paska farany. Nilazany koa izy ireo tamin’izy efa hiakatra any an-danitra, mba hiandry tany Jerosalema an’ilay fanahy masina nampanantenaina. Hoy ny apostoly Petera: “Koa satria nasandratra ho eo ankavanan’Andriamanitra izy, ary nandray avy tamin’ny Ray ny fanahy masina nampanantenaina, dia izy no nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao.” (Lk 22:20; As 2:33) Niasan’ny fanahin’Andriamanitra ireo mpianatra 120 teo ho eo, ka afaka nitory tamin’ny fiteny samihafa momba ny “asa lehibe nataon’Andriamanitra.” Nahazo an’izay notorina ireo Jiosy sy olona maro niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy, na taiza na taiza firenena niaviany nanerana ny Fanjakana Romanina. (As 2:7-11) Sambany i Petera tamin’izay no nitory momba ny batisa amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina, araka ny baikon’i Jesosy. (Mt 28:19; As 2:21, 36, 38, 39) Efa niakatra tany an-danitra i Jesosy sady nanolotra ny vidim-panavotana, ka afaka nampiditra an’ireo mpianany tao amin’ilay fifanekena vaovao.—He 9:15-26.
Tsy ireo mpianatra ireo, niampy 3000 ny androtr’iny (As 2:41) sy ireo hafa tatỳ aoriana, no voaloham-bokatra atolotra voalohany ho an’Andriamanitra, fa i Jesosy Kristy izay nitsangana tamin’ny maty ny 16 Nisana taona 33 (nahetsiketsika tamin’io andro io ny amboarana vary orza). (1Ko 15:23) “Anisan’ny voaloham-bokatra” ho an’Andriamanitra kosa ireo mpianatra, toy ny voaloham-bokatry ny varimbazaha, izay vokatra niakatra faharoa. (Jk 1:18) Lasa firenena vaovao izy ireo, “firazanana voafidy, sady mpisorona no mpanjaka, firenena masina, olona nataon’Andriamanitra ho fananany manokana.”—1Pe 2:9.