-
Andro Fandrakofam-pahotanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Fivoriambe masina ny Andro Fandrakofam-pahotana. Nifady hanina ny Israelita tamin’io, satria tokony “hampahory tena.” Izay ihany no fifadian-kanina notakin’ny Lalàn’i Mosesy. Sabata koa io andro io, ka tsy nahazo nanao ny asa fanaony mahazatra ny olona.—Le 16:29-31; 23:26-32; No 29:7; As 27:9.
-
-
Fifadian-kaninaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Tsy misy hoe “mifady hanina” ao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Mifady hanina anefa no dikan’ilay hoe ‘mampahory tena’, ao amin’ilay didy nomena ny Israelita momba ny Andro Fandrakofam-pahotana. (Le 16:29-31; 23:27; No 29:7) Manamafy izany ny voalazan’ny Isaia 58:3, 5 sy Salamo 35:13.
-
-
FahamasinanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nasain’i Jehovah ‘nampahory tena’ ny vahoakany tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana, izay andro “fivoriambe masina.” Midika izany fa tokony hifady hanina sy hiaiky ny fahotany izy ireo ary hanenina noho izany. (Le 16:29-31; 23:26-32) Tsy tokony hitomany na halahelo anefa ny vahoakan’i Jehovah, mandritra ny andro masina amin’i Jehovah. Tokony hifaly sy hidera an’i Jehovah kosa izy ireo, noho izay rehetra nataony vokatry ny hatsaram-panahiny sy ny fitiavany.—Ne 8:9-12.
-