ARETI-MANDRINGANA
Areti-mifindra miely haingana be, ka lasa valanaretina mahafaty. Avy amin’ny fototeny midika hoe ‘mandripaka’ ny teny hebreo (dever) midika hoe areti-mandringana. (2Ta 22:10) Maro ny andinin-teny milaza fa avy amin’ny fampiharan’Andriamanitra didim-pitsarana ny areti-mandringana nanjo ny vahoakany sy ny fahavalon’izy ireo.—Ek 9:15; No 14:12; Ezk 38:2, 14-16, 22, 23; Am 4:10; jereo LOZA.
Vokatry ny tsy fankatoavana. Efa nilazana ny firenen’Israely fa ‘handefa areti-mandringana eo aminy’ Andriamanitra, raha tsy manaja ny fifanekena nataony tamin’izy ireo ny Israelita. (Le 26:14-16, 23-25; De 28:15, 21, 22) Asehon’ny Soratra Masina iray manontolo fa noho ny fitahian’Andriamanitra no ananana fahasalamana, na ara-batana izany na ara-panahy (De 7:12, 15; Sl 103:1-3; Oh 3:1, 2, 7, 8; 4:21, 22; Ap 21:1-4), ary vokatry ny ota sy ny tsy fahalavorariana kosa ny aretina. (Ek 15:26; De 28:58-61; Is 53:4, 5; Mt 9:2-6, 12; Jn 5:14) Marina fa i Jehovah mihitsy indraindray no nanisy aretina tamin’ny olona sasany, toa an’i Miriama sy Ozia ary Gehazy izay samy lasa boka tampoka (No 12:10; 2Ta 26:16-21; 2Mp 5:25-27), kanefa ny ratsy nataon’ny olona na nataon’ireo firenena no nahatonga ny ankamaroan’ny aretina sy ny areti-mifindra. Nijinja izay nafafiny izy ireo satria nizaka ny vokatry ny ratsy nataony. (Ga 6:7, 8) Hoy ny apostoly Paoly momba an’ireo nanao firaisana mamoafady: ‘Navelan’Andriamanitra hanao fahalotoana izy ireo mba hahafa-baraka ny vatany, ka nandray tao amin’ny tenany ny valin’izany rehetra izany, dia valiny sahaza azy noho ny fahadisoany.’—Ro 1:24-27.
Teo amin’ny Israely. Fantatry ny Israelita àry fa hisy aretina maro be tsy maintsy hanjo azy ireo raha tsy mankatò izy ireo. Natao hiarovana azy ireo tsy ho voan’ny aretina ny Lalàna, satria ahitana fitsipika tena lafatra momba ny fitondran-tena sy ny fahadiovana. (Jereo ARETINA SY FITSABOANA [Marina ny voalazan’ny Baiboly].) Nahatonga azy ireo hilamin-tsaina sy hanana fo tony koa ny fankatoavana an’io Lalàna io. (Sl 19:7-11; 119:102, 103, 111, 112, 165) Tsy ny olona nandika azy io tsindraindray no resahin’ny Levitikosy 26:14-16, fa ny olona tsy niraharaha mihitsy sy nandika an-kitsirano azy io. Lasa mora voan’ny areti-mifindra isan-karazany ilay firenena noho izany. Manamarina izany ny tantara, na taloha izany na ankehitriny.
Nivadi-pinoana ny firenen’Israely, ka nilaza ny vahoaka hoe “lany hery tanteraka” izy ireo noho ny fikomiany sy ny fahotany. (Ezk 33:10, 11; ampit. Ezk 24:23.) Nanjo an’ilay firenena tokoa “ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana”, ary nanafika azy ireo ny Babylonianina tamin’ny farany. (Je 32:24) Asehon’ny zava-misy fa tena misy ifandraisany ny areti-mandringana sy ny sabatra ary ny mosary. (Je 21:9; 27:13; Ezk 7:15) Matetika tokoa no misy areti-mandringana aorian’ny ady sy ny mosary. Tsy mandeha amin’ny laoniny mantsy ny fambolena, rehefa manafika ny fahavalo, ary matetika no misy manafina na misy mandoro ny vokatra. Tapaka ny famatsiana rehefa atao fahirano ny tanàna, ka lasa mosarena ny vahoaka mifanizina ao, ary tsy voahaja intsony ny fahadiovana. Tsy mahatohitra aretina ny vatana noho izany, ka mora voan’ny areti-mandringana.
“Fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” Niresaka mialoha momba ny handravana an’i Jerosalema sy “ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” i Jesosy. Nilaza izy fa tena hiely patrana ny areti-mandringana alohan’ny “fahoriana lehibe.” (Mt 24:3, 21; Lk 21:10, 11) Tena nanjaka ny mosary sy ny aretina, rehefa rava i Jerosalema. Tatỳ aoriana vao nosoratana ny Apokalypsy 6:1-8, ka midika izany fa mbola any aorian’ny naharavan’i Jerosalema ilay sabatra sy mosary ary “aretina mahafaty” voalaza ao, sady aorian’ny hisehoan’ilay mitaingina soavaly fotsy, izay nanao satroboninahitra, ary nivoaka mba hamita ny fandreseny. Io mpitaingin-tsoavaly io ihany ilay resahin’ny Apokalypsy 19:11-16. Tsy iza izy io fa i Kristy Jesosy efa lasa mpanjaka.
Fiarovan’i Jehovah. Niangavy an’i Jehovah i Solomona Mpanjaka mba hihaino ny vavaky ny vahoakany, raha mamely azy ireo ny areti-mandringana, ka mivavaka sy mamelatra ny tanany ho amin’ny tempoly izy ireo mba hahazoana famonjena. (1Mp 8:37-40; 2Ta 6:28-31) Mampahery ny fomba ilazan’ny Salamo faha-91 ny fahaizan’i Jehovah miaro ny mpanompony amin’ny “areti-mandringana miely amin’ny maizina”, izany hoe aretina an’ohatra mahatonga azy ireo haloto fitondran-tena sy manimba ny fifandraisan’izy ireo amin’Andriamanitra.