-
LafaoroFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Heviny an’ohatra. Hoy ny Levitikosy 26:26: “Rehefa [hotapahin’i Jehovah] ny hazo fihantonan’ny mofo boribory fihinanareo, dia ho lafaoro iray monja no hanaovan’ny vehivavy folo ny mofonareo, ary hozarainy aminareo izany ka hoferana ny lanjany. Dia hihinana ianareo nefa tsy ho voky.” Lafaoro iray no nanaovan’ny vehivavy iray mofo isan’andro. Hisy fotoana anefa tena ho kely ny sakafo, hoy ilay andininy, ka lafaoro iray monja dia ampy hanaovan’ny vehivavy folo mofo. Noharin’ny Hosea 7:4-7 tamin’ny lafaoron’ny mpanao mofo ny Israelita mpanitsakitsa-bady, noho ny fanirian-dratsy niredareda tao anatiny.
-
-
VehivavyFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Vehivavy hafa. Hoy Andriamanitra momba ny mosary hanjo ny Israely raha tsy mankatò azy sy mivadika amin’ny fifanekeny izy ireo: “Ho lafaoro iray monja no hanaovan’ny vehivavy folo ny mofonareo, ary hozarainy aminareo izany ka hoferana ny lanjany.” Ho mafy be ilay mosary ka lafaoro iray monja dia ho ampy ho an’ny vehivavy folo, nefa samy manana lafaoro izy ireo rehefa tsy misy mosary.—Le 26:26.
-
-
Ny Israelita sy ny Fiainany AndavanandroFandalinana ny Soratra Masina
-
-
[Sary, pejy ]
Fahita tao an-tokantranon’ny Israelita ny lafaoro toy ity (Le 26:26)
-