-
Nirenireny Tany An-tany EfitraFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Rehefa niala tany Ejipta ny Israelita dia novorin’i Jehovah teo amin’ny Tendrombohitra Sinay (mety ho ilay sary etsy ambany), ka nomeny lalàna tamin’ny alalan’i Mosesy, ary nalaminy ho firenena. Tokony ho tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina izy ireo taoriana kelin’izay, nefa tsy izany no nitranga. Nahoana? Tsy naneho finoana izy ireo sady nikomy tamin’i Mosesy, mpitarika voatendrin’Andriamanitra, nefa i Jehovah efa nanao zavatra maro ho azy ireo. Te hiverina tany Ejipta izy ireo, satria naleony nino tatitra ratsy momba an’i Kanana! (No 14:1-4) Namoaka didim-pitsarana avy hatrany àry i Jehovah: Rehefa afaka 40 taona vao hiditra ny Tany Nampanantenaina ilay firenena. Ho faty daholo àry ireo anisan’ilay taranaka tsy nanam-pinoana.
-
-
Nirenireny Tany An-tany EfitraFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Ponona
T. Hora
-