-
MpanelanelanaFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Mpanelanelana tamin’ny fifaneken’ny Lalàna. I Mosesy no mpanelanelana tamin’i Jehovah Andriamanitra sy ny firenen’Israely, rehefa natao ny fifaneken’ny Lalàna. Voalaza fa niresaka “mivantana” taminy i Jehovah (No 12:8), nefa anjely no nirahin’Andriamanitra hiresaka taminy, raha ny marina. (As 7:38; Ga 3:19; He 2:2) I Mosesy indray avy eo no nampita ny tenin’i Jehovah tamin’ny Israely (Ek 19:3, 7, 9; 24:9-18), ary ‘nankinin’i Jehovah’ taminy ‘izay rehetra tao an-tranony.’ (No 12:7) Nanampy ny firenen’Israely hanaja an’ilay fifanekena sy handray soa tamin’izany i Mosesy, ilay mpanelanelana.
-
-
MosesyFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Mpaminany “tena fantatr’i Jehovah tsara. ”Hoy i Jehovah rehefa nanohitra ny fahefan’i Mosesy i Miriama sy Arona: “Raha misy mpaminanin’i Jehovah eo aminareo, dia ao amin’ny fahitana no hampahafantarako ny tenako aminy, ary ao amin’ny nofy no hitenenako aminy. Fa tsy mba toy izany ny amin’i Mosesy mpanompoko! Izy no anankinana izay rehetra ao an-tranoko. Iresahako mivantana izy, fa tsy amin’ny alalan’ny teny saro-pantarina, ary ny endrik’i Jehovah mihitsy no hitany. Koa nahoana ianareo no tsy natahotra ny hanome tsiny an’i Mosesy mpanompoko?” (No 12:6-8) Niavaka tokoa i Mosesy tamin’i Jehovah. Miresaka momba izany ireto andininy farany ao amin’ny Deoteronomia ireto: “Mbola tsy nisy mpaminany tena fantatr’i Jehovah tsara [a.b.t.: mifanatrika] toa an’i Mosesy mihitsy anefa teo amin’ny Israely. Tena tsy nanan-tsahala izy raha jerena ny famantarana sy ny fahagagana rehetra nataony tamin’i Farao sy tamin’ny mpanompony rehetra ary tamin’i Ejipta manontolo, rehefa naniraka azy tany i Jehovah. Nampiasa hery lehibe koa izy sady nanao zava-mampahatahotra teo imason’ny Israely rehetra.”—De 34:10-12, f.a.p.
Hita amin’ireo tenin’i Jehovah ireo fa hafa mihitsy i Mosesy, satria afaka nifandray foana tamin’i Jehovah izy, ary tamin’ny fomba nivantana kokoa sy akaiky kokoa noho ny mpaminany hafa rehetra talohan’i Jesosy Kristy, na dia mbola tsy nahita maso an’i Jehovah ara-bakiteny mihitsy aza izy. Asehon’ilay tenin’i Jehovah hoe “iresahako mivantana izy” fa afaka nifampiresaka nivantana tamin’Andriamanitra i Mosesy (nampiasa anjely Andriamanitra tamin’izany, satria ny anjely afaka mankeo anatrehany; Mt 18:10). (No 12:8) Azo lazaina hoe nifampiresaka foana izy sy Andriamanitra, noho izy mpanelanelana taminy sy tamin’ny Israely. Rehefa nisy olana lehibe teo amin’ilay firenena, dia afaka nanontany an’Andriamanitra foana izy ary nahazo valiny. Nanankinan’i Jehovah an’izay ‘rehetra tao an-tranony’ i Mosesy, ka nataon’Andriamanitra solontenany manokana handamina an’ilay firenena. (No 12:7; He 3:2, 5) Nanaraka fotsiny an’izay efa nataon’i Mosesy ireo mpaminany tatỳ aoriana.
Tena niavaka ny fomba nifandraisan’i Jehovah tamin’i Mosesy, fa tsy toy ny nifandraisany tamin’ny mpaminaniny hafa. Tsy hoe nandre an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fahitana na nofy mantsy i Mosesy, fa toy ny hoe nahita maso azy mihitsy. Taminy, dia hoatran’ny hoe tena nifanatrika tamin’i Jehovah mihitsy izy, ka toy ny hoe nahita “an’Ilay tsy hita.” (He 11:27) Azo inoana fa toy izay tsapan’i Petera rehefa nahita an’i Jesosy niova tarehy, taonjato maro tatỳ aoriana, no tsapan’i Mosesy. Tsy fahitana tsotra fotsiny ilay izy tamin’i Petera fa zavatra tena izy, ka nandray fitenenana izy nefa tsy fantany izay nolazainy. (Lk 9:28-36) Toy izany koa ny apostoly Paoly. Nahazo fahitana izy ary tena izy taminy koa izay hitany tao amin’ilay fahitana, ka hoy izy tatỳ aoriana: “Tsy fantatro na tao amin’ny vatana na tsy tao amin’ny vatana, fa Andriamanitra no mahalala.”—2Ko 12:1-4.
-