KEHATITA
(Kehatìta) [An’i Kehata].
Taranak’i Kehata, izay iray amin’ireo telo lahy zanak’i Levy. (Ge 46:11; No 26:57) Efa-dahy ny zanak’i Kehata ka nizara ho fianakaviana efatra ny “Kehatita” na “zanakalahin’i Kehata”: Ny Amramita, ny Jizarita, ny Hebronita, ary ny Ozielita. (No 3:19, 27) I Elizafana zanak’i Oziela no mpiadidin’izy ireo rehefa nitoby teo an-tendrombohitra Sinay ny Israely (1513 T.K.).—No 3:30.
Kehatita avy tamin’ny fianakavian’ny Amramita i Mosesy sy Arona. (Ek 6:18, 20) Kehatita avy tamin’ny fianakavian’ny Jizarita kosa i Kora mpikomy (No 16:1) sy Samoela mpaminany tsy nivadika.—1Sa 1:1, 19, 20; 1Ta 6:33-38.
Nisy 8600 ny lahy iray volana no ho miakatra tamin’ny fianakavian’ny Kehatita, rehefa nisaina ny Israely tany an-tany efitr’i Sinay. (No 3:27, 28) Nisy 8300 kosa izy ireo, hoy ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sora-tanana sasany. Raha atambatra anefa io sy ireo isa 7500 sy 6200 (No 3:22, 34), dia manome 22 000, araka ny Nomery 3:39. Nisy 2750 kosa ny lahy 30 ka hatramin’ny 50 taona ‘izay anisan’ny antoko-mpanompo, mba hanompo ao amin’ny tranolay fihaonana.’—No 4:34-37.
Nitoby teo atsimon’ny tranolay masina ny Kehatita tany an-tany efitra (No 3:29), teo anelanelan’ny tranolay sy izay nisy ny fokon’i Robena sy Simeona ary Gada. (No 2:10, 12, 14) Andraikitry ny Kehatita ny nilanja ny Vata misy ny fifanekena, latabatry ny mofo aseho, fitoeran-jiro, alitara, fitaovan’ny toerana masina, ary lamba fanakonana ny Masina Indrindra (No 3:30, 31), rehefa avy nampirina sy nandrakotra azy rehetra ireo i Arona sy ny zanany, izay Kehatita koa. Tsy nisy Kehatita nahazo nijery an’ireo fitaovana ireo na dia indray mipy maso aza, na nikasika ny toerana masina, ankoatra an’i Arona sy ny zanany, sao ho faty. (No 4:4-15, 20) Nolanjain’ny Kehatita teny an-tsorony ny anjara entany satria masina. Tsy nahazo tamin’ny omby sy sarety nomen’ny Israely hitondran’ny Levita ny fitaovan’ny tranolay masina àry izy ireo. (No 7:2-9) Izy ireo no Levita niainga farany rehefa nifindra lasy ny Israely.—No 10:17-21.
Nomena tanàna ny Levita rehefa azon’ny Israely ny tany Kanana, ka 23 ny an’ny Kehatita: 13 no azon’ny “taranak’i” Arona (izany hoe ny Kehatita) tao amin’ny faritanin’i Joda, Simeona, ary Benjamina, ary 10 kosa no azon’ny Kehatita hafa tao amin’ny faritanin’i Efraima, Dana, ary ny antsasaky ny fokon’i Manase.—Js 21:1-5, 9-26; 1Ta 6:54-61, 66-70.
Notendren’i Davida hihira tao amin’ny toerana masin’i Jehovah i Hemana, Kehatita avy tamin’ny fianakavian’i Jizara. (1Ta 6:31-38) Anisan’ireo notendren’i Davida hitondra ny Vata masin’i Jehovah avy tao an-tranon’i Obeda-edoma nankany Jerosalema ny Kehatita 120 teo ambany fifehezan’i Oriela. Nandray anjara lehibe tamin’ny hira sy ny mozika i Hemana tamin’izay. (1Ta 15:4, 5, 11-17, 19, 25) Nalamin’i Davida ho fizarana maromaro ny Levita, ka nisy Kehatita mpihira (1Ta 25:1, 4-6), mpiandry vavahady (1Ta 26:1-9), mpiandraikitra ny trano fitehirizana entana sy ny zavatra nohamasinina (1Ta 26:23-28), mpiadidy, mpitsara, ary mpitantan-draharaha. (1Ta 26:29-32) Nisy koa niandraikitra ny zavatra nomasahina tao anaty lapoaly, sy nanomana ny mofo mifanaingina isaky ny Sabata.—1Ta 9:31, 32.
Nidera an’i Jehovah ny Kehatita raha vao reny fa hataon’i Jehovah resin’i Josafata mpanjakan’ny Joda ireo fahavalo avy any Amona sy Moaba ary Seira. (2Ta 20:14-19) Anisan’ireo nanadio ny tranon’i Jehovah tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka ny Levita Kehatita. (2Ta 29:12-17) Anisan’ireo notendren’i Josia Mpanjaka hiandraikitra an’ireo nanamboatra ny simba tamin’ny tempoly koa i Zakaria sy Mesolama Kehatita.—2Ta 34:8-13.