ELEAZARA
(Eleazàra) [Andriamanitra dia Nanampy].
1. Zanak’i Arona Mpisoronabe tamin’i Eliseba vadiny. Ny anaran’i Eleazara no voatonona fahatelo tamin’ireo zanakalahin’i Arona. Anisan’ny fianakaviamben’i Kehata, zanak’i Levy, izy. (Ek 6:16, 18, 20, 23; No 3:2) I Arona sy ireo zanany lahy (Nadaba, Abiho, Eleazara, ary Itamara) no mpisorona voalohany teo amin’ny Israely, ary i Mosesy no nanome fahefana azy ireo ho mpisorona.—Le 8.
Voalaza fa i Eleazara no lehiben’ireo Levita, tamin’ny taona faharoa nivoahan’ny Israelita avy tany Ejipta. Efa vita ny tranolay masina tamin’izay. (No 1:1; 3:32) Tsy maintsy ho efa 30 taona na mihoatra izy tamin’izay, matoa nanao ny asan’ny mpisorona.—No 4:3.
Anisan’ireo olona 20 taona mahery, izay niala tany Ejipta ary tafiditra soa aman-tsara tao amin’ny Tany Nampanantenaina, i Eleazara. Izy mantsy tsy voakasik’ilay fanamelohan’Andriamanitra hoe tsy hisy amin’ireo 20 taona no ho miakatra hiditra ao amin’ny Tany Nampanantenaina, afa-tsy Josoa sy Kaleba. Tsy voakasika i Eleazara satria Levita ka tsy anisan’ireo foko 12 niharan’io fanamelohana io. Tsy nanana solontena tamin’ireo mpitsikilo 12 lahy ny fokon’i Levy, sady azo inoana fa tsy anisan’ireo olona tsy ampy finoana izay nikomy sy nimenomenona tamin’i Jehovah, rehefa nilaza zavatra ratsy momba an’ilay tany ireo mpitsikilo 10 lahy.—No 13:4-16; 14:26-30.
Tsy ela taorian’ny nitokanana ny tranolay masina sy nametrahana an’i Arona sy ny zanany lahy ho mpisorona, dia nanolotra afo tsy ara-dalàna teo anatrehan’i Jehovah i Nadaba sy Abiho (Le 8), ka nisy afo avy tamin’i Jehovah namono azy roa lahy. (Le 10:1, 2; No 3:2-4) Nanohy ny asa fisoronana i Arona sy ireo zanany tsy nivadika, izany hoe i Eleazara sy Itamara. Nozaraina ny asa fanao tao amin’ny toerana masina ka i Eleazara no niandraikitra ny tranolay masina sy ny fitaovana tao, ny fanatitra varimbazaha atolotra tsy tapaka, ny menaka masina, ary ny emboka manitra. (No 4:16) Nasain’i Jehovah notsimponin’i Eleazara ny fitondrana afo varahina nampiasain’i Kora sy ireo olon-kafa (tsy mpisorona) niaraka taminy, izay samy te ho mpisorona ka nanolotra emboka manitra ho an’i Jehovah. Nalain’i Eleazara izany ka namboariny ho takelaka manify napetaka teo amin’ny alitara. (No 16:37-40) I Eleazara no niandraikitra ny fanolorana an’ilay vantotr’ombivavy mena natao fanatitra noho ny ota sy nakana lavenona mba hampiasaina hidiovana amin’ny fahalotoana samihafa.—No 19:2, 3, 9; He 9:13.
Niady tamin’ny Midianita ny Israelita mba hanafaizana azy ireo, noho ilay zava-nitranga tao Peora. Rehefa vita ilay ady ka nozaraina ireo zavatra azo babo avy tamin’ireo Midianita, dia nanampy teo i Eleazara ary nanambara ny didin’i Jehovah momba an’ireny zavatra ireny.—No 31:6, 21-41.
Rehefa nanota ny Israely ka nanompo an’i Balan’i Peora, dia sahy nanao zavatra mba hiarovana ny fivavahana madio i Finehasa, zanakalahin’i Eleazara tamin’ny iray tamin’ny zanakavavin’i Potiela. Namaly soa azy i Jehovah ka nanao fifanekem-pihavanana taminy hoe ho azy sy ny taranany foana ny asa fisoronana. Azo lazaina hoe fanamafisana ny fifanekena nataon’i Jehovah tamin’ny fokon’i Levy izany.—No 25:1-13; Ek 6:25.
Lasa mpisoronabe. Maty i Arona tamin’izy 123 taona, tamin’ny taona faha-40 nivezivezen’ny Israelita tany an-tany efitra. Lasa mpisoronabe i Eleazara, izay 70 taona teo ho eo tamin’izay. (No 33:37-39) I Eleazara àry no mpisoronabe voalohany teo amin’ny Israely rehefa tafiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina izy ireo, valo volana teo ho eo tatỳ aoriana. (No 20:25-28; De 10:6; Js 4:19) Teo anatrehan’i Eleazara i Josoa no nijoro rehefa notendrena mba handimby an’i Mosesy. Tokony hanohana an’i Josoa foana i Eleazara ary hilaza aminy ny didim-pitsaran’i Jehovah momba an’ireo raharaha lehibe, araka izay nambaran’ny Orima sy ny Tomima. (No 27:18-23) Niara-niasa tamin’i Josoa koa i Eleazara, rehefa resy i Kanana ka nozaraina ny Tany Nampanantenaina.—Js 14:1; 21:1-3.
Taranany ny ankamaroan’ny mpisorona. Tsy voalaza mazava ao amin’ny Soratra Masina hoe oviana no maty i Eleazara. Toa tsy nifanalavitra tamin’ny fotoana nahafatesan’i Josoa anefa izany. I Finehasa zanany no nandimby azy. (Js 24:29, 30, 33; Mpts 20:27, 28) Nafana fo tamin’ny fivavahana marina i Eleazara ary nanao tsara ny asan’ny mpisorona, nandritra ny androm-piainany. Milaza ny lovantsofina jiosy fa notsinjaraina ho fizarana 16 ny mpisorona rehefa tao Silo ny tranolay masina, ka ny fizarana 8 tao amin’ny fianakavian’i Eleazara ary ny 8 tao amin’ny fianakavian’i Itamara rahalahiny. Tamin’ny andron’i Davida anefa, dia maro kokoa ny lohan’ireo fianakaviambe teo amin’ny taranak’i Eleazara noho ny teo amin’ny taranak’i Itamara. Notsinjarain’i Davida ho fizarana 16 àry ny mpisorona taranak’i Eleazara ary 8 kosa ny taranak’i Itamara, ka antoko-mpisorona 24 no nifandimby nanompo tao amin’ny tempoly tatỳ aoriana.—1Ta 24:1-4.
2. Zanakalahin’i Abinadaba. I Eleazara no nohamasinina mba hiambina ny Vata masina, rehefa nentina tao an-tranon-drainy tao Kiriata-jearima izy io, taorian’ny namerenan’ny Filistinina azy.—1Sa 7:1, 2.
3. Zanakalahin’i Dodo Ahohita. Iray tamin’ireo telo lahy tena mahery tao amin’ny tafik’i Davida. Niaraka tamin’i Davida tao Pasy-damima izy rehefa niady tamin’ny Filistinina i Davida. Niavaka izy tamin’izay. Nijoro teo amin’ny sombin-tany iray feno vary orza naniry mantsy izy, sady namely an’ireo Filistinina tamin’ny tanany ilany. Nahazo “famonjena lehibe” avy tamin’i Jehovah ny Israelita, vokatr’izany.—1Ta 11:12-14; 2Sa 23:9, 10.
4. Zanakalahin’i Maly taranak’i Merary, avy amin’ny fokon’i Levy. Tsy nitera-dahy i Eleazara fa vavy ihany. Nanambady an’ireo zazavavy ireo àry ny zanak’i Kisy dadatoan’izy ireo.—1Ta 23:21, 22.
5. Zanakalahin’ny lehilahy iray atao hoe Finehasa. Nanampy an’i Meremota mpisorona i Eleazara, rehefa nolanjaina ny volafotsy sy ny volamena ary ny fitaovana nampiasaina tao amin’ny tempoly, tamin’ny andro fahefatra nahatongavan’i Ezra tany Jerosalema.—Ezr 8:29, 32, 33.
6. Taranak’i Parosy i Eleazara ary anisan’ireo nanambady vehivavy hafa firenena, nefa nandroaka azy ireny rehefa nampirisihin’i Ezra hanao izany.—Ezr 10:25, 44.
7. Levita mpisorona. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny filaharam-be nalamin’i Nehemia ho fitokanana an’ilay mandan’i Jerosalema voaorina indray izy.—Ne 12:42.
8. Anisan’ny razamben’i Josefa ray nitaiza an’i Jesosy.—Mt 1:15.