-
AmoritaFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Foko lehibe indrindra tany Kanana. Misy mpivaofy teny milaza fa ny foko rehetra tany Kanana no nantsoina hoe “Amorita” ao amin’ny Genesisy 15:16 sy 48:22. Ny Amorita tokoa no foko lehibe indrindra tany Kanana, tamin’ny fotoana nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta. (Ampit. De 1:6-8, 19-21, 27; Js 24:15, 18; Mpts 6:10.) Tsy mahagaga àry raha nolazaina hoe Amorita koa indraindray ireo foko kely kokoa. Milaza, ohatra, ny Nomery 14:44, 45 fa ny “Amalekita” sy “Kananita” no voalohany nandresy ny Israelita. Notsorin’i Mosesy anefa tatỳ aoriana hoe “ny Amorita” no nandresy azy ireo. (De 1:44) Milaza koa, ohatra, ny Josoa 10:5 fa Amorita ilay mpanjaka tao Jerosalema (ampit. Ezk 16:3, 45), nefa milaza ny andininy hafa fa ny Jebosita no nonina tao. (Js 15:8, 63; Mpts 1:21; ampitahao koa amin’ny Js 9:7 sy 2Sa 21:2 momba ny Gibeonita.) Mitovitovy amin’izany ihany koa fa avy amin’ny hoe Joda, izay anaran’ny foko iray teo amin’ny Israely, no nahatonga ny Israelita rehetra hantsoina hoe “Jiosy” (midika hoe: An’i Joda).
-
-
HormaFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Voalaza fa nivoaka hifanandrina tamin’ny Israelita ny Amalekita sy ny Kananita. (“Amorita” no ampiasaina ao amin’ny De 1:44 hilazana ny mponina tao Kanana tamin’ny ankapobeny; ampit. Ge 48:22; Js 24:15.) Resin’izy ireo ny Israelita, ka naparitany “hatrany Horma.” (No 14:45) Naparitaka “tany Seira ka hatrany Horma” izy ireo, hoy ny Deoteronomia 1:44. I Seira no faritanin’ny Edomita tamin’izany, ary toa hatrany amin’ny Lohasaha Falehan-driakan’i Araba ka hatrany Negeba ny faritra nanjakan’izy ireo. (Ampit. No 20:14, 16; Js 11:17.) Resy ny Israelita ka niverina tany Kadesy.—De 1:45, 46.
Nanatona an’i Kanana indray ny Israelita rehefa avy nirenireny tany an-tany efitra. Tonga hanafika azy ireo anefa ilay Kananita mpanjakan’i Arada. (Jereo ARADA No. 2.) Tsy fantatsika koa hoe tonga hatraiza tany atsimo izy vao nihaona sy niady tamin’ny Israelita. Resin’ny Israelita anefa ilay mpanjaka, rehefa avy nivoady tamin’i Jehovah izy ireo. “Naringan’izy ireo” ny tanànan’ilay mpanjaka, ary nantsoiny hoe “Horma” ilay toerana. (No 21:1-3; jereo ZAVATRA VOATOKANA.) Efa nampiasa an’io anarana io i Mosesy tany aloha, tamin’izy nitantara momba ny nandresen’ny Kananita ny Israely. Angamba izy tamin’izay nieritreritra ny hampiasa azy io indray any aoriana, sy hampahafantatra ny fiavian’io anarana io. (No 14:45) Tsy nipetraka tao amin’io faritra io anefa ny Israelita fa nihodidina an’i Edoma ary nivily nianavaratra, ka tonga tao Kanana tamin’ny farany rehefa avy niampita an’i Jordana teo avaratry ny Ranomasina Maty.—No 21:4; 22:1.
-