-
FanevatevanaFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Tsy tamin’ny teny ihany fa tamin’ny atao koa ny olona iray no ‘nanevateva an’i Jehovah.’ Nanao izany izy rehefa nandika ny lalàny. Namindrana fo izay nandika izany tsy nahy, fa novonoina ho faty kosa izay ninia nanota, na teratany israelita izy na vahiny. Nanevateva an’i Jehovah mantsy izy sady nanao tsinontsinona ny teniny sy ny didiny.—No 15:27-31; ampit. De 31:20; Ne 9:18, 26.
-
-
FandroahanaFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy. Naringana na novonoina ho faty izay ninia nandika ny lalàn’Andriamanitra na nanao fahotana lehibe (Le 7:27; No 15:30, 31), toy ireo nivadi-pinoana, nanompo sampy, nanitsakitsa-bady, nihinan-dra, ary namono olona.—De 13:12-18; Le 20:10; 17:14; No 35:31.
-