-
AronaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Mpisoronabe nisolo tena an’ireo foko 12 teo anatrehan’i Jehovah i Arona, nandritra ny 40 taona latsaka. Taorian’izay, dia nisy Levita iray atao hoe Kora sy Robenita telo lahy atao hoe Datana sy Abirama ary Ona nitarika ny Israelita hikomy sy tsy hanaiky ny fahefan’i Mosesy sy Arona, tany an-tany efitra. Tsy faly izy ireo hoe i Mosesy sy Arona no nitondra an’ilay firenena. Nataon’i Jehovah nisokatra àry ny tany tandrifin’ny tranolain’i Kora sy Datana ary Abirama, ka latsaka tao ireo mpikomy sy ny ankohonany. I Kora kosa levon’ny afo niaraka tamin’ireo 250 lahy niara-nikomy taminy. (No 16:1-35) Nimenomenona tamin’i Mosesy sy Arona ny fiangonana avy eo, ka nandefa loza nahafaty Andriamanitra vokatr’izany. Nasain’i Mosesy nivoaka nitondra ny fitondrana afony i Arona, mba handrakotra ny fahotan’ny vahoaka sy ‘hijoro teo anelanelan’ny maty sy ny velona’, mandra-pitsahatr’ilay loza. Nankatò izany i Arona ka hita fa tena nanam-pinoana sy be herim-po izy.—No 16:46-50.
-
-
AbiramaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nanohitra ny fahefan’i Mosesy sy Arona ny Levita atao hoe Kora, ary nomba an’i Kora i Abirama sy Datana rahalahiny. Nanohana an’ilay fikomiana koa ny Robenita iray fahatelo atao hoe Ona, fa tamin’ny voalohany ihany. Tsy voaresaka intsony izy avy eo. (No 16:1) Nanangona mpiadidy 250 lahy, izay samy “lehilahy nanan-daza”, ireo mpikomy ireo, ka nanome tsiny an’i Mosesy sy Arona hoe nanandra-tena ho ambony noho ny fiangonana. (No 16:1-3) Hita tamin’ny tenin’i Mosesy tamin’i Kora fa nitsiriritra ny asa fisoronana nomena an’i Arona i Kora sy ireo Levita niaraka taminy. (No 16:4-11) Tsy nitsiriritra izany kosa i Abirama sy Datana, satria Robenita izy ireo. Nampanantsoin’i Mosesy nitokana àry izy roa lahy. Tsy nety nankany aminy anefa izy ireo, ary hita tamin’ny valin-tenin’izy ireo fa i Mosesy ihany no nomeny tsiny. Tsy niresaka momba an’i Arona izy ireo. Tsy azoazon’izy ireo hoe i Mosesy no nitondra an’ilay firenena. Nilaza izy ireo fa ‘nitady hanjakazaka tamin’izy ireo toy ny andriana’ i Mosesy sady tsy nampiditra azy ireo akory tany amin’ny tany tondra-dronono sy tantely, araka ny nampanantenainy. Vavaka no navalin’i Mosesy an’izany fiampangana izany. Teo anatrehan’i Jehovah izy no niaro ny tenany, ary tsy niresaka momba an’i Arona izy tamin’izay.—No 16:12-15.
Tsy vitan’ny hoe notoherin’izy ireo ny naha mpisorona an’i Arona, fa nolaviny koa ny fahefan’i Mosesy. (Sl 106:16) Toa fotoana nety tsara hanentanana ny vahoaka hitaky fanovana tamin’izay. Taloha kelin’izay mantsy dia efa nimenomenona mafy tamin’i Mosesy ny olona, ary nilaza mihitsy hoe hanendry mpitarika vaovao ary hiverina any Ejipta. Niresaka ny hitora-bato an’i Josoa sy Kaleba koa izy ireo, satria nanohana an’i Mosesy sy Arona izy roa lahy. (No 14:1-10) Inona no mety ho antony nanoheran’i Datana sy Abirama ny fahefan’i Mosesy? Taranak’i Levy i Mosesy. Taranak’i Robena, lahimatoan’i Jakoba, kosa i Datana sy Abirama. Nafoin’i Robena anefa ny zo hahazo ny lovan’ny lahimatoa, noho izy nanao ratsy. (1Ta 5:1) Mety hoe tian’i Datana sy Abirama hiverina àry ny fahambonian’io razambeny io. Tsy hoe niady tamin’i Mosesy sy Arona fotsiny anefa izy ireo, fa niady “tamin’i Jehovah” koa, satria i Jehovah no nanome fahefana an’i Mosesy sy Arona.—No 26:9.
-
-
TobyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Teo avaratra, atsinanana, atsimo, ary andrefan’ny tranolain’ny Levita no nitobian’ny foko 12. Toa lavitra ny tranolay masina no nisy azy ireo. Misy mpivaofy teny milaza hoe tany amin’ny 900 m tany ho any, satria tokony ho ‘roa arivo hakiho teo ho eo’ ny elanelan’ny vahoaka sy ny Vata misy ny fifanekena rehefa niampita an’i Jordana. (Js 3:4) Nozaraina efatra ny foko 12, ka nitondra ny anaran’ny foko teo afovoany ny fizarana tsirairay nisy foko telo. Joda, ohatra, no anaran’ilay fizarana teo atsinanan’ny tranolay masina, satria i Joda no teo afovoany, ary teo amin’ny andaniny roa i Isakara sy Zebolona. (No 2:3-8) Nisy 186 400 ny vatan-dehilahy 20 taona no ho miakatra tao amin’io fizarana io, tamin’ny 1512 T.K. (No 1:1-3; 2:9) Teo atsimo i Robena, ary teo anilany i Simeona sy Gada. Nisy 151 450 ny lehilahy mpiadin’izy ireo. (No 2:10-16) Taranak’i Jakoba sy Lea ary Zilpa mpanompovavin’i Lea ireo fizarana roa teo atsinanana sy atsimo ireo ary ny Levita. (Ge 35:23, 26) Samy teo atsimon’ny tranolay masina i Robena sy ny Kehatita, ka tsy mahagaga raha niara-nikomy tamin’i Kora Kehatita i Datana sy Abirama taranak’i Robena. (No 16:1) Teo andrefana kosa i Efraima, ary teo anilany ny fokon’i Manase sy Benjamina taranak’i Rahely. Nisy 108 100 ny miaramilan’izy ireo. (No 2:18-24) Teo avaratra i Dana niaraka tamin’i Asera sy Naftaly, ary 157 600 ny lehilahy mpiadin’izy ireo. (No 2:25-31) Taranak’i Bilaha mpanompovavin’i Rahely ny fokon’i Dana sy Naftaly, fa taranak’i Zilpa mpanompovavin’i Lea kosa ny fokon’i Asera.—Ge 35:25, 26.
-