-
Fanafahana ny Israelita avy Tany EjiptaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nisaina mitokana ny Levita rehefa voaisa ilay vahoaka, fotoana fohy taorian’ny nialana tany Ejipta. Nisy 22 000 ny Levita iray volana no ho miakatra. (No 3:39) Nahoana anefa no 22 273 monja ny isan’ireo lahimatoa iray volana no ho miakatra, teo anivon’ireo foko 12? (No 3:43) Noho ireto antony ireo: Tsy nisaina ny loham-pianakaviana; mety ho niteraka lahy be dia be ny lehilahy iray noho izy nanana vady maro, nefa iray ihany ny lahimatoany; ary ny lahimatoan’ilay lehilahy no nisaina fa tsy ny an’ny vadiny.
-
-
Lahimatoa, Voalohan-terakaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Tatỳ aoriana, dia nalain’i Jehovah ny lehilahy levita rehetra ho solon’ny lahimatoa rehetra teo amin’ny zanak’Israely hatramin’ny iray volana no ho miakatra, ankoatra an’ireo lahimatoan’ny Levita niisa 300. (Ampitahao ny No 3:21, 22, 27, 28, 33, 34 sy ny No 3:39.) Nihoatra 273 anefa ireo lahimatoa ireo, ka nisy vidim-panavotana sekely dimy (11 dolara) tsy maintsy naloa tamin’i Arona sy ny zanany lahy ho an’ny tsirairay tamin’ireo lahimatoa ireo. Nalain’i Jehovah koa ny biby fiompin’ny Levita ho solon’ny voalohan-teraka tamin’ny biby fiompin’ny foko hafa. (No 3:40-48) Nanomboka tamin’izay, dia tsy maintsy natolotra ho an’i Jehovah tany amin’ny tranolay masina na tempoly ny zanaka lahimatoa rehefa tapitra ny fotoana nidiovan’ny reniny. Tsy maintsy navotana tamin’ny “sekely volafotsy dimy, araka ny sekelin’ny toerana masina” izy ireo. Izany mantsy no vidiny nanombanana an’ireo lahy hatramin’ny iray volana no ho miakatra.—Le 12:1-3; 27:6; No 18:15, 16.
-