-
Ekeo Foana ny Fahefana Napetrak’AndriamanitraNy Tilikambo Fiambenana—2002 | 1 Aogositra
-
-
13. a) Nahoana no niana-kendry ireo mpikomy rehefa nanolotra ditin-kazo manitra teo anatrehan’i Jehovah? b) Inona no nataon’i Jehovah tamin’ireo mpikomy?
13 Ny mpisorona ihany no afaka nanolotra ditin-kazo manitra, araka ny Lalàn’Andriamanitra. Koa Levita tsy mpisorona ve no handeha hanolotra ditin-kazo manitra teo anatrehan’i Jehovah? Tokony ho nahatonga saina an’ireto mpikomy ireto izany. (Eksodosy 30:7; Nomery 4:16) Tsy tonga saina anefa i Kora sy ny mpomba azy! Ny ampitson’iny i Kora dia “nanangona ny namany rehetra ho eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana hanohitra [an’i Mosesy sy Arona].” Hoy ilay fitantarana: “Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Mihataha amin’ity fiangonana ity hianareo handringanako azy amin’ny indray mipì-maso monja.” Nitalaho ny hitsimbinana ny ain’ny vahoaka anefa i Mosesy sy Arona. Nanaiky hanao izany i Jehovah. Raha ny amin’i Kora sy ny tariny kosa, dia “nisy afo nivoaka avy tamin’i Jehovah ka nandevona ny lehilahy dimam-polo amby roan-jato izay nanatitra ditin-kazo manitra.”—Nomery 16:19-22, 35.c
-
-
Ekeo Foana ny Fahefana Napetrak’AndriamanitraNy Tilikambo Fiambenana—2002 | 1 Aogositra
-
-
c Fahiny, dia ny raim-pianakaviana no nisolo tena ny vady aman-janany teo anatrehan’Andriamanitra. Nanao sorona ho azy ireo mihitsy aza izy. (Genesisy 8:20; 46:1; Joba 1:5) Rehefa nomena anefa ny Lalàna, dia ny lehilahy tao amin’ny fianakavian’i Arona no notendren’i Jehovah ho mpisorona. Niharihary fa tsy naniry hanaraka io fanitsiana io ireo mpikomy 250.
-