-
TavyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Ny teny hebreo helev no nadika hoe ‘tavy’, na ny an’ny biby (Le 3:3) na ny an’olona (Mpts 3:22). Ny teny hebreo peder kosa no nadika hoe ‘jabora’, izay taviny eo amin’ny voan-kena na ny tehezan’ny biby natao fanatitra dorana. (Le 1:8, 12; 8:20) Ao amin’ny Genesisy 4:4 no ahitana voalohany ny hoe helev, izay ilazana ny ‘tavin’ny’ voalohan-teraky ny andian’ondry natolotr’i Abela ho an’i Jehovah. Ilazana fotsiny ny fanaovana sorona ny hoe helev, tatỳ aoriana. Manana heviny an’ohatra koa hoe izay tsara indrindra amin’ny zavatra iray, izy io. Nilaza tamin’i Josefa, ohatra, i Farao fa afaka mihinana “ny matavy [“izay tsara indrindra”, TV] eto amin’ny tany” ny fianakaviany. (Ge 45:18, Prot.) Hoy koa ny Nomery 18:12: “Efa nomeko anao izay tsara indrindra [helev] amin’ny menaka sy ny divay vaovao ary ny varimbazaha.”—Jereo Sl 81:16; 147:14.
-
-
Voaloham-bokatraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Tokony hatolotry ny Israelita koa ireto voaloham-bokatra hafa ireto, ankoatra ireo fanatitra natolotry ny mpisoronabe noho ny fahotan’ilay firenena ireo: Ny lahy voalohan-teraka rehetra, na olona na biby, izay nohamasinina ho an’i Jehovah ka natolotra ho azy na navotana (jereo LAHIMATOA, VOALOHAN-TERAKA); santatry ny varimbazaha tsy nototoina malemy natao mofo boribory (No 15:20, 21); ary vokatry ny tany natao tao anaty harona izay nentin’ny Israelita tao amin’ny toerana masina. (De 26:1, 2) Tao izy dia namerina ny voalazan’ny Deoteronomia 26:3-10, izay famintinana ny tantaran’ilay firenena tany Ejipta, ny nanafahana azy tany, ary ny nitondrana azy tao amin’ny Tany Nampanantenaina.
Fanaon’ny Israelita isam-paritra, hono, ny nandefa solontena hanolotra ny voaloham-bokatra, mba tsy ho voatery hankany Jerosalema ny rehetra isaky ny niakatra ny vokatra voalohany. Tsy noferan’ny Lalàna ny habetsahan’ny voaloham-bokatra natolotra, nefa azo inoana fa nanome betsaka izay nalala-tanana sy velom-pankasitrahana an’i Jehovah. Tsy maintsy ny tsara indrindra anefa no natolotra.—No 18:12; Ek 23:19; 34:26.
Toy ny hoe maloto hoatran’ny olona tsy voafora ny voan’ny hazo nambolena, nandritra ny telo taona voalohany. Masina ho an’i Jehovah ny voany rehetra, ny taona fahefatra. Afaka nihinana ny voany kosa ny tompon’ilay hazo, ny taona fahadimy.—Le 19:23-25.
Lasan’ny mpisorona sy ny Levita ny voaloham-bokatra nomen’ny fokon’ny Israely 12 ho an’i Jehovah, satria tsy nahazo lova tao amin’ilay tany izy ireo. (No 18:8-13) Faly i Jehovah rehefa nomena tsy tapaka ny voaloham-bokatra, ary notahina ny mpisorona sy Levita ary ilay nanome. (Ezk 44:30) Toy ny hoe nandroba an’Andriamanitra àry izay tsy nanome, ka tsy nankasitrahany. (Ml 3:8) Nisy fotoana ny Israelita tsy nanome voaloham-bokatra, nefa nanome indray izy ireo rehefa nazoto nanompo an’i Jehovah ny mpitondra. Nanao fanavaozana i Hezekia Mpanjaka. Nohalavainy koa ny fotoana nankalazana ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay, ary nasainy nanolotra voaloham-bokatra sy ampahafolon-karena ny olona. Faly àry ny olona nanome voaloham-bokatra be dia be (volana faha-3-7): Varimbazaha, divay vaovao, menaka, tantely, ary ny vokatra rehetra avy teny an-tsaha. (2Ta 30:21, 23; 31:4-7) Nasain’i Nehemia nianiana ny olona nody avy tany Babylona hoe hanaraka ny lalàn’i Jehovah, ka hanolotra voaloham-bokatra isan-karazany.—Ne 10:29, 34-37; jereo FANATITRA.
-