-
AbarimaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Hita amin’izany fa mety ho tany amin’ny faritra avaratrandrefan’i Moaba no nisy an’i Abarima sy ilay tandavan-tendrombohitra tao aminy. Mety tsy ho izay fotsiny koa anefa no atao hoe faritr’i Abarima, fa mety ho anisany koa ilay tandavan-tendrombohitra iray manontolo teo atsinanan’ny Ranomasina Maty, hatrany avaratra ka hatrany atsimo. Miresaka momba ny toerana iray nitobian’ny Israelita ny Nomery 21:11 sy 33:44. Nantsoina hoe “Ie-abarima” io toerana io ao. Asehon’ny teny manodidina fa teo atsimon’i Moaba sy teo atsimon’ny Ranomasina Maty no nisy azy io. Mety ho izy io no farany atsimo amin’ilay faritra atao hoe Abarima.—Jereo IE-ABARIMA.
-
-
Ie-abarimaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
IE-ABARIMA
(Iè-abarìma) [Korontam-baton’ny Toerana Fiampitana Rano (Fiampitana); Korontam-baton’ny Sisin-tany (Faritra eny Ampita)].
Toerana iray nitobian’ny Israelita tany an-tany efitra. Tsy fantatra tsara ny toerana nisy azy, fa azo inoana kosa hoe teo amin’ny ilany atsimon’ny sisin-tanin’i Moaba ary tsy lavitra ny lohasaha falehan-driakan’i Zareda. (No 21:11, 12; 33:44) I Ie-abarima angamba no toerana farany atsimo amin’ilay faritra atao hoe Abarima. (No 33:47, 48; jereo ABARIMA.) Milaza i Yohanan Aharoni fa ilay toerana atao hoe el-Medeiyineh no i Ie-abarima. Toerana fiampitana ny Sakelidranon’i Zareda io el-Medeiyineh io, ary eo amin’ny 60 km eo ho eo any atsimon’i Dibona-gada izay toerana nanaraka voalaza fa nitobian’ny Israely.—Ilay Tany Resahin’ny Baiboly, 1979, p. 202, 436.
-