-
Andro FaranyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Faminanian’i Balama. Hoy i Balama mpaminany tamin’i Balaka mpanjakan’i Moaba, talohan’ny nidiran’ny Israelita tao amin’ny Tany Nampanantenaina: “Avia ianao hilazako izay hataon’io firenena [Israely] io amin’ny firenenao any am-parany any. ... Hisy kintana hivoaka avy amin’i Jakoba, ary hisy tehim-panjakana hipoitra avy amin’ny Israely. Hovakiny ny fihirifan’i Moaba, sy ny karandohan’ny zanak’ireo tia ady.” (No 24:14-17) I Davida Mpanjaka ilay “kintana” satria resiny ny Moabita. (2Sa 8:2) Nanomboka àry ilay hoe “any am-parany any” rehefa lasa mpanjaka i Davida. Mifanitsy amin’i Davida anefa ilay Mesia Mpanjaka, ka ho tanteraka amin’i Jesosy koa io faminaniana io rehefa handresy ny fahavalony izy.—Is 9:7; Sl 2:8, 9.
-
-
MoabaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Niady tamin’ny Israely koa i Moaba rehefa lasa mpanjaka i Davida. Resy tanteraka anefa ny Moabita ka nandoa hetra taminy. Toa ny roa ampahatelon’ny miaramila moabita no novonoina, rehefa vita ilay ady. Mety ho nasain’i Davida nitsotra tamin’ny tany izy ireo ary norefesina tamin’ny tady, ka natokana hovonoina ny roa ampahatelony, fa ny ampahatelony kosa tsy novonoina. (2Sa 8:2, 11, 12; 1Ta 18:2, 11) Toa tamin’io ady io koa i Benaia zanak’i Joiada no “nahafaty an’ireo roa lahy zanak’i Ariela avy any Moaba.” (2Sa 23:20; 1Ta 11:22) Anisan’ny nanatanteraka ilay faminaniana nambaran’i Balama 400 taona mahery talohan’izay àry i Davida. Hoy ilay faminaniany: “Hisy kintana hivoaka avy amin’i Jakoba, ary hisy tehim-panjakana hipoitra avy amin’ny Israely. Hovakiny ny fihirifan’i Moaba, sy ny karandohan’ny zanak’ireo tia ady.” (No 24:17) Toa io fandresena io koa no tian’ny mpanao salamo horesahina rehefa nilaza izy hoe ‘koveta isasan’Andriamanitra’ i Moaba.—Sl 60:8; 108:9.
-
-
Apokalypsy, Bokin’nyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Farany, milaza i Jehovah Andriamanitra fa ‘ho avy haingana izy hamaly ny tsirairay araka izay nataony.’ Manambara koa i Jesosy, “ilay vavolombelona mendri-pitokisana sy marina”, fa tanteraka ilay zava-miafina masina momba ilay Fanjakana. Hoy izy: “Izaho no faka sy taranak’i Davida, sy ilay kintan’ny maraina mamirapiratra.” Izy ilay mpandova an’i Davida araka ilay fifanekena hoe hanjaka mandrakizay ny taranany. Izy koa ilay kintana nambaran’ny Nomery 24:17. Tsy vitan’i Satana sy ny bibidia ary Babylona Lehibe (Ap 12:1-10; 17:3-14) àry ny hisakana an’io “kintana” io tsy hipoitra avy amin’ny taranak’i Davida, sy tsy hipetraka eo amin’ilay seza fiandrianana any an-danitra mandrakizay.—Ap 22:6-16.
-