-
AmramaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
1. Zafikelin’i Levy avy tamin’i Kehata zanany lahy. (Ek 6:16, 18, 20; No 3:19; 26:58; 1Ta 6:18) Voalaza fa nanambady an’i Jokebeda “anabavin-drainy” i Amrama. Mbola azo natao izany tamin’izay, saingy voararan’ny Lalàn’i Mosesy tatỳ aoriana. (Le 18:12) Milaza anefa ny Baiboly sasany fa zanak’olo-mpiray tam-po i Jokebeda sy Amrama. (Jereo JOKEBEDA.) I Arona sy Miriama ary Mosesy no zanany.—Ek 6:20; No 26:59; 1Ta 6:2, 3; 23:12, 13.
-