-
EtamaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
ETAMA
(Etàma).
1. Toerana faharoa nolazain’i Mosesy fa nitobian’ny Israelita rehefa niala tany Ejipta izy ireo. (Ek 13:20; No 33:3-7) Tao Etama, “teo an-tsisin’ny tany efitra”, ny Israelita no “niverina” ho any Pihahirota, ary teo Pihahirota izy ireo no niampita ny ranomasina. (No 33:7, 8) Hita amin’izany fa saika tao Etama ny Israelita no nivoaka an’i Ejipta raha tsy nasain’i Jehovah niverina.
Niverina àry ny Israelita ka nihevitra i Farao fa ‘nivenjivenjy fotsiny tsy nahita lalana’ izy ireo, sady “voahidin’ny tany efitra.” Izany no nahatonga azy hanenjika azy ireo. Nampiharin’Andriamanitra tamin’ny Ejipsianina teo amin’ny Ranomasina Mena àry ny didim-pitsarany.—Ek 14:1-4.
Misy manam-pahaizana milaza fa tany atsinanan’ny Lohasaha Falehan-driaka Tomilat, any avaratr’ireo Farihy Mangidy, i Etama. Miezaka mitady porofon’izany izy ireo. Mihevitra mantsy izy ireo fa misy ifandraisany ilay teny hebreo (ʼEtam) hoe Etama sy ilay teny ejipsianina tranainy (htm) nadika hoe lapa. Na marina aza anefa izany, dia betsaka ny toerana nantsoina tamin’io anarana ejipsianina io. Tsy teo amin’ny lalana nianavaratra avy tany Ejipta, izany hoe teo amin’ny “lalana mankany amin’ny tanin’ny Filistinina”, no nisy an’i Etama. (Ek 13:17) Azo inoana àry fa tsy maintsy ho tany avarabaratry ny Ranomasina Mena i Etama, teo amin’ny sisin’ny tany efitra, tany amin’ny ilany avaratrandrefan’ny Saikinosin’i Sinay.
-