-
RanomasinaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Ranomasina tany Israely sy ny manodidina. Ny nalaza indrindra dia i Mediterane izay nantsoina hoe “Ranomasina Lehibe”, na “ranomasina andrefana”, na “Ranomasina” fotsiny. (Js 1:4; De 11:24; No 34:5) Ireto kosa ny ranomasina hafa: Ranomasina Mena na Ranomasin’i Ejipta (Ek 10:19; Is 11:15); Ranomasin-tsira (Ranomasina Maty) na Ranomasin’i Araba na “ranomasina atsinanana” (De 3:17; Ezk 47:18); ary ny Ranomasin’i Galilia na Ranomasin’i Kinereta na Ranomasin’i Tiberiasy. (Mt 4:18; No 34:11; Jn 6:1; jereo GALILIA, RANOMASIN’I; RANOMASINA LEHIBE; RANOMASINA MENA; RANOMASIN-TSIRA.) Ny teny manodidina no ahalalana ny hevitry ny teny hoe “ranomasina” ao amin’ny Baiboly. (Ek 14:2 [ampit. 13:18]; Mr 2:13 [ampit. and. 1].) Renirano indraindray no tiana holazaina amin’ilay teny hebreo nadika hoe ranomasina.—Je 51:36 (Eofrata); Is 19:5 (Neily).
-