-
Aina, IIFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
1. Toerana iray notononin’i Jehovah tamin’i Mosesy rehefa nofaritana ny sisin-tanin’ny Israely tany atsinanana. (No 34:11) Lazain’io andininy io fa “any atsinanan’i Aina” no misy an’i “Ribla.” Tsy ilay Ribla any Hamata any avaratr’i Damaskosy izy io matoa tononina miaraka amin’ny Ranomasin’i Kinereta (Galilia). Any avaratr’io ranomasina io no misy an’i Aina, na dia tsy fantatra aza izay tena nisy azy.
-
-
Galilia, Ranomasin’iFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
GALILIA, RANOMASIN’I
Farihin-dranomamy any avaratr’i Palestina, ary antsoina koa hoe Ranomasin’i Kinereta (No 34:11), Farihin’i Genesareta (Lk 5:1), ary Ranomasin’i Tiberiasy (Jn 6:1). (Mety hidika koa hoe “farihy” ilay teny grika nadika hoe “ranomasina.”)—SARINTANY, Boky Faha-2, p. 740; SARY, Boky 1, p. 336, sy Faha-2, p. 740.
-