-
Inona no Angatahin’i Jehovah Amintsika?Ny Tilikambo Fiambenana—2009 | 1 Oktobra
-
-
Inona no Angatahin’i Jehovah Amintsika?
TSY mora foana ny misafidy hoe hankatò sa tsia. Raha masiaka na sarotiny loatra, ohatra, ny mpampiasa, dia mety hanaiky azy tsy sazoka ny mpiasa. Ny mpanompon’i Jehovah kosa mankatò azy an-tsitrapo. Nahoana? Mamaly izany i Mosesy ao amin’ny Deoteronomia 10:12, 13.a
Nametraka an’izao fanontaniana izao i Mosesy, rehefa namintina ny zavatra takin’Andriamanitra: “Inona moa no angatahin’i Jehovah Andriamanitrao aminao?” (Andininy 12) Zon’Andriamanitra ny mangataka amintsika an’izay rehetra tiany. Izy rahateo no Tompo Fara Tampony sy Loharanon’aina ary Mpamelona antsika. (Salamo 36:9; Isaia 33:22) Zony ny manery antsika hankatò azy. Tsy tiany hankatò azy tsy sazoka anefa isika. Inona kosa no angatahiny? Ny ‘hankatoavantsika [azy] amin’ny fo.’—Romanina 6:17.
Inona no handrisika antsika hankatò an’Andriamanitra an-tsitrapo? Nilaza fomba iray i Mosesy. Hoy izy: ‘Matahora an’i Jehovah Andriamanitrao.’b (Andininy 12) Tsy horohoro noho ny tahotra sao hiharan-doza izy io fa tahotra mahasoa, mahatonga antsika hanaja lalina an’Andriamanitra sy ny fitsipiny. Tsy hanao izay hampahatezitra azy isika, raha manaja lalina azy.
Inona anefa no tena tokony handrisika antsika hankatò an’Andriamanitra? Hoy i Mosesy: ‘Tiavo i Jehovah Andriamanitrao ary manompoa azy amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo.’ (Andininy 12) Tsy fihetseham-po fotsiny ny hoe tia an’Andriamanitra. Hoy ny boky iray: “Indraindray ny matoanteny hebreo mampiseho fihetseham-po dia midika koa hoe manao zavatra vokatr’io fihetseham-po io.” Midika hoe “manao zavatra amim-pitiavana” ho an’Andriamanitra ny hoe tia azy, hoy io boky io. Raha tena tia an’Andriamanitra àry isika dia hanao zavatra fantatsika fa hampifaly azy.—Ohabolana 27:11.
Misy fetrany ve ny fankatoavantsika an’Andriamanitra? Hoy i Mosesy: ‘Mandehana amin’ny lalan’Andriamanitra rehetra.’ (Andininy 12) Tian’i Jehovah hanao izay rehetra angatahiny amintsika isika. Mety ho voa mafy ve isika raha mankatò azy tanteraka? Tsy izany mihitsy.
-
-
Inona no Angatahin’i Jehovah Amintsika?Ny Tilikambo Fiambenana—2009 | 1 Oktobra
-
-
a Natao ho an’ny Israelita fahiny ireo tenin’i Mosesy ireo, nefa mihatra amin’izay rehetra te hampifaly an’Andriamanitra ankehitriny koa.—Romanina 15:4.
-