-
AlitaraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nasaina noravan’ny Israelita daholo ny alitaran’ny mpanompo sampy mbamin’ireo tsangambato masina sy tsato-kazo masina teo anilan’izy ireny. (Ek 34:13; De 7:5, 6; 12:1-3) Tsy tokony haka tahaka an’ireny izy ireo, na handoro ny zanany ao anaty afo toy ny nataon’ny Kananita. (De 12:30, 31; 16:21) Tokony ho iray fa tsy maro ny alitara haorin’izy ireo ho an’ilay tena Andriamanitra, eo amin’ny toerana efa nofidiny. (De 12:2-6, 13, 14, 27; ampifanohero amin’ny alitara tany Babylona, izay nisy 180 ny an’i Ishtar andriamanibavy fotsiny.) Nasaina nanao alitara tamin’ny vato tsy voapaika izy ireo rehefa tafita ny Reniranon’i Jordana. (De 27:4-8) Naorin’i Josoa teo amin’ny Tendrombohitra Ebala izy io. (Js 8:30-32) Nanorina alitara lehibe teo akaikin’i Jordana ny fokon’i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, rehefa voazara ny Tany Nampanantenaina. Nisahotaka ny foko hafa satria nihevitra hoe nivadi-pinoana izy ireo. Hay ilay izy natao ho fahatsiarovana ny tsy fivadihan’izy ireo amin’ilay tena Andriamanitra.—Js 22:10-34.
Nisy alitara koa naorina rehefa nisy anjely niseho, toy ilay alitara tany Bokima sy ilay naorin’i Manoa. Nisy koa nasain’ny anjely naorina, toy ilay nataon’i Gideona. Vetivety ihany anefa no nampiasana azy ireny. (Mpts 2:1-5; 6:24-32; 13:15-23) Nanorina alitara ny Israelita rehefa nifampidinika hoe ahoana no hatao mba tsy ho lany tamingana ny fokon’i Benjamina. Tsy fantatra anefa raha nankasitrahan’i Jehovah ilay izy, na “nanao izay noheveriny fa nety” fotsiny izy ireo. (Mpts 21:4, 25) Solontenan’Andriamanitra i Samoela ka nanolotra sorona tao Mizpa ary nanorina alitara tao Rama (1Sa 7:5, 9, 10, 17), satria angamba tsy niseho tao amin’ilay tranolay masina tao Silo intsony i Jehovah rehefa tsy tao ny Vata masina.—1Sa 4:4, 11; 6:19-21; 7:1, 2; ampit. Sl 78:59-64.
Alitara nampiasaina vetivety. Imbetsaka no nisy alitara toy izany. Nanolotra sorona tao Gilgala, ohatra, i Saoly, ary nanorina alitara tao Aialona. (1Sa 13:7-12; 14:33-35) Voateny mafy izy tao Gilgala satria tsy nahandry an’i Samoela, fa tsy hoe tsy nety ny toerana nofidiny.
Nasain’i Davida nanazava tamin’i Saoly i Jonatana hoe lasa tany Betlehema izy mba hiaraka amin’ny fianakaviany hanao sorona fanao isan-taona, ka tsy hiara-hisakafo amin’i Saoly amin’ny tsinam-bolana. Tetika fotsiny anefa izany ka tsy fantatra raha tena nanao an’ilay sorona ny fianakaviany na tsia. (1Sa 20:6, 28, 29) Nanorina alitara teo amin’ny famoloan’i Araona (Ornana) i Davida Mpanjaka tatỳ aoriana, araka ny baikon’i Jehovah. (2Sa 24:18-25; 1Ta 21:18-26; 22:1) ‘Nanolotra sorona teo amin’ny alitara’ i Solomona (1Mp 9:25), amin’ny heviny hoe izy no nandidy an’ireo mpisorona hanao izany.—Ampit. 2Ta 8:12-15.
Azo lazaina fa efa tao amin’ilay ‘toerana nofidin’i Jehovah Andriamanitra’ ilay alitara tao amin’ny tempolin’i Jerosalema, ka ‘tany no nalehan’ny’ Israelita. (De 12:5) Tamin’i Elia nifanandrina tamin’ireo mpisoron’i Bala no nanorina alitara teo amin’ny Tendrombohitra Karmela. (1Mp 18:26-35) Mpivadi-pinoana kosa no nanorina an’ireo alitara hafa. I Solomona no voalohany nivadi-pinoana toy izany, noho ny fitaoman’ireo vadiny hafa firenena. (1Mp 11:3-8) Nanorina alitara tao Betela sy Dana koa i Jeroboama raha vao niforona ny fanjakany tany avaratra, mba tsy handehanan’ny vahoakany intsony tany amin’ny tempolin’i Jerosalema. (1Mp 12:28-33) Nilaza ny mpaminany iray fa haripaka ireo mpisoron’ilay alitara tao Betela amin’ny andron’i Josia mpanjakan’ny Joda, ary hisy taolan’olona hodorana eo ambonin’ilay alitara. Ho fambara, dia nitresaka ilay alitara, ary tanteraka tokoa ilay faminaniana tatỳ aoriana.—1Mp 13:1-5; 2Mp 23:15-20; ampit. Am 3:14.
Be dia be ny alitaran’ny mpanompo sampy, tamin’ny andron’i Ahaba mpanjakan’ny Israely. (1Mp 16:31-33) Nisy alitara “isaky ny zoron-dalana tao Jerosalema”, tamin’ny andron’i Ahaza mpanjakan’ny Joda. Maro koa ny “toerana avo.” (2Ta 28:24, 25) I Manase aza nanorina alitara tao an-tranon’i Jehovah, sy alitara ho an’izay “rehetra eny amin’ny lanitra” teo amin’ny tokotanin’ny tempoly.—2Mp 21:3-5.
Nandrava an’ireny alitaran’ny mpanompo sampy ireny foana ireo mpanjaka tsy nivadika. (2Mp 11:18; 23:12, 20; 2Ta 14:3; 30:14; 31:1; 34:4-7) Hoy anefa i Jeremia talohan’ny nandravana an’i Jerosalema: “Lasa maro toy ny tanànanareo ny andriamanitrareo, ry Joda ô! Ary lasa maro toy ireo lalamben’i Jerosalema ny alitara naorinareo ho an’ilay zava-mahamenatra. Teny amin’ireny alitara ireny no nanolorany setroka ho sorona ho an’i Bala.”—Je 11:13.
-
-
AlitaraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Izay mifanitsy amin’ireo alitara. Nilaza i Paoly fa tandindona fotsiny ny zava-drehetra tao amin’ny tranolay masina sy ny tempoly mbamin’ny fanompoana tao. (He 8:5; 9:23) Asehon’ny Soratra Grika Kristianina hoe inona no mifanitsy amin’ireo alitara roa. Mifanitsy amin’ny alitaran’ny fanatitra dorana ny ‘sitrapon’Andriamanitra’, dia ny fahavononany hanaiky ny sorona lavorary nataon’ny Zanany lahitokana. (He 10:5-10) Teo anoloan’ny fidirana amin’ny toerana masina ilay alitara. Tsy maintsy mino an’ilay sorom-panavotana koa àry ny olona iray vao mahazo sitraka amin’Andriamanitra. (Jn 3:16-18) Iray monja io alitara fanaovana sorona io. Izany no antony nilazan’i Kristy hoe: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” Maro koa ny andininy manasongadina fa tokony ho tafaray ny Kristianina.—Jn 14:6; Mt 7:13, 14; 1Ko 1:10-13; Ef 4:3-6; mariho koa ny Is 56:7; 60:7, izay milaza fa hankeo amin’ny alitaran’Andriamanitra ny olona avy amin’ny firenena rehetra.
-