-
Vahiny, MpivahinyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Toa an’ireo Israelita, dia tsy maintsy nanaiky ny lalàna rehetra koa ny vahiny noforana izay lasa mpanompon’i Jehovah. (Le 24:22) Tsy maintsy nitandrina ny Sabata, ohatra, izy (Ek 20:10; 23:12), nankalaza ny Paska (No 9:14; Ek 12:48, 49), ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay (Ek 12:19), ny Fetin’ireo Herinandro (De 16:10, 11), ny Fetin’ny Trano Rantsankazo (De 16:13, 14), ary ny Andro Fandrakofam-pahotana (Le 16:29, 30). Nahazo nanolotra fanatitra izy (No 15:14), ary toy ny nataon’ny Israelita ihany no nataony rehefa nanolotra azy io. (No 15:15, 16) Tsy tokony hisy tsiny ny fanatiny (Le 22:18-20), ary hoentiny eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana, toy ny nataon’ny Israelita. (Le 17:8, 9) Tsy nahazo nanompo andriamani-kafa izy. (Le 20:2; Ezk 14:7) Tokony hararany amin’ny tany koa ny ran’ny haza azony, alohan’ny hihinanany azy, mba tsy ho ‘ringana’ izy. (Le 17:10-14) Mety ho samy voavela heloka izy sy ny Israelita, raha nanao fahadisoana tsy nahy ny vahoaka manontolo. (No 15:26, 29) Tsy maintsy nidio izy raha naloto, toy ny rehefa nikasika fatin’olona. (No 19:10, 11) Azo inoana fa tsy mpanompon’i Jehovah izay vahiny azo nomena biby maty ho azy.—De 14:21.
-
-
RaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Milaza ny Deoteronomia 14:21 fa azo namidy tamin’ny vahiny na tamin’ny hafa firenena ny biby maty ho azy na noviravirain’ny bibidia. Tsy mitovy àry ny lalàna momba ny ran’ny biby maty tamin’izany fomba izany sy ny ran’ny biby novonoina hatao sakafo. (Ampit. Le 17:14-16.) Tsy maintsy nankatò ny Lalàna ny Israelita, ary toy izany koa ny vahiny nanaraka ny fivavahana marina sy nanaiky ny fifaneken’ny Lalàna. Natao harahin’ny olona avy amin’ny firenena rehetra ilay lalàna ao amin’ny Genesisy 9:3, 4, fa nantenain’Andriamanitra hanao mihoatra noho izany kosa ny olona teo ambanin’ny Lalàna, ka hankatò an’io lalàna io mihoatra noho ny hafa firenena sy ny vahiny tsy mpanompon’i Jehovah.
-