Fianakaviana Tia An’Andriamanitra Tamin’ny Lasa — Modely ho An’izao Androntsika Izao
NY FIANAKAVIANA — ny Firenena Mikambana dia niezaka nanao azy io ho ny zavatra nifantohan’ny sain’izao tontolo izao. Tamin’ny fomba ahoana? Tamin’ny fanambarana ny 1994 ho ny “Taona Iraisam-pirenena ho An’ny Fianakaviana”. Na dia mailaka naneho ny alahelony momba ireo zavatra toy ny fitomboan’ny isan’ny zaza sary sy ny fisondrotan’ny taham-pisaraham-panambadiana aza ireo filoha eo amin’izao tontolo izao sy ireo sosiology ary ireo mpanolo-tsaina ho an’ny fianakaviana, dia nitaredretra kosa izy ireo nanome ireo vahaolana mandaitra sy mifanaraka amin’ny zava-misy ho an’ireny zava-manahirana ireny.
Mety hanana ireo vahaolana ho an’ireo zava-manahirana ny fianakaviana ve ny Baiboly? Ho an’ny sasany, dia mety ho toa tsotra loatra ny hanolorana hevitra fa ny Baiboly dia afaka manampy ireo fianakaviana amin’izao andro izao. Rehefa dinihina tokoa mantsy, izy io dia nosoratana efa taonjato maro lasa izay, tao amin’ny toe-javatra manodidina sy ny kolontsaina an’i Moyen-Orient. Any amin’ny ankamaroan’ireo faritra amin’izao tontolo izao, dia niova tamin’ny fomba nahery vaika ny fiainana hatramin’ny andron’ny Baiboly no ho mankatỳ. Na dia izany aza, ny Baiboly dia ara-tsindrimandrin’i Jehovah Andriamanitra, ilay ahazoan’ny fianakaviana rehetra anarana. (Efesiana 3:14, 15; 2 Timoty 3:16, NW ). Inona moa no lazain’ny Baiboly momba ireo zava-manahirana ny fianakaviana?
Fantatr’i Jehovah tsara izay ilaina mba hahatonga ny fiainam-pianakaviana hahafaly sy hahafa-po. Ny Teniny, ny Baiboly, noho izany, dia manan-javatra betsaka hambara momba ny fiainam-pianakaviana, ka ny sasany amin’izany dia amin’ny endriky ny fananarana. Ny Baiboly koa dia mirakitra ohatra ny amin’ireo fianakaviana izay nampiasa ireo fotopoto-pitsipika araka an’Andriamanitra. Ho vokatr’izany, izy ireo dia nifaly tamin’ny fananana tena fifandraisana akaiky sy tena fahafaham-po. Aoka isika hijery ny fiainam-pianakaviana tamin’ny andron’ny Baiboly mba hahitana hoe lesona inona avy no azo ianarana.
Ny maha-lohany — Zava-tsarotra ve?
Diniho, ohatra, ilay raharaha ny amin’ny maha-loham-pianakaviana. Tamin’ny andron’ny patriarika, ireo lehilahy toa an’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba, dia tsy azo niadian-kevitra fa “loham-pianakaviana”. (Asan’ny Apostoly 7:8, 9, NW; Hebreo 7:4). Hoy ny The New Manners and Customs of Bible Times, nosoratan’i Ralph Gower hoe: “Ny fianakaviana dia (...) ‘fanjakana kely’ iray notapahin’ny ray. Nanapaka ny vady aman-janany sy ny zafikeliny ary ny mpanompony izy — dia izay rehetra tao amin’ilay ankohonana.” Tsy azo lavina fa matetika ireo patriarika dia nanana fahefana tamin’ny fianakavian’ireo zanany lahy koa. — Ampitahao amin’ny Genesisy 42:37.
Moa ve izany tsy nanome lalana an’ireo lehilahy hampahory ny vady aman-janany? Tsy izany velively. Marina fa nilaza tamin’i Eva, ilay vehivavy voalohany, Andriamanitra hoe: “Ny vadinao no hianteheran’ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao”. (Genesisy 3:16). Ireo teny ireo dia nanambara izay hanjo ireo vehivavy nanambady tamin’ny ankapobeny, fa tsy nilazalaza kosa ny toe-javatra tokony hisy teo amin’ireo mpivavaka marina tamin’Andriamanitra. Tokony hitadidy tao an-tsainy ny fikasan’i Jehovah tany am-boalohany ireo lehilahy nanambady ka hatahotra an’Andriamanitra. Nanao vehivavy i Jehovah mba ho “mpanampy tandrifiny” an-dralehilahy, fa tsy ho andevony. (Genesisy 2:20, fanamarihana ambany pejy). Koa satria ireo lehilahy tia an’Andriamanitra tamin’ny andro taloha niaiky fa teo ambany fahefan’Andriamanitra sy nampamoahina teo anatrehany ny tenan’izy ireo, dia tsy nampiasa tamin’ny fomba ratsy ny fahefany, izy ireo. Tsy nitondra velively ireo vady aman-janany toy ny andevo ireo patriarika natahotra an’Andriamanitra, fa nampiseho fitiavana sy firaiketam-po marina taminy kosa.
Omena ao amin’ny Genesisy 50:23 (NW ) ny indray mitopy maso momba ny firaiketam-po azon’ireo ankizy, mazàna. Ao izy io dia milaza toy izao momba ireo zafiafin’i Josefa: “Nateraka ho eo am-pofoan’i Josefa izy ireo”. Na dia nety hidika fotsiny aza izany hoe nanaiky an’ireo ankizy ho taranany i Josefa, izany dia nety hidika koa hoe nilalao tamim-pitiavana niaraka tamin’ireo ankizy izy, ka nampandihindihy azy ireo teo am-pofoany. Manao ny tsara ireo ray amin’izao andro izao raha maneho fitiavana sahala amin’izany amin’ireo zanany.
Tamin’ny naha-loham-pianakaviana azy, ireo patriarika natahotra an’Andriamanitra dia nikarakara koa ny zavatra ara-panahy nilain’ny fianakaviany. Raha vantany vao nivoaka ny sambo fiara, taorian’ilay Safo-drano naneran-tany, i Noa, dia ‘nanorina alitara ho an’i Jehovah; ka nanao fanatitra nodorana teo ambony alitara’. (Genesisy 8:20; ampitahao amin’ny Joba 1:5.) Namela ohatra tsara i Abrahama, ilay patriarika nahatoky, tamin’ny fanomezana toromarika manokana an’ireo mpianakaviny. ‘Nandidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy izy, hitandreman’ireo ny làlan’i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy’. (Genesisy 18:19). Ny maha-lohany nisy fanehoam-pitiavana, araka izany, dia nandray anjara tamin’ny fisian’izay nahasoa ara-pihetseham-po sy ara-panahin’ny fianakaviana.
Manaraka an’io modely io ireo lehilahy kristiana amin’izao andro izao. Mampihatra ny maha-lohany azy izy ireo eo amin’ny raharaha mahakasika ny fanompoam-pivavahana, amin’ny fanampiana ny fianakaviany mba hanaraka ireo fepetra takin’Andriamanitra sy amin’ny fanomezan’ny tenan’izy ireo ohatra tsara. (Matio 28:19, 20; Hebreo 10:24, 25). Sahala amin’ireo patriarika, ireo lehilahy manambady sady ray kristiana dia maka fotoana koa mba hanomezana toromarika manokana an’ireo mpianakaviny.
Fanaovan-javatra amim-pahatapahan-kevitra
Rehefa voaloan’i Jakoba patriarika tanteraka ny trosa niavosa nananan’ny rafozan-dahiny taminy, dia nanontany izy hoe: “Rahoviana kosa aho no mba hihary ho an’ny ao an-tranoko?” (Genesisy 30:30). Sahala amin’ireo ray rehetra, i Jakoba dia nahatsapa ny fanerena hanome fahafaham-po izay nilain’ny fianakaviany teo amin’ny ara-nofo, ary dia niasa mafy izy mba hanaovana izany. Hoy ny Genesisy 30:43 hoe: “Nitombo harena indrindra ralehilahy ka nanana ondry aman-osy betsaka ary andevovavy sy andevolahy ary rameva sy boriky.”
Taona vitsivitsy tatỳ aoriana anefa, taorian’ny nifindran’i Jakoba nankany amin’ny tany Kanana, dia toa tsy fantany fa efa nampitombo fahazarana nampidi-doza i Dina zanany vavy tamin’ny fifaneraserana tamin’ireo Kananita mpanompo sampy.a (Genesisy 34:1). Tsy nanao zavatra koa izy rehefa nanjary fantany ny fisian’ireo fitaovana ara-pivavahan’ny mpanompo sampy tao amin’ny ankohonany. Na ahoana na ahoana, taorian’ilay fisavihana nahatsiravina nataon’ny Kananita iray tamin’i Dina, dia nanao zavatra tamim-pahatapahan-kevitra i Jakoba. “Ario ireo andriamani-kafa, izay ao aminareo, dia madiova”, hoy ny toromarika nomeny. — Genesisy 35:2-4.
Ireo ray kristiana dia tsy maintsy miambina tsara raha ny amin’ny fiainana ara-panahin’ny fianakaviany. Raha misy loza lehibe mandrahona ny fahasalamana ara-panahin’ny fianakaviana, toy ny fisian’ny boky maloto na ny mozika manimba ao an-trano, dia tsy maintsy manao zavatra amim-pahatapahan-kevitra izy ireo.
Mahaliana fa ireo vehivavy toa an’i Saraha sy i Rebeka ary i Rahely dia nampihatra fitaomana lehibe koa tamin’ny fianakaviany. Na dia nanaiky ny vadiny aza izy ireo, dia tsy voasakana tsy hanomboka hanao zavatra rehefa nety sy tena nilaina izany. Ohatra, ny Eksodosy 4:24-26 dia milaza amintsika fa rehefa nandeha nankany Egypta i Mosesy sy ny fianakaviany, dia “nitsena azy Jehovah [“anjelin’i Jehovah”, Septante] ka nitady hamono azy [zanakalahin’i Mosesy]”. Niharihary fa notandindomin’ny famonoana azy ho faty ny zanakalahin’i Mosesy noho i Mosesy tsy namora azy io. Nanao zavatra haingana i Zipora ka namora ilay zanany lahy. Ho vokatr’izany, dia namela azy io handeha ilay anjely. Ireo vehivavy kristiana manambady amin’izao andro izao dia afaka koa manomboka manao zavatra rehefa mety amin’izany ny tarehin-javatra.
Toromarika avy amin’ny ray teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy
Tamin’ny 1513 al.f.i., dia nifarana ny fe-potoana ho an’ny patriarika, rehefa tonga firenena iray ny Isiraely. (Eksodosy 24:3-8). Nanohy niasa ho toy ny loham-pianakaviana hatrany ireo ray. Kanefa, ny lalàna nifehy ny fianakaviana dia nanjary teo ambany fahefan’ilay Lalàm-pirenena nomen’Andriamanitra an’i Mosesy, ary voara-mason’ireo mpitsara voatendry ny fampiharana azy. (Eksodosy 18:13-26). Ny fisoronan’ny Levita no naka ny toeran’ireo lafiny tamin’ny fanompoam-pivavahana nahakasika ireo sorona. Na dia izany aza, dia nanohy nanana anjara asa lehibe hatrany ireo ray. Nampirisika toy izao i Mosesy: “Aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha”. — Deoteronomia 6:6, 7.
Ny Lalàna dia nanolotra fahafahana, toy ny Paska, izay nahazoana nanome fampianarana ara-potoana sy tsy ara-potoana. Rehefa nanakaiky ny 14 Nisana, datin’ny Paska, dia nanomboka nanomana ny dia fanaony nankany Jerosalema ireo fianakaviana jiosy. (Deoteronomia 16:16; ampitahao amin’ny Lioka 2:41.) Zaza iza moa no tsy ho azon’ny fahataitairana nandritra ny fiomanana toy ireny? Ilay dia mihitsy dia efa fahafinaretana. Tamin’izay dia efa nifarana ny fotoan’ny orana, ary efa nanomboka nanala ny hatsiakan’ny ririnina teny amin’ny rivotra ny masoandron-dohataona. Koa satria niempo ny oram-panalan’ny Tendrombohitra Hermona, dia tondraka ny Onin’i Jordana.
Teny an-dalana, ireo ray dia afaka nampianatra ireo zanany, tsy ny jeografian’ny tanin’izy ireo fotsiny, fa ny tantara be dia be nifandray tamin’ireo toerana nety ho nandalovan’izy ireo koa. Nety ho tafiditra tamin’ireny ny Tendrombohitra Ebala sy Gerizima, toerana izay namakiana ireo ozona sy fitahiana tao amin’ny Lalàna. Nety koa izy ireo ho nandalo tao Betela, toerana izay nahazoan’i Jakoba ny fahitany ilay tohatra tany an-danitra. Fifanakalozan-kevitra nampientana toy inona moa no nanaraka izany! Arakaraka ny nandrosoan’ilay dia sy ny fisian’ny mpanao dia avy tamin’ny faritra hafa tamin’ilay tany tafaraka tamin’ireo antokom-pianakaviana, dia nifaly tamin’ny fiarahana nampahery, ny rehetra.
Tamin’ny farany, ny fianakaviana dia niditra an’i Jerosalema, “izay tena fahatsaran-tarehy”. (Salamo 50:2). Hoy i Alfred Edersheim, manam-pahaizana manokana, hoe: “Maro tamin’ireny mpivavaka mpandeha lavitra ireny no tsy maintsy nitoby tany ivelan’ny mandan’ny tanàna. Ireo izay nahazo fialofana tao an-tanàna dia nahazo filasiana maimaim-poana.” Eny, ireo tanora hebreo dia nandray lesona nivantana momba ny fitiavana sy ny fahaiza-mampiantrano vahiny nampiavaka ireo rahalahy. Miasa ho amin’ny zava-kendrena mitovy amin’izany koa ireo fivoriamben’i Vavolombelon’i Jehovah fanao isan-taona.
Tonga ny 14 Nisana tamin’ny farany. Novonoina sy natsatsika nandritra ny ora maromaro ilay biby voatokana ho an’ny Paska. Rehefa nadiva hisasaka ny alina dia nihinana ilay zanak’ondry sy ny mofo tsy nisy lalivay ary anana mangidy, ny fianakaviana. Araka ny fomba amam-panao, dia nanontany toy izao ny zanakalahy iray: “Inona no anton’izao fanompoana ataonareo izao?” Ary dia nanome fampianarana ara-pomba ny ray ka nilaza hoe: “Izao dia famonoana ny Paskan’i Jehovah, Izay nandalo ny tranon’ny Zanak’Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy ny tao an-tranontsika.” — Eksodosy 12:26, 27; 13:8.
Hoy i Solomona, Mpanjakan’ny Isiraely, hoe: ‘Ao ny andro ihomehezana, ary ao ny andro andihizana’. (Mpitoriteny 3:4). Nomena fotoana ho an’ny fanarian-dia ireo ankizy isiraelita. Toa nandinika ireo ankizy nilalao teny an-tsena i Jesosy Kristy. (Zakaria 8:5; Matio 11:16). Ary tsy nahalana akory ireo ray aman-dreny nanan-katao no nanomana koranam-pianakaviana nahafaly izay nanasongadina ny hira sy ny dihy ary ny fihinanambe. (Lioka 15:25). Ireo ray aman-dreny kristiana amin’izao andro izao dia manomboka manao zavatra toy izany koa amin’ny fanomezana fanarian-dia sy fiarahana mahasoa ho an’ireo zanany.
Reny sy zanaka tao amin’ny fitambaran’olona jiosy
Inona no anjara asa nananan’ireo reny teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy? Nandidy ny Ohabolana 1:8 hoe: “Anaka, mihainoa ny ana-drainao, ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao”. Tao anatin’ny faritry ny fahefan’ny vadiny, ny vehivavy jiosy nanambady dia nampihatra ireo fepetra nomen’Andriamanitra teo amin’ny fiainam-pianakaviana. Tokony ho nohajain’ireo zanany izy, na dia efa antitra aza. — Ohabolana 23:22.
Nanana anjara asa lehibe koa teo amin’ny fitaizana ireo zanany, ny reny. Saika izy irery no nikarakara ny zazakely iray mandra-pahatongan’ny taona tokony hampisaraha-nono azy io, ka tsy isalasalana fa izany dia nahatonga fifamatorana akaiky teo amin’ny reny iray sy ny zanany. (Isaia 49:15). Raha nampianatra asa tanana iray ny zanany lahy ny ray, dia nampianatra ny zanany vavy ny fahaizana mikarakara tokantrano kosa ny reny. Nampihatra fitaomana lalina teo amin’ny zanany lahy koa ireo reny. Ohatra, i Lemoela mpanjaka dia nandray soa tamin’ny “teny mavesa-danja izay nananaran-dreniny azy”. — Ohabolana 31:1.
Ny vehivavy jiosy nanambady sy nahay dia nanana fahafahana lehibe koa teo amin’ny ‘fitandremana tsara ny ataon’ny ankohonany’. Araka ny Ohabolana 31:10-31, dia nahazo nividy ireo zavatra nilain’ny ankohonany izy, nampiasa vola tamina tany na trano, sy nitantana raharaham-barotra kely mihitsy aza. Ho an’ny lehilahy manambady ary mahay mankasitraka, ny hasarobidin’ny vady toy izany dia “mihoatra lavitra noho ny voahangy”!
Modely ho an’izao andro izao
Tamin’ny andron’ny Baiboly, ny fandaharana momba ny fianakaviana dia niasa ho an’ny fampitomboana ara-pihetseham-po sy ara-panahy ireo mpikambana rehetra tao aminy. Ireo ray dia tokony ho nampihatra tamim-pitiavana ny fahefany mba handraisan’ny fianakavian’izy ireo tombontsoa. Tokony ho nitarika teo amin’ny fanompoam-pivavahana izy ireo. Samy naneho fiheverana ny zanany ireo ray sy ireo reny — nampianatra sy nitaiza azy ireo, nanolotra fanompoam-pivavahana niaraka tamin’izy ireo, sy nanolotra fanarian-dia ho azy ireo. Ireo reny tia an’Andriamanitra dia niharihary ho mpanampy sarobidy, nanaja ny maha-lohany ny vadiny, sady nanomboka nanao zavatra ho an’ny fianakaviany. Ireo zanaka nankato dia nitondra fifaliana ho an’ireo ray aman-dreniny sy ho an’i Jehovah Andriamanitra. Tsy azo lavina fa ny fianakaviana natahotra an’Andriamanitra tamin’ny andron’ny Baiboly dia modely faran’izay tsara ho an’izao androntsika izao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tokony homarihina fa talohan’izay, i Jakoba dia nanao dingana hentitra mba hiarovana ny fianakaviany tamin’ny fitaoman’ireo Kananita. Nanorina alitara iray izy, tsy isalasalana fa nomena bika iray izay nampiavaka azy tamin’ireo mpiara-monina taminy tany Kanana. (Genesisy 33:20; Eksodosy 20:24, 25). Ambonin’izany, dia nanangana ny tobiny tany ivelan’ny tanànan’i Sekema izy sady nanorina ny tahirin-dranony manokana. (Genesisy 33:18; Jaona 4:6, 12). Araka izany, dia tsy maintsy ho nahafantatra tsara ny fanirian’i Jakoba ny tsy hifaneraseran’ny tenany tamin’ny Kananita, i Dina.
[Sary, pejy 23]
Ny fianakavianao dia afaka ny ho sambatra sahala amin’ireo fianakaviana izay nanolotra fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah tamin’ny andron’ny Baiboly