Tamin’ny Ahoana i Jesosy Kristy no Mpaminany Tahaka An’i Mosesy?
TSY mandainga mihitsy i Jehovah Andriamanitra. (Titosy 1:2; Hebreo 6:18). Noho izany, ireo faminaniana ao amin’ny Teniny, ny Baiboly, dia azo itokiana sady marina. Azo antoka ny hahatanterahan’izy ireny.
Anisan’ireo faminaniana ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ireo ny iray nosoratan’i Mosesy mpaminany hebreo mikasika ny Mesia. Tamin’ny fanononana ny tenin’i Jehovah, dia nanambara toy izao i Mosesy: “Mpaminany no hatsangako ho azy [ny Isiraelita] avy amin’ny rahalahiny, tahaka anao [Mosesy], ka hataoko ao am-bavany ny teniko, ary holazainy aminy izay rehetra handidiako azy.” — Deoteronomia 18:17, 18.
Nampihatra an’io faminaniana io tamin’i Jesosy Kristy ny apostoly Petera rehefa nanoratra hoe: “Mosesy nilaza hoe: ‘Mpaminany no hatsangan’i Jehovah Andriamanitra ho anareo avy amin’ny rahalahinareo, tahaka ahy; izy no hohenoinareo amin’izay rehetra holazainy aminareo.’ ” (Asan’ny apostoly 3:22). Raha ny marina, i Jesosy mihitsy dia nanambara hoe: “Raha mba nino an’i Mosesy hianareo, dia hino Ahy, satria nanoratra nilaza Ahy izy.” (Jaona 5:46). Amin’ny lafiny inona avy no ifanahafan’i Jesosy sy i Mosesy?
Nitovy izy ireo raha ny amin’ny fiandohan’ny asa nataony
Samy afa-nandositra ny fandripahana ireo zazalahy mbola menavava i Mosesy sy i Jesosy. I Mosesy zaza dia nafenina tao anatin’ireo zozoro teny amin’ny moron’ny Reniranon’i Neily ary tamin’izany no nahafahany nandositra ny fandripahana ireo zazalahikely Isiraelita, araka ny nandidian’i Faraon’i Egypta azy. Raha mbola zaza i Jesosy dia afa-nandositra ny fandripahana ireo zazalahikely roa taona no ho miakatra tany Betlehema sy ireo distrikany. Izany famonoana olona nitambatra izany dia didy avy amin’i Heroda Lehibe mpanjaka, izay, toa an’i Farao, dia fahavalon’Andriamanitra sy ny Vahoakany. — Eksodosy 1:22–2:10; Matio 2:13-18.
Ny toe-tsaina voamariky ny fahalemem-panahy na fandeferana dia nasehon’i Mosesy sy i Jesosy. Na dia notezaina tamin’ny naha-zanakalahy azy tao amin’ny ankohonan’ny mpanjaka maherin’i Egypta aza i Mosesy, dia tonga “lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin’ny tany”. (Nomery 12:3). Azo ampitahaina amin’izany i Jesosy, izay nanompo tamin’ny naha-Mikaela andriana mahery azy tany an-danitra nefa tonga tamim-panetren-tena tetỳ an-tany. (Daniela 10:13; Filipiana 2:5-8). Ambonin’izany, dia nanana fangorahana ny olona i Jesosy ary afaka niteny hoe: “Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.” — Matio 11:29; 14:14.
Noho ny fanompoana an’i Jehovah, dia samy nandao ny toerana nahazoana laza sy ny harem-be i Mosesy sy i Jesosy. Mba hanompoana an’i Jehovah sy ny Olony, dia namoy ny harena sy ny toerana nahazoana laza tany Egypta i Mosesy. (Hebreo 11:24-26). Mitovy amin’izany koa fa nandao ny toeram-pankasitrahana lehibe sy ny harena tany an-danitra i Jesosy mba hanompoana an’i Jehovah sy ny Olony tetỳ an-tany. — 2 Korintiana 8:9.
Samy tonga voahosotr’Andriamanitra i Mosesy sy i Jesosy. Nanompo tamin’ny naha-voahosotr’i Jehovah azy teo amin’ny firenen’ny Isiraely i Mosesy mpaminany. Araka ny voalazan’ny apostoly Paoly, dia “nanao ny fanaratsiana an’i Kristy [ilay voahosotra] ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan’i Egypta” i Mosesy. (Hebreo 11:26; Eksodosy 3:1–4:17). Oviana i Jesosy no tonga Kristy, na Ilay voahosotra? Nitranga izany fony izy nohosorana tamin’ny fanahy masin’Andriamanitra, na hery miasa, raha vantany vao vita batisa izy. Tamin’ilay vehivavy samaritana teo amin’ny fantsakan’i Jakoba tany Sykara, sy teo anatrehan’ny mpisoronaben’ny Isiraely, fony izy notsaraina, dia nanaporofo i Jesosy fa izy no Mesia na Kristy. — Marka 14:61, 62; Jaona 4:25, 26.
Samy nifady hanina nandritra ny 40 andro i Mosesy sy i Jesosy. Teo am-piandohan’ny asany tamin’ny naha-mpitondra tenin’Andriamanitra, dia nifady hanina nandritra ny 40 andro i Mosesy raha mbola tany an-tendrombohitra Sinay. (Eksodosy 34:28). Nifady hanina nandritra ny 40 andro i Jesosy tany an’efitra ary avy eo dia nahatohitra ireo fakam-panahy avy amin’i Satana, teo am-piandohan’ny asany tamin’ny naha-ilay Mesia nampanantenaina azy. — Matio 4:1-11.
Samy nanome voninahitra an’i Jehovah ireo lehilahy roa ireo
Samy nampiasain’i Jehovah i Mosesy sy i Jesosy mba hankalazana ny Anarany masina. Nilaza tamin’i Mosesy i Jehovah mba ho any amin’ny Isiraelita amin’ny anaran’i ‘Jehovah, Andriamanitry ny razan’izy ireo’. (Eksodosy 3:13-16). I Mosesy dia nisolo tena an’i Jehovah teo anatrehan’i Farao izay natao ela velona mba hanehoana ny herin’i Jehovah sy hampahafantarana ny Anarany amin’ny tany manontolo. (Eksodosy 9:16). Toy izany koa fa tonga tamin’ny anaran’i Jehovah i Jesosy. Niteny toy izao, ohatra, i Kristy: “Izaho dia avy amin’ny anaran’ny Raiko, nefa tsy raisinareo.” (Jaona 5:43). Nanome voninahitra ny Rainy i Jesosy, nampiseho ny anaran’i Jehovah tamin’ireo olona nomen’Andriamanitra azy, ary nanao izay hampahalaza izany tetỳ an-tany. — Jaona 17:4, 6, 26.
Noho ny herin’Andriamanitra, dia samy nanao fahagagana nanome voninahitra an’Andriamanitra i Mosesy sy i Jesosy. Nanao fahagagana i Mosesy mba hanaporofoana fa nirahin’i Jehovah Andriamanitra izy. (Eksodosy 4:1-31). Nandritra ny asany manontolo, i Mosesy izay nampiasain’Andriamanitra hanasaraka ny Ranomasina Mena, dia nanohy nanao fahagagana nanome voninahitra an’i Jehovah. (Eksodosy 5:1–12:36; 14:21-31; 16:11-18; 17:5-7; Salamo 78:12-54). Mitovy amin’izany koa fa i Jesosy dia nitondra voninahitra ho an’Andriamanitra tamin’ny fanaovana fahagagana maro be. Maro be tokoa izany matoa i Jesosy afaka niteny hoe: “Minoa Ahy fa Izaho ao amin’ny Ray, ary ny Ray ato amiko; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza.” (Jaona 14:11). Anisan’ireo fahagagana nataony ilay nahatonga ny tafio-drivotra nahery halefaka, hany ka nanjary tony ny Ranomasin’i Galilia. — Marka 4:35-41; Lioka 7:18-23.
Fifanahafana lehibe hafa koa
Samy nandray anjara tamin’ny fandaharana ara-tsakafo mahagaga iray i Mosesy sy i Jesosy. I Mosesy no mpaminanin’i Jehovah rehefa nomena ny Isiraelita tamin’ny fomba mahagaga ny sakafo. (Eksodosy 16:11-36). Mitovy amin’izany koa fa tamin’ny fisehoan-javatra roa, ao amin’ny fitantaran’ny Baiboly, dia namahana tamin’ny sakafo ara-nofo vahoaka sesehena tamin’ny fomba mahagaga i Jesosy. — Matio 14:14-21; 15:32-38.
Nifamatotra tamin’ny asan’i Mosesy sy ny an’i Jesosy ny mana avy any an-danitra. Nitarika ny Isiraelita i Mosesy fony izy ireo nomena mana avy any an-danitra, raha azo atao ny milaza izany. (Eksodosy 16:11-27; Nomery 11:4-9; Salamo 78:25). Tamin’ny fomba azo ampitahaina amin’izany nefa lehibe lavitra tokoa, no nanomezan’i Jesosy ny nofony ho toy ny mana avy any an-danitra hitondra fiainana ho an’ny taranak’olombelona mankatò. — Jaona 6:48-51.
Samy nitarika olona ho afaka tamin’ny fanandevozana ho amin’ny fahafahana i Mosesy sy i Jesosy. Nampiasain’i Jehovah i Mosesy mba hitarika ny Isiraelita ho afaka tamin’ny fanandevozan’ny Egyptiana ka ho amin’ny fahafahana amin’ny maha-Vahoakany azy. (Eksodosy 12:37-42). Mitovy amin’izany koa fa nitarika ireo mpanara-dia azy ho amin’ny fahafahana i Jesosy Kristy. Mbola hitarika ny taranak’olombelona mankatò ho amin’ny fahafahana avy amin’ny fanandevozan’ny fandaminan’i Satana Devoly, ary koa avy amin’ny ota sy ny fahafatesana, i Kristy. — 1 Korintiana 15:24-26; Kolosiana 1:13; 1 Jaona 5:19.
Samy nanalalana tamin’ny fanekena i Mosesy sy i Jesosy. I Mosesy no mpanalalana tamin’ny faneken’ny Lalàna teo amin’i Jehovah sy ny Isiraelita. (Eksodosy 19:3-9). I Jesosy no Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao eo amin’Andriamanitra sy ny Isiraely ara-panahy. — Jeremia 31:31-34; Lioka 22:20; Hebreo 8:6-13.
Samy nanankinana fitsarana i Mosesy sy i Jesosy Kristy. Nanompo tamin’ny naha-mpitsara sy mpanome lalàna ny Isiraely ara-nofo i Mosesy. (Eksodosy 18:13; Malakia 4:4). Manompo amin’ny maha-Mpitsara i Jesosy ary nanome ho an’ny “Isiraelin’Andriamanitra” ara-panahy ny lalàny sy ny didiny. (Galatiana 6:16; Jaona 15:10). I Kristy mihitsy dia nilaza hoe: “Ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka, mba hanajan’ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy.” — Jaona 5:22, 23.
Samy nanankinana asa tamin’ny naha-filohan’ny tranon’Andriamanitra i Mosesy sy i Jesosy. Nahatoky i Mosesy tamin’ny naha-filohan’ny tranon’Andriamanitra azy teo amin’ny Isiraely fahiny. (Nomery 12:7). Azo ampitahaina amin’izany koa fa i Jesosy dia natao Filohan’ny trano ara-panahin’i Jehovah voaforon’ireo zanany ary voaporofo fa nahatoky tamin’izany. I Jesosy tokoa dia “mahatoky ny nanendry Azy, tahaka an’i Mosesy koa tao amin’ny tranon’Andriamanitra rehetra. Fa Izy dia natao miendrika hanam-boninahitra noho Mosesy, araka ny ananan’ny mpanao trano voninahitra bebe kokoa noho ny trano nataony. (...) Ary Mosesy dia mpanompo nahatoky tao amin’ny tranon’Andriamanitra rehetra, ho fanambarana izay zavatra mbola holazaina; fa Kristy kosa dia Zanaka manapaka ny tranon’Andriamanitra; ary isika no tranony, raha hazonintsika mafy hatramin’ny farany ny fahasahiana sy ny firavoravoana momba ny fanantenana.” — Hebreo 3:2-6.
Na dia ny amin’ny fahafatesana aza dia nitovy i Mosesy sy i Jesosy. Ahoana izany? Nofoanan’i Jehovah ny fatin’i Mosesy ka tamin’izany izy dia nisakana ny olona tsy hampiasa azy io hanaovana zavatra tsy fanao na hivavaka amin’izany. (Deoteronomia 34:5, 6; Joda 9). Mitovy amin’izany koa fa nampanjavona ny fatin’i Jesosy i Jehovah fa tsy namela izany hahita fahalovana, ary tamin’izany izy dia nisakana azy io tsy ho tonga vato fahatafintohinana eo amin’ny finoana. — Salamo 16:10; Asan’ny apostoly 2:29-31; 1 Korintiana 15:50.
Tandremo ny faminaniana
Ireo dia anisan’ireo lafiny mampiseho fa mpaminany tahaka an’i Mosesy i Jesosy. Tena mahatalanjona tokoa ireo tenin’Andriamanitra nomena an’i Mosesy raha heverina amin’ny nahatanterahan’ny fahatongavan’io mpaminany io!
Tsy misy isalasalana fa i Jehovah no nanatontosa io fampanantenana ara-paminaniana ny hanangana mpaminany tahaka an’i Mosesy io. Tanteraka teo amin’ny fiainana sy ny fanandraman-javatra hitan’i Jesosy Kristy ireo teny ao amin’ny Deoteronomia 18:18. Ary ny fahatanterahana toy izany dia manome antsika antony tokony hananana fatokiana an’ireo lafin-javatra ara-paminaniana hafa ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Noho izany, dia aoka isika hitandrina mandrakariva ny faminaniana ao amin’ny Baiboly.