-
FahamasinanaFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Nampahatsiahivina ny tafiky ny Israely fa tsy tokony havelany hisy diky na loto hafa tao an-toby. “Mandehandeha ao an-tobinao mantsy i Jehovah Andriamanitrao ... Koa aoka ho masina ny tobinao mba tsy hahita zavatra manafintohina eo aminao izy, ka hiala ary tsy hiaraka aminao intsony.” (De 23:9-14) Hita eo fa misy ifandraisany ny hoe madio sy masina.
-
-
Toerana MasinaFandalinana ny Soratra Masina
-
-
1. Ny tobin’ny Israely (De 23:14), ny tanin’ny Israely ary indrindra fa ny tanànan’i Jerosalema. (Ampitahao Mt 24:15 sy Lk 21:20; mariho ilay hoe “tanàna masina” ao amin’ny Mt 27:53.) Tao ny toerana masin’Andriamanitra sy nametrahany ny anarany, ary masina ny olony. (Ezk 21:2) Tokony ho masina foana ilay toby manontolo sy ilay tany nomen’Andriamanitra ny olony. Nandoto an’ilay toerana masina àry izay nanao sorona ho an’ny andriamani-diso na naloto fitondran-tena.—Le 20:3; ampit. Le 18:21, 30; 19:30; No 5:2, 3; Je 32:34; Ezk 5:11; 23:38.
-