-
AlikaFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Heviny an’ohatra. Fanaon’ny alika ny mihinana indray ny sakafo efa naloany. Oharina amin’io fanao maharikoriko io ny ataon’ireo miala amin’ny lalan’ny fahamarinana ka miverina indray amin’ny fahalotoana. (2Pe 2:20-22; Oh 26:11) Alika no iantsoana an’ireo maloto fitondran-tena. Noraran’Andriamanitra, ohatra, ny Israely hoe: “Aza entina ao an-tranon’i Jehovah Andriamanitrao mba hanefana voady ny karaman’ny mpivaro-tena na ny vidin’alika [“lehilahy mpijangajanga”, Kat.; “azo inoana fa lehilahy manao firaisana amin-dehilahy, indrindra fa amin’ankizilahikely”, TV, f.a.p.], satria samy zava-maharikoriko amin’i Jehovah Andriamanitrao ireny.” (De 23:18) Hoatran’ny alika mpirenireny mpihinana fatim-biby ireo mpanao zava-maharikoriko, toy ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, sy ireo masiaka sy lozabe, ka tsy avela hiditra ao amin’i Jerosalema Vaovao.—Ap 22:15; jereo koa Fi 3:2.
-
-
Mpivaro-tenaFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Teo ambanin’ny Lalàna. Hoy ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny Israelita: “Aza manala baraka ny zanakao vavy amin’ny fandefasana azy hivaro-tena, sao hivaro-tena koa ny mponina eo amin’ilay tany, ka hanjakan’ny fitondran-tena baranahiny ilay tany.” (Le 19:29) Voararan’ny didy fahafito ny fanitsakitsaham-bady (Ek 20:14; De 5:18), ka novonoina ho faty na ilay lehilahy na ilay vehivavy nanao izany. (Le 20:10) Novonoina ho faty izay zazavavy nilaza hoe virjiny ka nanambady, nefa avy eo hita hoe nandainga. (De 22:13-21) Novonoina ho faty koa ny zazavavy efa fofombadin’olona nefa nijangajanga tamin-dehilahy hafa. Noheverina ho nanitsakitsa-bady mantsy izy. (De 22:23, 24) Raha nijangajanga ny zazavavy mbola tsy nanana fofombady, dia tsy maintsy nanambady azy ilay lehilahy nanadala azy, raha tsy hoe nitsipaka izany angaha ny rain-drazazavavy.—Ek 22:16, 17; De 22:28, 29.
-
-
KaramaFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Sakar (heb.) no ilazana ny karama aloa noho ny asa na raharaha vita. ʼEtnan (heb.), avy amin’ny fototeny hoe natan (manome), kosa no ilazan’ny Baiboly ny karaman’ny mpivaro-tena ara-bakiteny sy an’ohatra. Toy ny hoe fanomezana fa tsy karama ny hoe ʼetnan, saingy ampiasaina amin’ny heviny ratsy foana. Tsy azo nentina tao amin’ny toerana masina mba hanefana voady ny “karaman’ny mpivaro-tena” sy “ny vidin’alika”, izay azo inoana fa karaman’ny lehilahy miray amin’ny lehilahy. (De 23:18) Ho lasa zava-masina eo anatrehan’i Jehovah ny karaman’i Tyro tamin’izy nivaro-tena tamin’ireo firenena. Midika izany fa hohamasinin’ilay Avo Indrindra, na hampiasaina araka ny sitrapony mba hahasoa ny mpanompony, ny harena azon’i Tyro tamin’izany. (Is 23:17, 18; ampit. Ne 13:16.) Samy nivaro-tena tamin’ny firenen-kafa ny Joda sy Israely. (Ezk 23:1-16; Ho 9:1; Mi 1:6, 7) Nomelohin’Andriamanitra bebe kokoa anefa i Jerosalema satria izy indray no nanome karama an’ireo firenena nijangajangany, fa tsy nomena karama hoatran’ny mpivaro-tena mahazatra.—Ezk 16:26-34, 41.
-