-
Vato Fikosoham-baryFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nanao mofo isan’andro sy nitoto voa matetika ny Israelita, ka voararan’ny Lalàna ny naka vato fikosoham-bary ho antoka, na dia ny vato amboniny fotsiny aza. Nila vato fikosoham-bary ny fianakaviana vao nahavita mofo isan’andro, ka toy ny hoe ny “aina” na ny antom-pivelomana mihitsy no nalain’izay naka azy io na ny vato amboniny fotsiny aza.—De 24:6.
-
-
AntokaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Mendrika ny ho faty toy izay nandroba na nandatsa-dra ireo tsy namerina ny “antoka nalainy”, raha tsy nibebaka. (Ezk 18:10-13) Raha tsy nanao ratsy intsony kosa ny ratsy fanahy ka namerina “ny antoka nalainy”, ohatra, dia “ho velona tokoa” izy. (Ezk 33:14-16) Tsy azo nalaina ho antoka koa ny vato fikosoham-bary na ny vato amboniny fotsiny aza, satria nanao mofo isan’andro ny olona. Toy ny hoe “ny ainy” mihitsy no nalaina, raha nalaina ireo vato ireo.—De 24:6.
-