ANTOKA
Zavatra toy ny peratra na akanjo apetraky ny mpitrosa any amin’izay nitrosany, ho fanomezan-toky fa haloany ny trosany. Nomen’i Joda an’i Tamara ho antoka, ohatra, ny peratra fanombohan-kaseny, ny tadiny, ary ny tehiny, mandra-panatiny zanak’osy ho karamany noho izy nanao firaisana taminy. (Ge 38:17-20) Niaro ny tombontsoan’ireo mahantra sy tsy nisy mpiaro (toy ny mpitondratena) ny lalàna nomen’Andriamanitra momba ny antoka, satria fantany ny manjo azy ireo. Ilazana antoka ny matoanteny hebreo roa hoe haval sy ʽavat sy ny anarana iray tarika aminy.
Tsy azo notazonina hatramin’ny alina ny akanjo ivelany nomen’ny mahantra ho antoka. (Ek 22:26, 27; De 24:12, 13) Iny mantsy no mety ho nirakofany ka hangatsiaka izy raha tsy nirakotra. Tia tena sy mafy fo àry izay nandika an’io lalàna io. (Jb 22:6; 24:9) Rehefa nivadi-pinoana anefa ny Israely, dia nalain’ny olona sasany ho antoka ny akanjon’ny mahantra, ary nampiasainy tamin’ny fety ho an’ny sampiny.—Am 2:8.
Mendrika ny ho faty toy izay nandroba na nandatsa-dra ireo tsy namerina ny “antoka nalainy”, raha tsy nibebaka. (Ezk 18:10-13) Raha tsy nanao ratsy intsony kosa ny ratsy fanahy ka namerina “ny antoka nalainy”, ohatra, dia “ho velona tokoa” izy. (Ezk 33:14-16) Tsy azo nalaina ho antoka koa ny vato fikosoham-bary na ny vato amboniny fotsiny aza, satria nanao mofo isan’andro ny olona. Toy ny hoe “ny ainy” mihitsy no nalaina, raha nalaina ireo vato ireo.—De 24:6.
Ny tombontsoan’ny mpitondratena no tena narovan’ny Lalàna, satria matetika izy ireo no tsy nisy niaro na nanampy. Tsy azo nalaina ho antoka mihitsy àry ny akanjon’izy ireo.—De 24:17; ampit. Jb 24:3.
Tsy nahazo niditra tao an-tranon’ilay nisambo-bola ny mpampisambotra, fa ilay nisambotra ihany no namoaka ny antoka tetỳ ivelany. (De 24:10, 11) Tsy azo nidikidirana mantsy ny tranon’olona. Nanao tsinontsinona an’ilay nisambotra koa ilay mpampisambotra raha nitsofotsofoka tao an-tranony. Nangoraka sy nalala-tanana (De 15:8) ary nanaja olona sy ny zony àry izay nanaraka an’ilay lalàna.
Heviny an’ohatra. Raha notahin’Andriamanitra ny Jiosy, dia ho afaka ‘hampisambotra ny firenena maro izy ireo sady haka antoka.’—De 15:6.
Izay “manao tsinontsinona ny teny” ka tsy mamerina ny vola nosamboriny, dia tsy hahazo intsony an’ilay antoka nomeny. Ho voa mafy koa izay tsy mankatò ny didin’Andriamanitra.—Oh 13:13.
Averimberin’ny Soratra Hebreo fa hahita loza izay miantoka olona tsy fantany tsara, ka mampanantena hoe handoa ny trosan’io raha tsy voaloany ilay izy. (Oh 11:15; 22:26, 27; jereo MIANTOKA.) Tokony ‘halaina [àry] ny akanjon’izay’ miantoka olona tsy fantany, hoy ny Ohabolana 20:16. Tsy tokony hiantrana izy satria tsy hoatran’ny mahantra tena sahirana izay voatery misambo-bola. Voa mafy sady tsy misaina izay miantoka olon-tsy fantatra ka toy ny hoe “mandrora mitsilany.” Resahin’ilay andininy koa hoe: “Alaivo ny antoka nomen’ny olona niaraka tamin’ny vehivavy hafa firenena.” Mety hahantra ny lehilahy miaraka amin’ny vehivavy toy izany (ampit. Oh 5:3, 8-10), ka ho voatery hitrosa ary hanome ny fananany sisa ho antoka. Te hilaza àry ilay ohabolana hoe tsy tokony hiantrana izy satria tsy misaina matoa miaraka amin’ilay “vehivavy hafa firenena.”