-
Ebala, TendrombohitraFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Nilazan’i Mosesy ny Israelita fa rehefa hampidirin’i Jehovah ao amin’ilay tany halehany izy ireo, dia tsy maintsy ‘tononin’izy ireo eo amin’ny Tendrombohitra Gerizima ilay fitahiana, ary eo amin’ny Tendrombohitra Ebala kosa ilay ozona.’ (De 11:29, 30) Nasain’i Mosesy naka vatobe maromaro tsy voapaika koa izy ireo mba holalorina sokay ary hatsangana teo amin’ny Tendrombohitra Ebala. Tsy maintsy nanorina alitara teo izy ireo, mba hanaovana sorona ho an’i Jehovah. Hoy i Mosesy avy eo: “Soraty eo amin’ireo vato ireo ny teny rehetra ato amin’ity lalàna ity, ka ataovy mazava tsara.”—De 27:1-8.
-
-
Ebala, TendrombohitraFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Narahin’i Josoa ny tenin’i Mosesy rehefa resin’ny Israely i Ay, ka nanorina alitara ho an’i Jehovah teo amin’ny Tendrombohitra Ebala izy. Nadikany tamin’ny vato (mety ho ny vaton’ny alitara, nefa tsy voatery ho izany) “ny lalàn’i Mosesy izay nosoratany teo anatrehan’ny zanak’Israely.” “Novakiny mafy nony avy eo izay rehetra voalazan’ny lalàna, dia ny fitahiana sy ny ozona, araka izay rehetra voasoratra tao amin’ny boky misy ny lalàna.” Nanao izany izy teo anatrehan’ny fiangonan’Israely (anisan’izany koa ireo vahiny), araka ny nandidian’i Mosesy. Nijoro teo anoloan’ny Tendrombohitra Ebala ny antsasaky ny fiangonana, ary ny antsasany teo anoloan’ny Tendrombohitra Gerizima, fa ny Vata misy ny fifanekena sy ny Levita kosa teo anelanelan’izy ireo. (Js 8:30-35) Nifanatrika ny tehezan-tendrombohitr’i Ebala sy Gerizima, ka nahatonga ny feo ho re tsara. Tsara homarihina fa efa tao amin’ilay Tany Nampanantenaina izany rehetra izany no nitranga. Teo akaikin’io toerana io koa i Jehovah no nampanantena fa hanome an’ilay tany ho an’i Abrama (Abrahama) razamben’ny Israely.—Ge 12:6, 7.
-