-
JerosalemaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Tao anatin’ny efa-bolana sy 25 andro monja (3 Aprily ka hatramin’ny 30 Aogositra taona 70) dia resy ilay tanàna. Azo lazaina hoe fohy ihany ilay fahoriana na mafy aza. Tsy nisaina tsara sy nanaonao foana ireo Jiosy tao an-tanàna, ka izany no anisan’ny nahatonga an’ilay fahoriana ho fohy. Nilaza i Josèphe fa 1 100 000 ny isan’ny maty, nefa nisy koa tsy maty. Olona 97 000 no nentina ho babo, ka maro tamin’ireo no nentina ho andevo tany Ejipta, na nalefa tany amin’ireo kianja filalaovana tany amin’ny faritany romanina, ka matin’ny sabatra na lanin’ny bibidia tany. Nanatanteraka faminaniana koa izany.—De 28:68.
-
-
SamboFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nanao dia lavitra namakivaky ny Ranomasina Mediterane ny sambo lehibe nisy lay mahitsizoro sy fivoy 20 mahery, ary toy ny hoe nisy vombony ny fanambaniny. Efa nisy sambo nivezivezy teny an-dranomasina tamin’ny andron’i Mosesy, matoa i Jehovah nampitandrina ny Israelita teo amin’ny Lemak’i Moaba hoe raha tsy mankatò izy ireo, dia hoentina “an-tsambo hiverina any Ejipta” ka hamidy ho andevo any.—De 28:68.
-